Teny nampidirina farany

Sointsoina
[admin]
: p.t.: Fihatahana menamenatra sy mangaihay noho ny tena diso fanantenana na tsy noeritreretin'ny olona. - t.i.f. : Asointsoina, tafasointsoina / misofntsoina, fisointsoina, mpisointsoina / isointsoinana, fisointsoinana / mahasointsoina. Ahitsio
Soy
[admin]
: a.: Anaram-boronkely mahafinaritra misy karazany efatra: soikely, ny kely indrindra aminy; ny soimanga, ny tsara tarehy indrindra, ny soimainty ary ny soilomotra, mavo manopy maitso. Ahitsio
Sohitika
[admin]
: p.t.: Kely, mailamailaka, kingakinga. - t.i.f.: Misohitika, fisohitika, mpisohitika. Ahitsio
Sohika
[admin]
: a.: Aretina miteraka fahasemporana noho ny kohaka, ka ila tsy ho avy miaina izay voany. - t.i.f.: Sohihina / misohika, fisohika, mpisohika. Ahitsio
Sohihina
[admin]
: p.t.: Voan'ny sohika. Ahitsio
Sohihy
[admin]
: a.: Anaran-kazo misy dity anaovana ny botry. Ahitsio
Soherina
[admin]
: a.: Zana-dandy mbola miofo ao anatin'ny ombindandy; toetra faharoa ananan'ny landy aorian'ny maha-bibindandy azy; ny soherina dia mifono ao anaty akorany, ka "niomby" no ilazana azy amin'izay. Ahitsio
Sohana
[admin]
: (Btm) a.: Famahanantenona. Ahitsio
Soga
[admin]
: a.: Karazan-damba vita amin'ny landihazo. Ahitsio
Soflera
[admin]
: (fr. chou-fleur) a,: Karazan'anam-bazaha izay toy ny laisoa ny bikany nefa samy hafa karazana aminy, misy voniny mivondrona be eo afovoany ary io no hanina aminy fa tsy ny raviny akory. Ahitsio
Sofintotozy
[admin]
: a.: Karazan'ahitra. Ahitsio
Sofintoho
[admin]
: a.: Anamamy dia. Ahitsio
Sofinana
[admin]
: (sofina) mt. ih. (sofino): Ilazana ny olona sintonin-tsofina: Sofino io zaza io fa mandainga. Ahitsio
Sofina
[admin]
: a.: Organa andrenesan' ny olona sy ny biby ny karazam-peo rehetra, amin'ny alalan'ny sampan-kozatra kiritika kely manemitra ny aty sofina. - t.i.f.: Sofinana, voasofina / manasofina, na manofina / (teny tranainy) fanasofina, mpanasofina / anasofinana, fanasofinana / misofina, fisofina / mahasoffna / sofintsofina. Ahitsio
Sofimbasy
[admin]
: a: Lempona kely amin'ny basy ety ivelan'ny volobe ary fasiana ny vanja enti-mampirehitra ny ao anatiny. Ahitsio
Sofimbary
[admin]
: a.: Teny ilazana ny ravin'ny vary. Ahitsio
Soedoa
[admin]
: (fr. suédois) a.: Ny firenena monina any amin'ny tanin'i Soeda: Mihoatra ny d tapitrisa ny isan'ny Soedoa. 1 p.t.: Mikasika an'i Soeda, an'i Soeda na avy any Soeda: Stockholm no seranana soedoa lehibe indrind ra. Ahitsio
Sodokaina
[admin]
: (sodoka) mt. ih. (sodokay): Fitahina noho ny fisehoana ivelany. Ahitsio
Sodoka
[admin]
: p.t.: Voafitaka noho ny toe-javatra miseho ho toy izao na toy izao, noho ny fisehoana ivelany, noho ny resaka tsara lahatra ka nandiso fanantenana: Sodokan'ny fampanantenan'ny namany izy ka tsy namototra firy. - t.i.f.: Sodokaina, asodoka,voasodoka/ manodoka, fanodoka, mpanodoka / anodokana, fanodokana / mahasodoka. Ahitsio
Sododoka
[admin]
: p.t.: Maika, dodo-na: Sododoka handeha er? iz y. Ahitsio