Teny nampidirina farany

Sonasona
[admin]
: a.: Toetran'ny vavorona misokasoka toy ny an' ny soavaly mihazakazaka, na ny an'ny olona maka fofon' aina mafy. - t.i.f• : Asonasona, tafasonasona / misonasona, fisonasona. Ahitsio
Sonanina
[admin]
: a.: Fipetraka mihaminkamina, ka ny loha somary miandranandrana kely. i t. f.: Asonanina, tafasonanina 1 misonanina, fisonanina, mpisonanina 1 fsonaninana, fisonaninana 1 mahasonanina J sonaninanina. Ahitsio
Sonanaka
[admin]
: a.: Fipetraka misonanina tsara. - t.i.f.: Asonanaka, tafasonanaka 1 misonanaka, fisonanaka / isonanahana, fisonanahana. Ahitsio
Sonàka
[admin]
: a.: Fiesonana mafy misanasana vava. - t.i.f.: Tafasonaka 1 misonaka, fisonaka, mpisonaka. Ahitsio
Sonaina
[admin]
: p.t.: Enti-milaza zavatra bataina na aingaina amin'ny tanana roa, izay ahodidina azy. Ahitsio
Sompitra
[admin]
: a.: Tsihy nozairina ho toy ny sobiky makadiry mba hitehirizana ny vary akotry. * Ohab,: Mangetaheta ambony lakana, noana am body sompitra: enti-milaza olona mitaraina tsy fisiana nefa eo afovoan'ny fananam-be, na koa olona tsy mahay manararaotra ny soa betsaka eo anoloany na efa ilomanosany. Ahitsio
Sompiranina
[admin]
: (sompirana) mt. ih. (sompirano): Tapahina na atao mivilana: Aza sompiraninao ny resakay. ~ Avilana: Nosompiraniny ny fijeriny. ? Asiana amin'ny fombamiolaka: Nosompiraniny tamin'ny baolina aho. Ahitsio
Sompirana
[admin]
: p. t.: Mivilana fa tsy mahitsy, mivily amin'ny tsy izy: Jery misompirana. - t.i.f.: Sompiranina, asompixana, voasompirana, tafasompirana 1 manompirana, fanompirana, mpanompirana / anompiranana, fanompiranana / manasompirana, fanasompirana, mpanasompirana / anasompiranana, fanasompiranana / misompirana, fisompkana, mpisompirana / isompiranana, fisompiranana / mahasompirana / sompirampirana. Ahitsio
Sompatra
[admin]
: p.t.: Ratsy fanahy, faly ny manao izay hahavoa ny sasany, hanimba ny zavatry ny sasany; mihetraketraka: Sompatra koa itony andro: fety sy lanonana vao avy ny orana! - t.i.f.: Somparana, sinompatra 1 misompatra, fisompatra, mpisompatra / isomparana, fisomparana J mahasompatra 1 sompatsompatra. ¶ M.h,: Sosy, sosisosy, sopisopy, manao hasomparana, manao ankasomparana, manao ankaso, manao ady fiady, misotasota, manao somonga ratsy, mihetraketraka, misetrasetra. Ahitsio
Somparana
[admin]
: (sompatra) mt. ih, (somary): Hetraketrahina, simbana: Aza somparana ity kilalaon-janako. Ahitsio
Sompanga
[admin]
: a: Karazam-balala Inhibe sady matanjaka, fahita amin'ny tany mafana la-va bozaka. (Valala vavy lehibe toy ny adrisa ny sompanga ka noheverin'ny ntaolo ho tsara sy ambony fa boy ny mpikabary raha miala tsiny: "Tsy mba ny sompanga mpiantendro vero izahay fa ny kijeja mifanafosafo amin'ny ahipalana"). Ahitsio
Somotraviavy
[admin]
: a.: Sisin'ny morontongotr'akanjo; sisindamba, verin-drambo. 1 Vehivavy misy somotra. Ahitsio
Somotra
[admin]
: a.: Volo maniry eo amin'ny saoka: Lehilahy la-va somotra - t.i.f.: Somorina. Ahitsio
Somotaka
[admin]
: p. t.: Mifotafota eo am-pihinanana; sahirana aoka izany amin'ny asa atao: Somotaka er? Rakoto amin' ny fikarakarana ny fanambadian-janany. - t.i.f.: Misomotaka. Ahitsio
Somorina
[admin]
: (somotra) Misy somotra, be somotra. Ahitsio
Somoratra
[admin]
: sy Somoratsoratra p. t, : Misy loto na pentina. i t.i.f : Misomoratsoratra, fisomoratsoratra. Ahitsio
Somonibory
[admin]
: (fit.-p.) a.: Lasiroa. Ahitsio
Somony
[admin]
: a.: Zaza mbola minono kamboty reny. Ahitsio
Somonga
[admin]
: a.: Teny atao hihomehezana; vazivazy, vosobosotra. Ahitsio
Somondry
[admin]
: p. t.: Fohy rantsana. Ahitsio