Teny nampidirina farany

Tamberiverena
[admin]
: (tamberiuery) mt. ih. (tamberivereo): Asaina misodisody, mihaodihaody. Ahitsio
Tamberina
[admin]
: a.: Entina milaza ny olona mandeha, dia miverina; ny lasa kely dia tonga indray. ? Entina milaza koa ny mihodinkodina eo an-toerana ihany, na ny fivezivezena mandroso dia misangodina eo amin'izay nialana. - t.i.f.: Atamberina, voatamberina, tafatamberina / manatamberina, fanatamberina, mpanatamberina / anatamberenana, fanatamberenana / mitamberina, fitamberina, mpitamberina / itamberenana, fitamberenana / mahatamberina / tamberimberina. - F.-p.: Tamberin-tany: ,fahadison-dalana ka mampiverina indray eo amin'izay efa naleha. / Azon'ny tamberin-tany: miverimberina eo amin'ny toerana efa naleha. / Vaky tamberina: mpandainga vaky lainga amin'izay nataony ihany. / Tamberim-bidy: vola miverina amin'ny mpamokatra avy amin'ny fokontany (Vatoeka) na ny SINPA nividy ny vokany, ambonin'ny vidiny, ka io dia ampahany isan-jato, ohatra, amin'ny tambatry ny vidin' ny vokatra lafony. Ahitsio
Tamberezina
[admin]
: (verezina) p.t.: Enti-milaza olona angatahan-javatra tsisy farany, itampesonana, itambezoana. Ahitsio
Tambelona
[admin]
: a.: Fiverenan'ny ain'olona torana na safotra ka velona sy miaina indray. ? t.i.f.: Mitambelona, fitambelona. Ahitsio
Tambazana
[admin]
: (tamby) mt. ih. (tambazo): Karamaina: Notambazako telopolo Rakoto hanala ahitra manodidina ny tranonay. ? Omena atao loka: Tambazako ariary zato ianao raha mahabata ity vato ity. Ahitsio
Tambavy
[admin]
: a: Anaran'aretina mahazo ny zaza izay heverina fa av)[ amin'ny vehivavy reniny niteraka azy ihany. ? Fanafodin-jaza amboarin'ny mpanao fanafody na mpanao raokandro: Misotro tom bauy. Ahitsio
Tambatra
[admin]
: ft.: Firaisana tsy misaraka, fikambanana ho iray. i tif,: Atambatra, voatambatra, tafatambatra / manambatra, fanambatra, mpanambatra / anambarana, fanarnbarana / mitambatra, fitambatra, mpitambatra / itambarana, fitambarana / mahatambatra. Ahitsio
Tambato
[admin]
: a: Mpipai-bato na mpandrafi-bato. Ahitsio
Tambatambazana
[admin]
: (tambitamby) mt, ih. (tambatambazo): Safosafoina na tehatehafina malefaka: Tambatambazo io zaza io mba hangina ambara-pahatongan-dreniny. ? Kojikojena, anaovana teny malefaka na omena zavatra mba hitaomana hanao izay tian'ny tena: Notambatambazan'ny namany izy ka izariy no nahasimba azy. Ahitsio
Tambany
[admin]
: (ambany) a.: Olona avy any amoron-tsiraka, izay toerana ivaiva na ambany miolotra amin'ny eto afovoan-tany. Ahitsio
Tambanana
[admin]
: (tambana) mt. ih. (tambano): Asiana zavatra hisakanana tambana: Matetika taloha ny zauatra nokinasa notambanana valala manatody, fa "raha indrindra ho lauo ihany, aleoko mba ho lavo amin'akondro", hoy ny Ntaolo. Ahitsio
Tàmbana
[admin]
: na Tambàna a.: Sampona misakana tsy hanao na hanatanteraka zavatra nokasaina. - t.i.f-: Tambanana. - Tsy ho azon-tsampona, tsy ho azon-tambana: enga anie ka hieren-doza! Ahitsio
Tambalanana
[admin]
: a.: Vata kely fitehirizan-drakitra. Ahitsio
Tambalana
[admin]
: a.: Tsihy tokan-dela fa tsy mivitrana fametrahan'ny mpivaro-kena ny hena voatetika. Ahitsio
Tambakombako
[admin]
: a.: Karazan' ahitra. Ahitsio
Tambako
[admin]
: a.: Paraky. - F.-p.: Tambako ratsy: ny sevabe. Ahitsio
Tambaby
[admin]
: a.: Famikirana na fanindriana avy ao an-damosina. - t.i.f.: Mitambaby. Ahitsio
Tamanina
[admin]
: na Tamanaina (ta-mana) mt. ih. (tamano, tamanaino): Atao tonga tamana. Ahitsio
Tamangoana
[admin]
: (tamango) mt ih. (tamangoy): Asiana amin'ny tamango. Ahitsio
Tamango
[admin]
: a.: Vakin-taila na vakin-tafo tanimanga itorahana na anapaohana ny kanety amin'ny loka kanety. - t.i.f.: Tamangoana. Ahitsio