Teny nampidirina farany

Tabaka
[admin]
: a.: Tehina be, langilangy na kibay. ¶ M. h, : Jar. Tehina. Ahitsio
Tabaka
[admin]
: a.: Fahabetsahana azo anaranam-po. - t.i.f.: Atabaka, tafatabaka / mitabaka, fitabaka. Ahitsio
Tabaka
[admin]
: a.: Enti-milaza fidiran' olona na biby na zavatra indray miaraka betsaka. - t.i.f.: Atabaka, tafatabaka / mitabaka, fitabaka. Ahitsio
Tabaina
[admin]
: (taba) mt ih. (tabao): Akorontana: Notabain'i Fara kely ny bokiko rehetra teo ambony latabatra. ? Lotoina amin'ny fitsabahana amin'ny tanana: Aza tabainareo ny rano ao am-pantsakana. ? Hanina amim-piosanosanana: Mahasosotra ny mijery ireto ankizy ireto fa tabainy ny fihinana vary. ? Tairina, tsy avala hipetrapetraka fa horakorahina: Notabain-dry zalahy ny vorona ka lasa. Ahitsio
Taba
[admin]
: a.: Korontana, fitsako sy fambosibosika eo am-pihinanana. - t.i.f.: Tabaina, voataba / mitaba, fitaba, mpitaba / itabana, fitabana / mahataba /, tabataba. Ahitsio
Ta
[admin]
: na Te: Fanafohezana ny "Tia", izay apetraka eo alohan'ny mt. milaza faniriana hanao ilay asa lazain'ny mt., ka ny Ta no ampiasaina raha manomboka amin'ny Ha ny milaza ny ho avin'ilay mt. ary ny Te raha manomboka amin'ny Hi na Ho: Ta hatory, Te hisotro, Te hody. Ahitsio
Ta-
[admin]
: Tovona mahaforona teny vaovao rehefa atambatra amin'ny fototeny voalohany na faharoa sasany, ka manamafy ny hevitr'ilay teny voalohany, na manome endrika toa benahaona azy: Boretaka manjary taboretaka, bonaka tonga tabonaka. Ahitsio
Ta
[admin]
: a.: Fanahafana feon-javatra toy ny an'ny tantanana mipaika amin'ny hazo, basy mitefoka, sns... Ahitsio
Ta
[admin]
: a.: Ny feo heno avy amin' ny fidonan'ny fively na ny zavatra roa mifampipoka, na teny enti-milaza ny fipiakan' ny hazo tapaka ka mamoaka feo mirefotra eo am-pianjerana. Ahitsio
T-
[admin]
: Tovona fametraka eo alohan'ny teny sasantsasany (mpamaritra matoanteny na teny mpampiankin-teny milaza fotoana na toerana) ka mahatonga azy ireo hanambara ny efa lasa: aloha - ta-loba; aiza - taiza; eto - teto; amin'ny - tamin'ny. Ahitsio
T
[admin]
: a.: Tarehintsoratra fahavalo ambin'ny folo ary renisoratra fahefatra ambin'ny folo amin'ny abidy malagasy. A-m?n'ny fitovonana man- mba hanaovana matoanteny, ny t manomboka fototeny dia latsaka fotsiny amin'izao: Man-taitra >manaitra. Ahitsio
Sponjy
[admin]
: (angl. sponge) a.; Tranom-bibin-dranomasina, izay malemy ary mora vonton-drano ka ampiasaina ho famaohana zavatra sasana. ? Anarana ilazana karaza-mofo vlta amin'ny lafarinina malemilemy mora mibontsin-drano. Ahitsio
Spiroketa
[admin]
: (fr. spiroquette) a.: Mikraoby miditra amin'ny antokon'ny bakteria, mana-na endrika miolakolaka amin'ny fahitana azy amin' ny mikraoskopy, fototry ny aretina maro toy ny farasisa. Ahitsio
Spaoro
[admin]
: (fr. sport) a.: Anarana iantsoana ireo fanatanjahan-tena isan-karazany orne-na endrika lalao, lalao samy maka ho azy na mifanao andaniny, ka manaraka fitsipika efa raikitra. Ahitsio
Sovoka
[admin]
: a.: Fanatonan'ny fahavalo amim-pahanginana sy tsy ampoizina mba hamely tampoka; fanakekezana antsokosoko hahazoana mitroatra amin'ny fanafihana atao: Souok'ady. * t.i.f.: Sovohina, asovoka, voasovoka, sinovoka, tafasovoka / misovoka, fisovoka, mpisovoka / isovohana, fisovohana / mahasovoka. * F.-p.: Souok'ady: ady tsy nampoizina, namelezana tampoka. / Souoka alina: famelezan'ny fahavalo amin' ny alina; ilazana koa ny fiavian'ny orana amin'ny alina. Ahitsio
Sovoka
[admin]
: a.: Aretin'ny vehivavy mifana, azo avy amin'ny hatsiaka. Ahitsio
Sovòka
[admin]
: a. (t.t.m.): Vehivavy janga, ratsy fitondran-tena. Ahitsio
Sovohina
[admin]
: (souoka) mt. ih. (souohy): Tampohina: Sovohin' ny fahafatesana Raolombelona. ? Akekezina an-tsokosoko, asiana mangingina: Nosouohin'ny hatsiaka ny marary halina. Ahitsio
Sovilaka
[admin]
: p. t.: Tsy mahitsy fa misompirana. (Jer. Sabilaka, sobilaka, savilaka) Ahitsio
Sôva
[admin]
: (Tsm) a.: Karazan-tononkalo tsimihety mitsikera toe-javatra iray na mitantara toe-javatra iray (oh. sôva momba ny nahazoan'ny Vazaha ny tany) amin'ny teny mirindra matetika miady ri-ma. Ahitsio