Teny nampidirina farany

Tàhiny
[admin]
: p.mt.: Teny tsy fampiasa rafla tsy eo aorianan'ny hoe: "raha": Raha tahiny, ka enti-milaza fepetra na famarafarana mialoha: Raha tahiny te ho sambatra ianao, ataovy izay tsy hanenjehan' ny eritreritrao anao. ¶ M. h.: Raha toa, raha sendra — aoka tsy hampiasaina ireo fihasimban'io teny io mahazatra ny maro, dia ny hoe: raha tah?ny, raha tany. Ahitsio
Tahina
[admin]
: (tahy) mt. ih, (tahio): Ambinina, hasoavina: Hotahin'Andriamanitra anie ianareo! Ahitsio
Tahia
[admin]
: a.: Angaka kely mitovy amin'ny tsiriry ny volony (Dendrocygna major). Ahitsio
Tahy
[admin]
: a.: Fanaovana izay hahasoa; fanampiana; vonjy. - t.i.f. : Tahina, voatahy / mitahy, fitahy, mpitahy / itahiana, fitahiana / mahatahy. Ahitsio
Tahezana
[admin]
: a.: Fihasimban'ny Tehezana. Ahitsio
Tahana
[admin]
: (taha) mt. ih. (tahao): Enti-milaza ny vadibe no-mena taha: Notahan-dRakoto Rasoa dia nampakatra bodokely indray ny anao lahy. * Enti-milaza ny renirano nandatsahana vola mba ho tafita soa aman-tsara ny te-na. Ahitsio
Tahamaina
[admin]
: Jer. Tehamaina. Ahitsio
Tahalaka
[admin]
: a.: Tovon-tany mamaritra ny sisin-tanimbary, mitovy amin'ny atao hoe valamparia, fefilohan-tanimbary (amin'ny Betsileo, ny tahalaka dia entina hilazana mihitsy ny vola arakaraka ny habeny, ka ny lehibe dia a-tao hoe: tahala-dibe, ny antonontonony tahalaka, ary ny kely kipala). Ahitsio
Tahàka ny
[admin]
: ppk.: Enti-milaza fitoviana ara-pampitahana an-tsary na an'ohatra: Tahàka ny dian-tongotra hauia ny sarin ' i Madagasikara. - F.-p.: Raha tahàka ahy: raha araks ny hevitro. ¶ M. h. : Ohàtra, mitovy ; -jereo koa ireo mitovitovy hevitra aminy fotsiny: sahala, toy, toa. Ahitsio
Tahaka
[admin]
: p. t.: Misy fitoviana: Taha-dray lahy ity zaza ity! * t.i.f.: Tahafina, voatahaka, tinahaka / manahaka, fanahaka, mpanahaka / anahafana, fanahafana / mifanahaka / mahatahaka / tahàka. Ahitsio
Tahafina
[admin]
: (tahaka) mt. ih. (tahafo): Enti-milaza ny olona izay itovizana, ka ny fitovitovizana amin'ny endrika sy ny toetra indrindra no lazaina amin'izany: I Raibeny no tahafin'ity zaza ity. Ahitsio
Taha
[admin]
: a.: Karazan-tsazy atao onitry ny zavatra tsy ara-dalàna natao tamin'olona. ? Vola na zavatra nomen'ny lehilahy ny vadiny voalohany raha manaiky ny hirafy amin'ny vehivavy hafa io vehivavy io. ? Onitra nomen' ny mpiampanga ilay olona narnpangaina raha ohatra ka voamarin'ny fampinomana fa tsy manan-tsiny ilay io. ? Fampitoviana olona na zavatra maro rnba hahafantarana izay tsars na lehibe na ambony kokoa. ? Vola alatsaka ao anaty renirano hitana mba ho tafita soa aman-tsara ireo mita. * t.i.f.: Tahana, ataha, voataha, tinaha / manaha, fana-ha, mpanaha / anahana, fanahana / mitaha, fitaha, mpitaha / itahana, fitahana / ampitahaina / mampitaha, farnpitaha, mpampitaha / ampitahana, fampitahana / mahataha. Ahitsio
Tafotsiny
[admin]
: Jer. Tapotsiny. Ahitsio
Tafotafo
[admin]
: p. t.: Feno avo loha, mihoatra ny vava farnarana (tsy fampiasa raha tsy miaraka amin'ny teny hoe: feno): Feno tafotafo. * t.i.f.: Mitafotafo, fitafotafo. Ahitsio
Tafontrano
[admin]
: a.: Sarona ambony amin'ny trano mipetaka amin'ny vovonana sy ny lohatrano ary ny haratra sy-ny varivariny. - F.-p.: Tafontrano-mpanjaha: fahizay, mpanompo nalefa ho olom-potsy tsy ho andevo intsony. Ahitsio
Tafondro
[admin]
: a.: Fiadiana lehibe fan defasam-baomba entina miady any an-tafika, izay matetika entina kodiarana. - F.-p.: Tafondro faham-bava: tafondro mifahana avy eny am-bavany. / Tafondro faham-body: tafondro izay any amin'ny vodiny no atsofoka ny baombany. / Tafondro manodidina: poa-tafon dro indroa ambin'ny folo izay natao taloha rehefa misy firavoravoan-dehibe na fandraisam-bahiny manankaja ambony. / Tafondro mandeha: tafondro misy kodiarana azo entina mifindrafindra. / Tafondro maro vaua: tafondro mahavoaka ba-,la maromaro sy ankisesy ao anatin'ny fotoana fohy. / Tafondro miandry tsena: entimilaza ireo saonjo milahadahatra toa tafondro eny antsena. Ahitsio
Tafolorana
[admin]
: a.: Hazo lava misy tadivavarana haningorana vorona. Ahitsio
Tafolo
[admin]
: a.: Enti-milaza ny isa mandeha tsifolofolo ny venty sy ny jotso na songatombo aminy. Ahitsio
Tafofotra
[admin]
: a.: Fifofofofon'ny rivotra mitsoka mafy. ? h.o.: Firimorimoana mafy. - t.i.f : Tafofôrina / mitafofotra, fitafofotra, mpitafofotra / itafoforana, fitafoforana / mahatafofotra. Ahitsio
Tafoforina
[admin]
: (tafofotra) mt. ih. (tafofory): Itsofan'ny rivotra mafy. Ahitsio