Teny nampidirina farany

Mifona
[hery]
:(fona) mt s. (mifon?): Mibaboka, mangataka famelan-keloka, mivalo: Mifona amin'ny ratsy nataoko aho, Andriamanitra. ? Mitalaho, mihanta, milela-paladia: Mifona aminareo re aho, tompoko, tongava haingana fa marary mafy i Neny. - F.-p.: Mifon-jato mifona arivo: mifona be dia be, mibaboka mafy mihitsy. ? M.h.: Mivalo, mangata-pamelana, mitsotra, mibaboka, manenina, mibebaka, mibabaka, miaiky, mile fitra, miandavo, miretaka, milela-paladia, mitolo-batana, milavo lefona, mangataka ranomandry, mifon-jato mifona arivo, mandady tongotra aman-tanana, mivalo tongotra amantanana, mihorona ohatra ny tapenaka, midaboka ohatra ny amalo-maty. Ahitsio
Mifololotra
[hery]
:(fololotra) mt. s. na p. t.: Enti-milaza zavatra toy ny setroka mivoaka mibosesika avy amin'ny toerana iray. ? M,h.: Mipololotra. Ahitsio
Mifolo
[hery]
:(folo) mt. s. (mifoloa): Mizarazara folo. Ahitsio
Mifolaka
[hery]
:(folaka) mt. s.: Milefitra. Ahitsio
Mifokofoko
[hery]
:(fokofoko) mt. s.: Mitomany mafy ka efa ahovitrovitry ny tomany mihitsy ny tena. Ahitsio
Mifoko
[hery]
:(foko) mt. s. (mifokoa): Mitambatra, miray fo sy saina mba hanao zavatra, miray dina. Ahitsio
Mifokatra
[hery]
:(fokatra) mt. s. (mifokara): Miseho, miseho andro: Nifokatra tampoka ny fahavalo. / Lasa izy uao nifokatra daholo ny ratsy rehetra vitany tao an-tan?na. Ahitsio
Mifoka
[hery]
:(foka) mt. p. (mifoha): Mitroka na misintona dia mamoaka: Mifoka sigara. / Mitroka ary mitelina: Mifoka riuotra madio, 1 Mandritra, misintona: Mifoka ny ranonando ny masoandro vao maraina. Ahitsio
Mifoy
[hery]
:(foy) mt. p. (mifoiza): Mamotsitra, mamotsika, ma-mono amin'ny hoho (hao, parasy): Mifoy hao. Ahitsio
Mifohehatra
[hery]
:(fohehatra) mt. s.: Idiran-doza, mahita angano: Nifohehatra ny zanako tamin'ny nataonao, Ahitsio
Mifohafoha
[hery]
:(fohafoha) mt. s.: Misehoseho, mitsangantsangana (fiteny indrindra amin' ny volo): Nifohafoha volo ilay uoronkely van navelan' ny ankizy. 1 p.t.: Enti-milaza tany mando efa maimaina mbola tsy mafy. * Ohab.: Vorona azon'adala: na tsy maty axa, mifohafoha volo: zavatra mby an-tanan'ny olona tsy misy fisainana: raha tsy simba tanteraka, manahirana vao azo ampiasaina. Ahitsio
Mifoha
[hery]
:(foha) mt. s. (mifohaza): Taitra amin'ny torimaso: Manao famantaran'ny hazofijaliana izy raha vao mifoha. 1 Mitsangana avy eo am-patoriana, miarina: A-min'ny dimy izy dia efa mifoha ary manokona ody ambauafo kely. - Mifohafoha volo: enti-milaza ny vorona mitsangantsangam-bolo noho ny fampijaliana natao taminy (izany hoe olona nampijalina ka lifta miferinaina). / Mifoha olo-mazoto: fotoana vao maraim-be: Mifoha olo-mazoto izy no niainga. Ahitsio
Mifofotra
[hery]
:na Mamofotra (fofotra) mt. s. (mifofora, mamofora): Mampandeha ny tafc forana: Tsemboka ery Rakoto rehefa mifofotra. 1 Mana-fana: Izy no nifofotra tamin' ny lanonan'ny fokontany. / Mikezaka, mikely aina, mi-maso, milozoka: Mifofotra amin'ny fanoratana boky izy. ? F.-p.: Sady mifofotra no mively vy: manao ny asa rehetra tsy misy mpanampy. Ahitsio
Mifofoka
[hery]
:(fofoka) mt. s,: Mianjera, mivarina, miantonta: Nifofoka tao anaty rano ilay zazalahy. Ahitsio
Mifofofofo
[hery]
:(fofofofo) mt. s.: Mandrivotra fatratra. 1 h.o.: Miasa, miezaka mafy. Ahitsio
Mifofo
[hery]
:(fofo) nit p. (mifofoa): Mamorom-pikasana ratsy hamono, hamely: Hatry ny ela no efa nifofo azy Ra-koto, Ahitsio
Mifody
[hery]
:(fody) mt. s. (mifodia) : Miverina amin'ny tompony voalohany, amin'ny mpivarotra nividianana azy: Ny entana lafo tsy mifody intsony ato, / Mivadika ny teny natao, mitsoa-teny, miova fiteny: Mifody lava io vavolombelona io. Ahitsio
Mifoaba
[hery]
:(foaba) mt. s. (mifoabd): Mitrerona, minaonaona foana, mikafara foana. Ahitsio
Mifizofizo
[hery]
:(fizofizo) p.t.: Lava mitezotezo. Ahitsio
Mifitsaka
[hery]
:(fitsaka) mt, s. (mifitsaha): Mihafisaka, mandry: Mifitsaka ny uolon-doha raha lena. / Mifitsaka ny katsaka azon'ny orana. 1 Mifintina: Mifitsaka ny tany tratran'ny orana. 1 Mipetraka tsy mihetsika: Mifitsaha aloha ato antrano fa mangatsiaka any iuelany. / Miery: Mifitsaka ao anatin'io lava-bato io izy. Ahitsio