Teny nampidirina farany

Sosoa
[admin]
: a.: Vary andrahoina malemy misy ranony. Ahitsio
Sosialisma
[admin]
: (fr. socialisme) a.: Fomba fitantanan-karena mikendry ny tombontsoan'ny vahoaka amin'ny alalan'ny fitovizam-pamokarana iombonana, ny fanaovana ho harem-pirenena ny orinasa lehibe ary ny kaoperativa. Ahitsio
Sosy
[admin]
: p. t.: Sompatra, mitady izay hanimbana ny sasany: Ravao iny koa sosy mahasoso tra. - t.i.f. : Misosy. Ahitsio
Sosety
[admin]
: (fr. chouchoute) a.: Zavamaniry mandadina ary fihinana ny voany rehefa andrahoina. Ahitsio
Sosana
[admin]
: (sosa) mt. pdr. (sosay na sosao): Enti-milaza olona izay andefasana (lakana) mikorisa milamina mankeny aminy: Sosay lakana aho, rey olona er? andafin-drano. Ahitsio
Sosaity
[admin]
: (angl. society) a.: Fikambanan'olona vitsivitsy na maromaro fehezina lalàna iray. Ahitsio
Sosa
[admin]
: a.: Fikorisana amin-javatra malama; fizorana tsy miato; fandehanana milamina tsy misy misakantsakana na manelingelina; fikorianan'ny rano sy fisononokan'ny lakana na sambo. - t.i.f.: Sosana, asosa, voasosa, sinosa, tafasosa / manasosa, fanasosa, mpanasosa / anasosana, fanasosana / misosa, fisosa, mpisosa / isosana, fisosana / mahasosa / sosasosa. Ahitsio
Sosa
[admin]
: a.: Zavamaniry mandady fihinam-body, karazan'oviala. Ahitsio
Sorotankazo
[admin]
: a.: Hazomaniry maty ny ilany, izay nampiasaina ho fanalana faditra taloha: Nataoko ho hazomanga hialofana lahy, hay sorotankazo tsy mahaleo otina, — ka vao donin-dambo dia hentitra. (Tselatra) Ahitsio
Sorotà
[admin]
: a.: Laharan-tsikidy fahatelo ambin'ny folo (mpitsara). Ahitsio
Soropiana
[admin]
: (t. tr.) p.t.: Atao teli-moka. Ahitsio
Soronina
[admin]
: (sorona) mt. ih. (sorony): (afo) Karakaraina amin'ny fandrosoana ny kitay ao am-patana: Sorony ny afo, ry Bozy, fa aza varia-na mamaky tantara an-tsary eo! Ahitsio
Sorony
[admin]
: a.: Ny antsasak'ilan' ny omby eo aloha. Ahitsio
Sorona
[admin]
: a.: Tsy filazana amin' ny olona izay zavatra hita fa tsy mety ataony, na mikasika azy na mikasika ny havany. * t.i.f.: Misorona, fisorona, mpisorona / isoronana, fisoronana. ? F.-p.: Tsy misorona: tsy manoro vohony, tsy mandainga fa milaza ny marina, omban'ny hevitra hanasoa; manambara ny marina sy ny mahasoa mba tsy hahavoafitaira; tsy manafina ny tena toe-javatra mety hahatonga fahavoazana. Ahitsio
Sorona
[admin]
: a.: Fikarakarana ny firehetan'ny afo amin'ny fandrosoana ny kitay ao ampatana. - t.i.f.: Soronina, asorona, voasorona / misorona, fisorona, mpisorona / isoronana, fisoronana / mahasorona. Ahitsio
Sorona
[admin]
: a.: Zavatra na biby atolotry ny mpivavaka ho fanatitra solon'ny tenany a-min' Andriamanitra: Manolotra sorona. é tif,: Misorona, fisorona, mpisorona / isoronana, fisoronana / mahasorona. Ahitsio
Soroma
[admin]
: a.: Ilazan'ny mpifoka rongony ny ravin-drongony fohiny. Ahitsio
Soroka
[admin]
: a.: Fanalana ny tany na ahitra amin'ny angady, izay asosa hisafosafo ny tany ny vohony: Soroka ahitra. ? Fialana amin'ny famelezana, toy ny tora-bato, kapoka, totohondry: Soro-baton'ilay jamba: voa ciao mihilana '(o-hab. ). * t.i.f. : Sorohina, asoroka, voasoroka, sinoroka / misoroka, fisoroka, mpisoroka / isorohana, fisorohana / mahasoroka / sorotsoroka. Ahitsio
Soroka
[admin]
: (Btm) a.: Sotro ravina. Ahitsio
Soroka
[admin]
: a.: Fitambaran'ny taolana roa — rangomaina sy taolam-panavy — izay mampifandray ny sandry amin'ny tenabe. - t.i.f.: Antsorohina/manantsoroka, fanantsoroka, mpanantsoroka / anantsorohana, fanantsorohana / miantsoroka, fiantsoroka, mpiantsoroka / iantsorohana, fiantsoroh ana. Ahitsio