Teny nampidirina farany

Tafintohina
[admin]
: p. t.: Voapoka na Tafo a.: Saron'ny zavatra amvoadona amin-javatra eny am-pandehanana ny tongotra: Tafintohina izy no nampianjera azy. ? h.o.: Tezitra na sorena amin'ny fahitana ny ratsy ataon'ny hafa, amin'ny fiteny na toetra tsy mendrika asehon'ny hafa: Tafintohina aho nahita ilay Rangahy namono uady teo ampouoan'ny arabe. - t.i.f.: Tafintohinina, voatafintohina / manafintohina, fanafintohina, mpanafintohina / anafintohinana, fanafintohinana / mahatafintohina / hatafintohinana, f ahatafintohinana. — Tai Ahitsio
Tafoforana
[admin]
: a.: Fitaovan'ny mpanefy itsofany ny afo. Ahitsio
Tafofoka
[admin]
: Mitovy amin'ny Safofoka. Ahitsio
Tafoana
[admin]
: (tafo) mt. ih. (tafoy): Asiana tafo: Tafoana ny trano rehefa uoapetaka ny ?ohatrano sy ny uarivariny. Ahitsio
Tafoaka
[admin]
: ft.: Ilazana ny mihoatra, ny mitafotafo. - t.i.f.: Tafafoaka / manatafoaka, fanatafoaka, mpanatafoaka / anatafoahana, fanatafoahana / mitafoaka, fitafoaka, mpitafoaka / itafoahana, fitafoahana. Ahitsio
Tafitafy
[admin]
: p. t.: (Varavarana) Mivoha sasaka, sady tsy mikatona tsara no tsy midanadana tanteraka. - t.i.f.: Atafitafy, voatafitafy, tafatafitafy / manafitafy, fanafitafy, mpanafitafy/ anafitafiana, fanafitafiana / mitafitafy, fitafitafy, mpitafitafy / mahatafitafy. bony indrindra: Vao nolokoana ny tafon'ity sarety ity. ? Zavatra entina mandrakotra, manarona ny trano, talla: O-hatrinona ny aria() amin'itony tafo itony? (rehefa mipetaka amin'ny trano izy no a-tao hoe tafontrano). ? Ny fitambaran'ny sarona na rakotry ny trano: Izao tsy mbola misy orana izao no fotoana tsara fanamboarana ny ta-fo (eto izy dia azo soloana hoe: tafontrano). - t.i.f.: Tafoana, atafo, voatafo / manafo, fanafo, mpanafo / anafoana, fanafoana / mitafo / itafoana, fitafoana / mahatafo. - F.-p.: Tafo be: fitambaran' ny ilan'ny tafo anankiroa. / Tafo bondrona: bozaka na herana alaina amin'ny trano efa raya. / Tafo lanitra: enti-milaza irony tafo efa simba izaitsizy ka tazana avy ao anaty trano ny lanitra. / Tafonanahary: ny lanitra, ny habakabaka. Karazan-tafo: tafo bozaka, tafo hazo, tafo fanitso, tafo kapila na tafo tanimanga. / Tafon-tranon' andriana: 1) ny trano rehetra, satria noheverina fa ny andriamanjaka no tompony voalohany; 2) ny trano ipetrahan'ny andriamanjaka; 3) enti-milaza ny olona nafahana tamin'ny fanandevozana na olom-potsy, satria ny mpanjaka ihany no noheverina ho tompony. / Nalefa ho tafon-tranon'andriana: enti-milaza ny mpanompo novotsorana tsy ho andevon' olona intsony. * Ohab.: Raha hangataka, mivelatra ohatra ny tafontrano; raha hangatahina, mihorona ohatra ny tapenaka: entiamilaza ny olona tia tena: rehefa hangataka aminao izy, miseho ho toy ny olona tsara, malala-tanana; rehefa hangatahanao zavatra kosa izy, tsy hahitanao mangirana. Ahitsio
Tafita
[admin]
: (ita) mt. ih.: Tonga ery an-dafin-drano, ery an-dafinkady., ? h.o.: Tody amin'izay riokendrena: Azo lazaina fa tafita daholo ny zanak ao. * Ohab.: Tafita uao rendrika: tapak'ohabolana io: Bo-ka milomano: tafita uao rendrika: enti-milaza olona izay nikezaka sy nifofotra mafy mba hahavita zavatra, nefa efa akaikin'ny ho tonga amin'izay nokendrena vao tsy mahomby (na marary na maty na voan'ny sampona tsy azo anoarana). / Tafita a?oha, alalan'ny aoriana: raha tafita aloha ny tena, narovan'ny avy aoriana no nahavitana izany. Ahitsio
Tafiotra
[admin]
: a.: Rivotra mahery. Ahitsio
Tafioka
[admin]
: a.: Ny feon'ny rivotra mizozozozo rehefa mifampikasoka amin'ny ravinkazo na ny elakelaky ny hazo maniry na amin'ny hiriky ny varavarana. Ahitsio
Tafintohinina
[admin]
: (tafintohina) mt ih. (tafintohino): Entimilaza ny zavatra nidonan' ny tongotra, ny olona natao izay hahatezitra na hahasorena azy tamin'ny fiteny na toetra tsy mendrika naseho azy: Notafintohininao ny zanakao tamin'ny nanaouanao io asa io. Ahitsio
Tafina
[admin]
: (tafy) mt. ih. (tafio): Enti-milaza ny lamba izay entina na irakofana: Lamba mafana no tokony hotafina rehefa ririnina. (Aoka tsy hafangaro amin'ny tafia-na). Ahitsio
Tafika
[admin]
: a.: Fitambaran'ny miaramila enti-miady, miaramila amim-piadiana: Nandroso hamely ny fahaualo ny tafika. ? Fitambaran'ny miaramila mampiasa fiadiana sy fomba fiady iray: Ny tafika an-tanety, ny tafika an-dranomasina. ? Fitambaran'ny miaramila eo ambany fanevam-pirenena, foloalindahy: Izy no jeneraly mifehy ny tafika. ? h.o.: Enti-milaza fahamaroan'isa, fahabetsahana: Betsaka ue ny olona niakatra taty an-tanna nijery fety? Tafika iray manontolo ka ianao angaha maninona! * tif:: Tafihina, voatafika, tinafika / manafika, fanafika, mpanafika / téfitafika / miantafika, fiantafika, mpiantafika / iantafihana, fiantafihana. Ahitsio
Tafihina
[admin]
: (tafika) m. ih. (tafiho): Enti-milaza fahavalo izay hatonina hasiana any aminy, tanàna izay ibosesehana halaina: Notafihin'ny A-lemaina i Frantsa tamin'ny 1945. / Notafihin'ny fahaualo ny tanànanay. Ahitsio
Tafiditra
[admin]
: (iditra) mt. ih. (t.t. m.): Mamo: Tafiditra Rangahy iny izany ka miuembena izaitsizy. Ahitsio
Tafiana
[admin]
: (tafy) mt. pdr. na ih. (tafio): Enti-milaza ny olona izay ampanaovina na rakofana lamba: Tafiana lamba ma-fana ny zaza uao teraka fa toerana materna no aao agita, nialany tao an-kibon-dreniny. ? h.o.: Karakaraina, o-mena akanjo: Notafian-dRamatoa io hatrizay ela izay ireo mahantra ireo. Ahitsio
Tafy
[admin]
: a.: Fandrakofan-damba na akanjo ny tena. * t. i.'f.: Tafina, tafiana, atafy, voatafy, tinafy / manafy, fanafy, mpanafy / anafiana, fanafiana / mitafy, fitafy, mpitafy / itafiana, fitafiana / mahatafy. Ahitsio
Tafy
[admin]
: p. t. : Tsy mitovy ny ilany roa fa samy hafa; enti-milaza zavatra roa ka ny ankilany kely, na tailana, na misondrotra avo kokoa noho ny andaniny: Tafy ila ny tafon-tranon-dry zareo er9 ambony andrefana. * F.-p.: Tafy loha: ilazana zavatra izay ny tendrony ilany avo ary ny ilany iva. / Tafy rariny: tsy mitovy fitondra fa ny sasany omena tombon-tsoa, ny sasany kosa iangarana. / Axa tafy rariny: firariana fanaon'ny taloha: Enga anie ka ho tojo ny sahaza sy mendrika anao ianao. / Tafy soratra: misy pentina tsy mitovy fipetraka, toy ny omby izay misoratra lehibe amin'ny ilany havanana ary kely kosa amin'ny ilany havia. Ahitsio
Tafasirina
[admin]
: (tafasiry) mt. ih. (tafasirio): Enti-milaza ny zavatra izay resahina: Mba zavatra mahafinaritra sy tsara tafasirina, rankizy a! Ahitsio
Tafasiry
[admin]
: a.: Resaka mahasoa; dinidinika; tapatapakahitra. • t.i.f.: Tafasirina, voatafasiry / mitafasiry, fitafasiry, mpitafasiry / itafasir?ana, fitafasiriana / mahatafasiry / tafasirisiry. * F.-p.: Tafasiry aman-javona: resaka amin'olo-mpamitaka, mpandainga. Ahitsio
Tafarongirongy
[admin]
: mt.: Nanao ditra, nikiribiby. Ahitsio