Teny nampidirina farany

Sodisody
[admin]
: a.: Fiverimberenana manodidina zavatra na olona imbetsaka; fahatongavana hijerijery fotsiny; fihei ngelenana mba hizaha taratra; fihaodihaodiana manodidina zavatra, ka eny lavitra eny no mitazantazana sy manarangarana. - t.i.f.: Asodisody, tafasodisody / misodisody, fisodisody, mpisodisody / isodisodiana, fisodisodiana / mahasodisody. Ahitsio
Sodina
[admin]
: a.: Karazan-javamaneno tsofina, vita amin'ny volotsangana lavalava marotsaka, misy loadoaka; ireo loadoaka ireo no ivoahan'ny rivotra ka manome feo samihafa rehefa ampifandfmbiasina tsindriana amin'ny tendron-drantsantanana; marcs ny anarana iantsoana ny sodina eto amin'ny Nosy: soly, sody, kitsody, antsody, kiatsody, antsodina, sobaba. Ahitsio
Sodika
[admin]
: a.: Fanesorana ny menaka na ny hero-dronono izay mitsinkafona. • Fanalana ny tsiratsiraka na ny hoza-dravin'ny rofia. •Fanesorana ny vato kely madinika amin'ny vary alohan'ny hitotoana azy. 1 Fikendren'ny hitsikitsika 'na n? papango zavatra tadiaviny hofaohina ka ihodinkodinany. ? Fijerijerena taratra ataon'ny mpangalatra alohan'ny hamelezany. 1 Fisoneniky ny olona mandihy eny am-pandihizana. - t.i.f.: Sodihina, asodika, voasodika, sinodika, tafasodika / misodika, fisodika, mpisodika/ isodihana, fisodihana / mahasodika / soditsodika. Ahitsio
Sodihina
[admin]
: (sodika) mt. ih. (sodiho): Alana, saratsarahina: Sodihina ny hoza-dravin'ny rofia. • Alana, esorina: Sodiho tsara ny vato amin'ny vary. ? Esorina, (menaka, herotra... mitsinkafona): Sodihiny ny hero-dronono vao omeny ny zandriny ny ronono. ? Alaina, faohina, rehefa avy nihaodihaodiana, nihodinkodinana; angalarina rehefa avy nojerijerena taratra: Hitako nosidihin'ny papango ireto akohokely ireto. / Nosidihin'ny olona roa lahy iny ny ondry niraotra ter? avaratanàna. • Dihizina atao misonenika tsara. Ahitsio
Sodifafana
[admin]
: a.: Zavamaniry fanao ody rohana (Brepophyllum calycinum). Anisan'ny zavamaniry mateza tsy mety maty ny sodifafana ka nambolen'ny ntaolo niaraka tamin'ny zozoro sy ny fandrotrarana teo amin'ny zorony avaratra atsinanana raha nanorin-trano izy. Ahitsio
Sodia
[admin]
: (Atm) a.: Satrobory me-na misy tendrony lavalava miraviravy any an-damosina, hany marika amantarana ny mpanjaka. Ahitsio
Sody
[admin]
: a.: Jer. Sodina. Ahitsio
Sobilatra
[admin]
: p. t.: Voadidy misompirana, mivilana. i Sobilarina, asobilatra, voasobilatra, tafasobilatra, manasobilatra, fanasobilatra, mpanasobilatra / anasobilarana, fanasobilarana. Ahitsio
Sobilarina
[admin]
: (sobilatra) mt. ih. (sobilaro): Didiana misompirana. Ahitsio
Sobilaka
[admin]
: p. t.: Tsy mahitsy, mivaona, ary tsy mifanandrify; mivilana, mivilavila. - t.i.f.: Sobilahina, asobilaka, voasobilaka, tafasobilaka / manasobilaka, fanasobilaka, mpanasobilaka / anasobilahana, fanasobilahana / misobilaka, fisobilaka, mpisobilaka / isobilahana, fisobilahana / mahasobilaka / sobilabilaka / sobilabilahina, asobilabilaka, voasobilabilaka / manasobilabilaka, fanasobilabilaka, mpanasobilabilaka. ¶ M. h.: Sovilaka. Ahitsio
Sobilaitra
[admin]
: a.: Fisolifaka, fandeha amin'ny zavatra malama ka mikorisa mila hianjera.• h.o.: Hadisoana kely tsy dia manao ahoana. - t.i.f.: Misobilaitra, fisobilaitra, mpisobilaitra / isobilairana, fisobilairana. Ahitsio
Sobilahina
[admin]
: (sobilaka) mt. ih. (sobilaho): Tailanina. Ahitsio
Sobilabilahina
[admin]
: (sobilabilaka) mt. ih. (sobilabilaho): Roridroritina. Ahitsio
Sobika
[admin]
: na Sobiky a.: Harona makadiry: Voankazo iray sobika. - F.-p.: Izay tsy mahay sobiky mahay fatam-bary: tsy tokony hisy hihevi-tena ho tsy misy hilana azy, fa raha tsy mahavita zava-dehibe ianao, mba misy zavà-madinika mety ho efanao. Ahitsio
Sobe
[admin]
: (fit.-p.) a. : Rivotra mitsoka tampoka eny ampovoandranomasina na eny ampovoan-drenirano miteraka ranomody lalina mety hampidi-doza ny lakana sendra voahodidina ao anatiny. Ahitsio
Sobaba
[admin]
: a.: Anaran-kafa ilazana ny sodina. Ahitsio
Sobaba
[admin]
: p.t.: Fano safomorona. ¶ Jer. Feno. Ahitsio
Soba
[admin]
: (Ski) a.: Soratr'omby tokam-bolo fa fotsy ny lohany sy ny siranandony. Ahitsio
Soavina
[admin]
: (soa) mt. ih. (soavy): Asiana soa: Tsy ny olona hosoavina akory no tsy misy. Ahitsio
Soavalina
[admin]
: (soavaly) mt, ih. (soavalio): Taingenana, ka asabaka ny tongotra, ny ilany a-tao an-kaviàn'ilay zavatra taingenana, ny ilany an-kavanana. Ahitsio