Teny nampidirina farany

Tamango
[admin]
: (Sah) a.: Vatam-paty miendrika lakana. Ahitsio
Tamango
[admin]
: a.: Firavaka fitondra amin'ny famoràna (kelikely kokoa noho ny betaly ny tamango). Ahitsio
Tamanana
[admin]
: a.: Vantotr'ombivavy lehibe. Ahitsio
Tamanana
[admin]
: (Btl) a.: Ombivavy miteraka. Ahitsio
Tamana
[admin]
: p.t.: Zatra:Tama-miresaka amin'ny eo akaikinao ianao rehefa manazava lesona ny mpampianatra. ? Enti-milaza biby ompiana na olona nifindra fonenana ka mipetraka tsara amin'ny misy azy fa tsy mitady hiverina amin'ny niaviany intsony: Efa tamana ireo akoho uao novidina ka mahalala mody ao am-pisoko rehefa hariva. ? Finaritra amin'ny toerana iray: Tamana any ambanivohitra izy. - t.i.f.: Tamanina na tarnanaina, atamana, voatamana, tafatamana / manatamana, fanatamana, mpanatamana / anatamanana, fanatamanana / mahatamana. Ahitsio
Tamaboha
[admin]
: a.: Tenam-pitaratra. ? Tavoahangy kely. ? Kilalaon'ankizy natao tamin' ny tenam-pitaratra. Ahitsio
Talonga
[admin]
: p.i.: Telo (amin'ilay fiteny fanaon'ny ankizy taloha rehefa mianatra manisa hatramin'ny folo), jar. Ingisa. Ahitsio
Taloha
[admin]
: p.t.: Tranainy: Efa fomba taloha izany. ? ppk.: Teraka talohan-dRakoto Rabe. ? p. mt.: Tamin'ny andro tany aloha ela, fahiny: Taloha, nisy ala teto antampon'it? tanàna ¶ M.h.: Fahiny, fahizay, fahizany, fahagola, fahagolantany, tany ambadik'i Manareza. Ahitsio
Talio
[admin]
: a,: Rivo-mangatsiaka ateraky ny ranomasina amin'ny folakandro. Ahitsio
Taleva
[admin]
: na Talevana a.: Karazam-borona an-drano (Porphyrio smaragnolus). Ahitsio
Talenta
[admin]
: (fr. talent) a.: Fahaizana na fahakingana voa-Janahary: Manana talenta amin'ny mozika izy. - F.-p.: Mandeuin-talenta: tsy mampiseho na tsy mikojakoja ny talenta ananana. Ahitsio
Talelaka
[admin]
: p. t.: Mibalelaka ary marivo aty, mivelatra be ny vavany, talesaka: Vilia talelaka. - t.i.f.: Mitalelaka, fitalelaka. Ahitsio
Tale
[admin]
: a.: Ny voam-pano voalohany amin'ny laharan-tsikidy voalohany. ? Olona miadidy trano fiasana na tranom-barotra na mitovitovy amin'izany: Ranona no talen'ny Sekoly ianaran'ny zanako. (Tsara homarihina fa tsy tale no ampiasaina fa lehibe amin'ny antokon-draharaha na mitovitovy amin' izany: Ny lehiben'ny Paositra, ary filoha amin'ny fikambanana: Ny filohan'ny Ak ad em ia). Ahitsio
Talata
[admin]
: a.: Andro faharoa amin' ny herinandro, manaraka ny alatsinainy ary mialoha ny alarobia; fivoahan'ny Andriana taloha sy fananterana ny zavatr'andriana; ny talata no fivoahan'ny tafika amin'ny faritany marri, tsy fanao ny mamangy manjb talata. Ahitsio
Talapioka
[admin]
: a.: Sioka na fisamonin'ny tsorakazo akivilivily mafy. * t.i.f.: Mitalapioka, fitalapioka. Ahitsio
Talapetraka
[admin]
: a.: Zavamaniry mivelatra eo amin'ny tany aniriany ny raviny ary fanao fanafody. Ahitsio
Talapetraka
[admin]
: a.: Fipetraka mitorovoka eo amin'ny tsihy. - t.i.f. : Atalapetraka, voatalapetraka, tafatalapetraka / mitalapetraka, fitalapetraka, mpitalapetraka / italapetrahana, fitalapetrahana / mahatalapelatraka. ;? F.-p.: Manao talapetraky ny mplaotra: miray tetika. Ahitsio
Talaotra
[admin]
: a.: Ny Arabo. Ahitsio
Talantalanana
[admin]
: na Talantalanina (talantalana) mt. ih. (talantalano): Asiana talantalana. Ahitsio
Talantalana
[admin]
: a.: Toeran'entana avoavo. ? Hazo narafitra handadian'ny voaloboka na voninkazo. ? Tsivalan-kazo misy ny boky amin'ny fitoeram-boky. i t. f. f.: Talantalanana na talantalanina, atalantalana, voatalantalana, tafatalantalana / manatalantalana, fanatalantalana, mpanatalantalana / anatalantalanana, fanatalantalanana / mitalantalana, fitalantalana / italantalanana, fitalantalanana / mahatalantalana. Ahitsio