Teny nampidirina farany

Sorohina
[admin]
: (soroka) mt, ih. (sorohy): (tany na ahitra) Alana amin'ny angady, izay asosa fotsiny hisafosafo ny tany ny vohony: Sorohy kely ireto ahitra ireto fa mandoto tokotany. ? Ialana mialoha: Tokony hosorohina ny loza amin'ny fitandremana fatratra. Ahitsio
Sorodany
[admin]
: a.: Miaramila. Ahitsio
Soroboae
[admin]
: (Ski) a.: Karazan' antsantsa maranitra orona. Ahitsio
Soritra
[admin]
: a.: Tsipika natao fetra na fanavahana zavatra. - t.i.f• : Soritana, asoritra, voasoritra, sinoritra / manoritra, fanoritra, mpanoritra f anoritana, fanoritana I misoritra, fisoritra, mpisoritra I isoritana, fisoritana / mahasoritra / soritsorltra. - F.-p.: Sori-bilana: soritra manavaka na manasaraka ny volo, tsy eo afovoany fa amin'ny ilany havia na hava-nana (ny soritra eo afovoany kosa dia atao hoe vaky tampona). / Sori-bolo: ny soritra manasaraka ny randrana atao amin'ny volo. / Sori-dohany: enti-milaza ny anjara lovan' ny tsirairay. / Soritr'asa: lavaka mitandavana atao amin' ny angady tsotra na amin'ny angadinomby amin'ny tany volena. Ahitsio
Sory
[admin]
: sy Sorisory a.: Zavatra manelingelina ny saina ka mahatonga ny tena ho madisadisa: Miteraka sorisory ny adiady amin'ny tany amamonina. • Sorena, sorisorena, voasorisory / manorisory, fanorisory, mpanorisory / anorisorena, fanorisorena / fahasorisorena. Ahitsio
Soritana
[admin]
: (soritra) mt. ih. (sortto): Asiana tsipika mampisaraka: Sorito ny voloko. ? Marihina: Sorito izay anao amin'ireo zavatra ireo. ? h. o.: Tsara hosoritana fa tsy miantoka ny very izahay. Ahitsio
Sorisory
[admin]
: a.: Fahadisadisana avy amin'ny tsy fananan-javatra hatao, na fahasosotsosorana. Ahitsio
Sorisorena
[admin]
: p. t.: Madisadisa, sosotsosotra: Sorisorena be ihany aho ka andeha hivoaka kely aloha. ? Malonilony fa misy tsy mahafaly: Sorisorena izy tamin'ny bedibedy nataonao. Ahitsio
Sorindrana
[admin]
: a.: Karazan-kazo mitovitovy amin'ny bosoa (liège) ka azo anaovana tsentsin-tavoahangy koa, saingy tsy mba ny hodiny no alaina amin'izany, fa ny tenany mihitsy izay maivana sy malemilemy; ny sorindrana no nitaina raha nahandro ny sakafon'ny mpanjaka tamin' ny Fandroana. Ahitsio
Soriba
[admin]
: ( t. tr.) a.: Fantara. Ahitsio
Soretra
[admin]
: Soredretra p. t.: Ketraketraka, kivikivy, malahelo. * t.i.f.: Misoretra, fisoretra. Ahitsio
Sorera
[admin]
: na Sorery p. t.: Osa sy marezodrezoka, mitavozavoza. - t.i.f. : Misorery / sorerirery. - F.-p.: Mandavo sorery: mody manao mba hanatanterahana izay hevitry ny te-na ;mamono botretra. Ahitsio
Sorena
[admin]
: (sory) p. t.: Azon'alahelohelo miaraka amin'ny fahadisadisana: Sorena foana izy hatramin'ny nahalasanan'ny zokiny. Ahitsio
Soratra Masina
[admin]
: a.: Tenin'Andriamanitra voasoratra, izany hoe olona ihany no nanoratra azy fa Andriamanitra no nanoro sy nampanoratra. Ahitsio
Soratra
[admin]
: a.: Marimarika isan-karazany azo vakina: Saro-bakina ny soratr'ity zaza ity. ? Filazana an-tsoratra: Misy soratra milaza hoe tsy azo aleha ao. - t.i.f.: Soratana, asoratra, voasoratra, sinoratra / manoratra, fanoratra, mpanoratra / anoratana, fanoratana / misoratra, fisoratra, mpisoratra / isoratana, fisoratana / mahasoratra / soratsoratra. - F.-p.: Ampy misoratra: ilazana ny zaza antonona amin'ny taona hanao ny dihy soratra amin'ny fotoanan'ny famorana. / Sorabola: ny sary amin'ny vola vy. / Sora-boninahitra: ny galonan'ny miaramila; laharam-boninahitra. / Sora-panorona: ny tsipika mifanapatapaka amin'ny lalao fanorona. / Sora-kena: ny faritra samihafa amin'ny hena tokony ho an'ny tsirairay arakaraka ny laharam-boninahiny. / Sora-pihavanana: ny kototanim-pihavanana, na ny fifamatorana maha-mpihavana eo amin'ny fianakaviana. /Sora-tanana:soratra nataon' ny tanana. / Sora-panambadiana na soratra fotsiny: ny fanoratana ny fanambadiana eo anoloan'ny solontenampanjakana. / Sora-tononina: teny tononin'ny hafa ka soratan'ny hafa. / Soratrandra na sorapohy: (jer. io teny io). / Soratr'aretina: ny toetra mampiavaka aretina iray amin'ny hafa. Ahitsio
Soratra
[admin]
: a.: Dihy miara-be fanao taloha raha misy hasoavana malaza. Ahitsio
Soratononina
[admin]
: a.: Fanazarana na fampiasana any an-tsekoly, hianarana ny fanoratana ny teny araka ny fanao na ny fitsipi-panoratana. Ahitsio
Soratana
[admin]
: (soratra) m. t. ih. (soraty): Atao an-tsoratra: Soraty izao hafatro izao. / Soratany isan'andro ny laniny. ? Ampandrenesina amin'ny taratasy: Hosoratako aminy io uaouao io. ? Foronina: Tamin'ny taona inona no nosoratan-dRabearivelo ny tononkalo hoe "Fasana faharoa?" Ahitsio
Sorara
[admin]
: Jar. Forara. Ahitsio
Sorapotsy
[admin]
: (Atm) a.: Fomba fanasitranana voalaza ao anatin'ny Sorabe momba ny karazan'aretina samihafa sy ny toe-java-tsarotra eo amin'ny fiainana ilana ny asan'ny hery tsy hita. Ahitsio