Solampy [admin] | : | p.t.: Iva ila, tsy marin-tampona na mijoro fa mandry ila. - t.i.f.: Solampina, asolampy, voasolampy, manasolampy, fanasolampy, mpanasolampy 1 anasolampiana, fanasolampiana f misolampy, fisolampy, mpisolampy J isolampiana, fisolampiana f mahasolampy. Ahitsio |
Solaitrabe [admin] | : | a.: Solaitra makadiry mipetaka amin'ny rindrina anoratana mba ho hitan' ny mpianatra rehetra iray laldlasy. Ahitsio |
Solaitra [admin] | : | (angl. slate) a.: Karazam-bato voavoatra hanoratana na hatao tafontrano: Mbola manoratra amin'ny solaitra Ibalita. Ahitsio |
Solafaka [admin] | : | mt.: Mikorisa ny tongotra ka mianjera, mibolisatra, mibolasitra: Solafaka ilay akoho nandeha teo ambony sahafa. ? h.o.: Diso no-ho ny halemena na tsy fahalalana: Olombelona ihany ka solafaka. - t.i.f.: Solafahina, asolafaka, tafasolafaka, voasolafaka 1 manasolafaka, fanasolafaka, mpanasolafaka 1 anasolafahana, fanasolafahana 1 misolafaka, fisolafaka, mpisolafaka 1 isolafahana, fisolafahana / mahasolafaka 1 solafadafaka. Ahitsio |
Solafahina [admin] | : | (solafaka) mt. (solafaho): Andidiana na anombinana kely amin'ny fomba misompirana. Ahitsio |
Soladena [admin] | : | a,: Mangahazo lena solatsolarana na atao teti-pohy ny fahandro azy. Ahitsio |
Solabato [admin] | : | a.: Vatolampy izay tsy mitsatoka mahitsy ao anaty hady, fa misolampilam-PY. Ahitsio |
Sola [admin] | : | p.t.: Mangadihady, tsy misy volo: Solo sahady ny lohan'i Zoky. • Manana loha tsy misy volo: Ingahibe sola. ? Malamalama: Efa sola izany kodiaran'ny fiaranao izany. - t.i.f : Solana, asola, voasola, sinola / manasola, fanasola, mpanasola 1 anasolana, fanasolana/ misola, fisola, mpisola/isolana, fisolana 1 mahasola 1 solasola 1 fahasola 1 hasola, hasolana 1 fahasolana. Ahitsio |
Sol [admin] | : | a.: Ny feo fahadimy amin' ireo ambaratongam-peo valo amin'ny gama. Ahitsio |
Sokoroty [admin] | : | (fr. choucroute) o.: Laisoa voatetika nasian-tsira sy voatahiry. Ahitsio |
Sokona [admin] | : | na Sokina a.: Hazo fisaka fantsihana amin'ny tavan'ny tafon-trano mba hiarovana azy, hatreny amin' ny tapenaka ka hatrety ambany. Ahitsio |
Sokola [admin] | : | (fr. chocolat) a.: Zavapihinana amboarina amin'ny vovo-kakao izay totoina ka rehefa tonga fetafeta dia ampandrina amin'ny lasitra ary ampiana vovo-tsiramamy sy vanilina. Ahitsio |
Sokoina [admin] | : | (soko) mt th. (sokoy): Idirana an-tsokosoko: Nosokoin'ny fahavalo ny tanàna • Atao mangingina: Nosokoiny moramora tao ny fianarana ka azony ny voalohany. • Angalarina na simbana tsy misy mahita: Nosokoin' ny ankizy ny paison-dRabe. 1 Tratra, voa tsy nanampo, notampohina: Nosokoin'ny divay i Noe ka mamo. ¶ M. h.: Sovohana. - F.-p,: Sokoin'ny dia: maniry te hivoaka handeha la-va izao. Ahitsio |
Sokodrevo [admin] | : | (angl. screwdriver) a.: Fitaovana fanodinana fantsika misy rindrany, ka ampiasaina raha handentika na hamaha azy. Ahitsio |
Sokodoha [admin] | : | (Btl) a,: Tandrok' omby miendrika tandrok' osy. Ahitsio |
Soko [admin] | : | a.: Fakana miafina, fijokoana; fahatongavana mangingina tsy ampoizina; fandehanana tsy an-kiteniteny hitsikilo na hijery taratra. - t.i.f.: Sokoina, asoko, voasoko, sinoko / misoko, fiso- ko, mpisoko 1 isokoana, fisokoana / mahasoko / sokosoko. Ahitsio |
Sokitra [admin] | : | Asa rafitra atao amin'ny fandraka. Fanaovana sary amin'ny hazo na vato Ny lavaka eny amin' ny endrika avy amin'ny aretina nendra sitrana. • Fakana zavatra mihantona amin' ny hazo marani-doha lavalava. • Fanesorana ny kaka amin'ny nify na ny loto ao anaty sofina. i, t.i.f.: Sokirina, asokitra, voasokitra, sinokitra 1 misokitra, fisokitra, mpisokitra / isokirana, fisokirana 1 mahasokitra / sokitsokitra. Ahitsio |
Sokirina [admin] | : | (sokitra) mt. ih. (sokiro):Lavahana amin'ny fandraka: Nosokirina tamin'ny vato ny sarin'ilay nitolona ho an'ny tanindrazana. • h. o,: Alatsaka, raiketina: Tokony hosokirinao ao am-ponao izany teny izany. 1 A-laina amin'ny zavatra marani-doha: Sokiro kely ir? paiso irs' ho an-janako. ? Esorina, tsoahana: Sokiro ireto vomanga ireto. 1 Alana: Nosokiriny ny loto tao anaty sofin-janany. 1 Iangaviana fatratra: Nosokirina ers' izy vao niteny. Ahitsio |
Sokina [admin] | : | a.: Biby misy tsilotsilony mandrakotra ny lamosiny, mpihinam-bibikely (ny sokina dia anisan'ny biby voalaza ho mahasoa noho izy mihinana ireo kankana, bibikely, bibimandady fatra-panimba zavatra), halavany: 20 sm). - F.-p.: Sokina ana: olona tsotra loatra, kely saina, adaladala, foka. * Ohab.: Tapi dalan-kaleha ohatra ny soki-nanani-bato: enti-milaza olona lany tetika aman-kevitra fa efa nanao izay azony natao rehetra. Ahitsio |
Soky [admin] | : | Sokisoky p.t.: Saro-kenatra, saro-tahotra. - t.i.f : Tafasokiky 1 misokiky, fisokiky, mpisokfky / mahasokiky ) sokikikiky. Ahitsio |