Teny nampidirina farany

Takopery
[admin]
: (takotra fery) a.: Ra maina mivaingana eo amin'ny fery efa sitrana ka manjary toa sarona mandrakotra sy miaro azy ambarapahasitrany tanteraka. Ahitsio
Takonina
[admin]
: (ta:xona) mt. ih. (takony): Entin'olona roa na maro, iaraha-mibata: Notakoninay telo lahy ilay ila omby. Ahitsio
Takonana
[admin]
: (takona) mt. ih. (takony): Sakanan-javatra ny fahitana azy: Takonan' ny rahona ny uolana. ? Enti-milaza ny olona sakananjavatra ka tsy mahita: Notakonany aho ka sorena fa tsy nisy na inona na inona hitako tamin'ilay fampisehoana. Ahitsio
Takona
[admin]
: ft.: Fiaraha-mibata zava-mavesatra; firaisana hina hanao zava-dehibe sarotra iray; fiarahana mibata na mikarakara faty iray. - t.i.f.: Takonina, atakona, voatakona, tinakona / mitakona,fitakona, mpitakona / itakonana, fitakonana / mifampitakona / mifanakona / ifanakonana. Ahitsio
Takona
[admin]
: p.t.: Voasakan-javatra ka tsy hita: Takon'ireo hazo ireo ny tranonay. 0 Miafina amin'ny...: Takona ahy ny tarehin y. - t.i.f.: Takonana, atakona, voatakona, tinakona / manakona, fanakona, mpanakona / anakonana, fanakonana / mitakona, fitakona, mpitakona / itakonana, fitakonana / mahatakona. - F.-p.: An-takona na an-katakonana: tsy anatrehana fa any amin'ny miafinafina any. / Tako-masoandro na tampimasoandro: enti-milaza ny omby vonoina raha misy mpanjaka miamboho. / Tako-maso: tsolotra omena ny vavolombelona na ny mpitsara. / Takon-kenatra: 1) ilazana ny varavaran-tapaka mamefy ny mason'ny olona tsy hahita hatrany amin'ny atin'ny fandrahoan-kanina; 2) tapa-damba anaronana ny faritra mahamenatra amin' ny tena mba tsy hiboridanana. / Tsy takona afenina: miharihary sy hita avy hatrany, toerana avo tazana na dia lavitra aza. ¶ M.h,: An-takona, an-katakonana, an-tsokosoko, mangingina, an-konohono, an-kifonofono, an-koboka. Ahitsio
Takolaka
[admin]
: a.: Ireo ilany roa amin'ny tarehy: Misy tandra kely eo amin'ny takolany hauia. ? Ny fihodivirana miankavia na miankavanana. ? Ny tava sompiran'ny rindrina ikatonan'ny varavarana na ivohany. - t.i.f.: Takolahina, atakolaka, voatakolaka, tafatakolaka / manatakolaka na manakolaka, fanakolaka, mpanakolaka / anakolahana, fanakolahana / mitakolaka, fitakolaka, mpitakolaka / itakolahana, fitakolahana / ma-h atakolaka. Ahitsio
Takolahina
[admin]
: (takolaka) mt. ih, (takolahy): Iafenana ao ambadiky ny zavatra iray mba hitiliana olona na hihainoana ny resany: Takolahy ao am-baravarana izy dia henoy ny resany. ? Roritina kely, vivitina ny takolany — (soavaly) sintonina amin'ny lamboridy eo akaikin'ny vavany: Notakolahiko ilay zaza ka mena fify tery ny anao. / Takolahy io soavaly io fa loza raha hihetsiketsika. Ahitsio
Takoko
[admin]
: (Tsm) a.: Voronkely fahita eny amin'ny petsapetsa an-tanimbary, izay fatrapihaza tsikovoka. Ahitsio
Takoko
[admin]
: a.: Fanjoretana, fitanondrehana, . fahasorenana manjonitra. - t.i.f : Atakoko, tafatakoko / mitakoko, fitakoko, mpitakoko / itakokoana, fitakokoana / mahatakoko. Ahitsio
Takofana
[admin]
: (takotra) mt. ih. (takofy): Saronana amin'ny takotra: Takofy ny uilany fa sao latsahan'ny lalitra ny sakafo. Ahitsio
Takoditra
[admin]
: a.: Ireo zavamaniry mamody, toy ny ovy, andrahoina miaraka amin'ny hodiny; ny voanjobory na ny voanjombazaha andrahoina aman-kodiny fa tsy voasana aloha. - t.i.f.: Takodirina, atakoditra, voatakoditra / manatakoditra, fanatakoditra , mpanatakoditra / anatakodirana, fanatakodirana / mitakoditra, fitakoditra / itakodirana, fitakodirana / mahatakoditra. Ahitsio
Takodirana
[admin]
: (takoditra) mt, ih, (takodiro): Andrahoina aman-kodiny: Takodiro ireo ouy ireo. Ahitsio
Takodimena
[admin]
: a.: Aretina vailahy kely bitika amin'ny sisin'ny hodi-maso. Ahitsio
Takodara
[admin]
: na Tsakodara (Ski) a.: Anaram-borona misy sanga toy ny akoholahy. Ahitsio
Takobona
[admin]
: a.: Jer. Sakobona. Ahitsio
Takoboka
[admin]
: a: Fitoeran-drano be kibo fa kely vava. ? Filanjana mis;i tafony na misarona. - t.i.f. : A takoboka, voatakoboka, tafatakoboka / manatakoboka, fanatakoboka, mpanataktboka / anatakobohana, fanatakobohana / mitakoboka, fitakoboka, mpitakoboka / itakobohana, fitakobohana / mahatakoboka. Ahitsio
Takobaka
[admin]
: ft.: Fanetsiketsehana na fanaovana izay hampikobana ny rano ao anaty tavy na fitoeran-drano hafa, na fanetsiketsehana zavatra ao anaty rano. - t.i.f.: Takobahina, atakobaka, voatakobaka / manatakobaka, fanatakobaka, mpanatakobaka / anatakobahana, fanatakobahana / mitakobaka, fitakobaka, mpitakobaka / itakobahana 1 mahatakobaka. Ahitsio
Takobahina
[admin]
: (takobaka) mt. ih. (takobahy): Hetsiketsehina ao anaty rano. Ahitsio
Takizinina
[admin]
: (takizina) mt ih. (takizino): Atao tonga maizina; avala ho ao anaty haizina: Aza takizinina amin'io lambam-baravarana mateuimbe io ny efitrano. ? Atao tonga fadiranovana. Ahitsio
Takizina
[admin]
: p.t.: Maizina tsy misy jiro na hazavana: Takizina tao izahay nandritra ny fahefatr'adiny. ? h.o.: Ambany saina tsy mbola tratran' ny fahalalana. - t.i.f.: Takizinina, atakizina, voatakizina, tafatakizina / manatakizina, fanatakizina, mpanatakizina / anatakizinana, fanatakizinana / mitakizina, fitakizina, mpitakizina / itakizinana, fitakizinana / mahatakizina. Ahitsio