Somalantsiatra [admin] | : | p.t.: Mitriatriatra mora vaky. 6 t.i.f.: Misomalantsiatra. Ahitsio |
Somaka [admin] | : | Saomaka a.: Ny saoka: Ny volon-tsaomaka no a-tao hoe somotra. Ahitsio |
Somàka [admin] | : | p.t.: Misompirana sy mivilambilana, ka tsy mahitsy. I t. if.: Misomaka, fisomaka I somamaka. Ahitsio |
Somaingisaingy [admin] | : | p.t.: Menamenatra, matahotahotra; sanganehana tsy mahita izay ha-tao: Somaingisaingy teo Ibo-lita nahita ny namany rehetra afaka tamin'ny fanadinana. ¶ M.h.: Hangihangy, haingihaingy. Ahitsio |
Somafosafo [admin] | : | Jer. Somavosavo. Ahitsio |
Somafatra [admin] | : | p. t.: Fano hatramin'ny molotry ny famarana, feno tanteraka, feno hfmpona;mitovy tantana. ¶ M.h.: Jer. Fano. Ahitsio |
Somadodoka [admin] | : | p. t.: Maika aoka izany, avy hatrany dia lasa amin-kafaliana noho ny fahamaimaizana. - t.i.f.: Misomadodoka, fisomadodoka ) mahasomadodoka. Ahitsio |
Solovolo [admin] | : | a: Taovolo avy amin'ny volo namboarina fa tsy tena izy. Ahitsio |
Solovaika [admin] | : | a.: Olona na zavatra asolo hafa hoenti-mamitaka. ? Olona misolo olonkafa izay tsy mety na tsy afaka hanao sonia taratasimpanekena iray. Ahitsio |
Solotika [admin] | : | p.t.: Maloto mitsaporetika (fiteny indrindra amin'ny tarehy): Solotika erj' ny endrik'ity zanakao fa mba koseho rano kely. ? Misy tsikoko misotetika miaraka amin'ny menaka. 1 t. if: Asolotika, voasolotika / manasolotika, fanasolotika, mpanasolotika / anasolotihana, fanasolotihana / misolotika, fisolotika, mpisolotika / isolotihana, fisolotihana / mahasolotika / solotidotika. Ahitsio |
Solotehina [admin] | : | (solotika) p.t.: Lotoina, fotetahana zava-maloto. Ahitsio |
Solontsolonina [admin] | : | (solontsolona) p. t.: Maloiloy ta handoa. ¶ M.h.: Jer. Misalebolebo. Ahitsio |
Solontsolona [admin] | : | na Solantsolana a.: Fisosososoana miandranandrana amin-kasahiana tsy misy tahotra. - t.i.f.; Asolontsolona, tafasolontsolona / misolontsolona, na misolantsolana, fisolontsolona, na fisolantsolana, mpisolontsolona, na mpisolantsolana / isolontsolonana, fisolontsolonana. Ahitsio |
Solontena [admin] | : | a.: Olona misolo, izany hoe manao zavatra na manatrika fivoriana amin'ny anaran'olon-kafa: Ny lehiben'ny fampianarana no solontena nalefan'ny Minisitry ny Fanabeazana tany amin'ilay lanonana. Ahitsio |
Solon-kofehy [admin] | : | a.: Anarana o-mena ny vola famangiana ny fianakaviana mana-manjo raha mby eo amin'ny famonosan-damba no tonga mamangy. Ahitsio |
Solonify [admin] | : | a.: Nify namboarina ka arafitra ho solon'ny tena nify banga na niniana nesorina mihitsy. Ahitsio |
Solompenakoho [admin] | : | a.: Fanomezana avy amin'ny ray amandreny ho an'ny zanany amin'ny Fandroana na amin' ny tonon-taona. Ahitsio |
Solombodiakoho [admin] | : | a.: Fanatitra omen'ny zanaka ny ray aman-dreny amin'ny fandroana na amin'ny tonon-taona. Ahitsio |
Solombavambahoaka [admin] | : | a.: Olona fidin'ny vahoaka hisolo azy na hitondra ny teniny ao amin'ny Antenimieram-pirenena. Ahitsio |
Solomaso [admin] | : | a.: Fitaovana misy fitaratra roa manampy ny maso mba hahita tsaratsara kokoa. Ahitsio |