Teny nampidirina farany

Soavaly
[admin]
: (fr. cheval) a.: Biby lehibe tsara bika ampiasaina hatao fitaingina na mpitarika kalesy. - t.i.f• : Soavaliana / miantsoavaly, fiantsoavaly, mpiantsoavaly / iantsoavaliana, fiantsoavaliana. Ahitsio
Soampo
[admin]
: a.: Sitrapo, izay tiana, danin'ny kibo. - F.-p,: Manao soampo: manao izay tiana, tsy milaza na miera amin'olona. Ahitsio
Soamiera
[admin]
: (t.tr.) a.: Fifanarahana, fanekena. Ahitsio
Soamiditra
[admin]
: a.: Kilalao fanaon' ny ankizivavy kely amin'ny diavolana: milahatra tsiroaroa mifanatrika izy ireo, dia mampitehaka ny tanany havanana sy havia avy sady mihira hoe "soamiditra e! soamiditra", ka amin'izay misy ankizy miditra tsirairay eo ambanin'ireo tanana mifampitehaka. Ahitsio
Soamaravo
[admin]
: p.t.: Enti-milaza ny voankazo efa madiva ho masaka. Ahitsio
Soamarandrana
[admin]
: a.: Anarana ilazana ny tanavavy. (Maro ny anarana iantsoana ny tanavavy: atao hoe -kamaitso izy raha mbola kely; soamarandrana na kamora, rehefa Inhibe, ary kamarabe, rehefa antitrantitra, ilay izy masiaka mibetroka iny). Ahitsio
Soamalondona
[admin]
: na Soamalondoka o.: Zavamaniry mitovitovy amin'ny avoko, mitapela-dravina, ivaiva, misy vodiny be ranony mampivalana, ataon'ny olona famonoamboalavo. * Ohab.: Avoko no nasaina nohaniny ka soamalondona no nataony be am-bava: enti-milaza ny olona izay tsy mitandrina amin'izay ataony. Ahitsio
Soamadodoka
[admin]
: p. t.: Maika, dodona; entanin-kafaliana: Soamadodoka ny vahoaka namonjy hijery ilay fiaramanidina an-drano nipetraka teo Mandroseza. Ahitsio
Soaloha
[admin]
: (Br) p.t.: Enti-milaza tandrok'omby fanaperana, izany hoe mivolantsinana roa mitovy bika tsy misy tomika ka manatsara bika ny omby. Ahitsio
Soaka
[admin]
: a.: Solo na mpanampy, mpandimby toerana. i Soahana, asoaka, voasoaka / manasoaka, fanasoaka, mpanasoaka 1 anasoahana, fanasoahana 1 misoaka, fisoaka, mpisoaka 1 isoahana, fisoahana. Ahitsio
Soaka
[admin]
: p. t.: Mitovitovy, mifandraidraika, teny fampiasa hilazana ny laharan-tsikidy. Ahitsio
Soahana
[admin]
: (soaka) mt. ih. (soaho): Soloana. Ahitsio
Soa
[admin]
: a.: Zavatra tsara, mahafinaritra, mahafaly: Mifandimby ny soa sy ny ratsy eto an-tany. 4 Tombony, vokatra: Soa mono moa no azonao amin'ny fandehandehanana? 4 p. t.: Mahafinaritra, meva, kanto: Lahateny soa. 4 Ilaina, misy vokany tsars: Soa ny hevitra nomeny ahy. - t.i.f.: Soavina, hasoavina 1 manasoa, fanasoa, mpanasoa 1 anasoavana, fanasoavana 1 mahasoa I hasoa I hasoavana, fahasoavana. - F.-p.: Manao soa tapany: manao soa tsy tonga amin' ny tena izy fa antsasany ihany. / Soa am-po, manao soa am-po: famonjena hava-na na manao soa tsy mba nifampierana. / Manao soa volovoloina: ilazana• fanaovana soa olona nefs andatsalatsana sy imenomenonana any aoriana. / Soa amantsara: amim-panambinana, tsy nisy loza na voina. / Soàva tsarà: firarian-tsoa fanao raha mifanao veloma. / Soa ihany: fahasoavana no tsy... / Soa maroroka: teny averimberin'ny ankizy sady mandro amin'ny ranonorana izy no falihavanja. J Soamiera (jer. io teny io). Ahitsio
Skia
[admin]
: (fr. ski) a.: Fikorisana amin'ny ranomandry. Ahitsio
Sivina
[admin]
: (sivy) mt ih. (sivio): Zaraina sivy. Ahitsio
Sivily
[admin]
: na Sivilina (fr• civil) a. sady Ny antokon' olona tsotra, tsy miaramila na relijiozy; mikasika ny olona tsotra tsy miaramila na relijiozy: Nanao akanjo sivilina ilay komandà ka saika tsy fantatro. Ahitsio
Sivifolo
[admin]
: p.i.: Isa milaza folo averina intsivy. Ahitsio
Sivy
[admin]
: p. t.: Valo ampiana iray. i t.if.: Sivina, voasivy, sinivy I misivy, fisivy 1 isiviana, fisiviana 1 mahasivy 1 fahasivy 1 ampahasivy 1 intsivy, manintsivy, fanintsivy 1 tsisivisivy 1 hasiviana. Ahitsio
Sivanina
[admin]
: (sivana) mt. ih. (sivano): Alefa amin'ny sivana, ahintsana: Sivano tsara ireto trou ireto, 4 Enti-milaza zavatra na olona maro dinihina tsirairay ka esorina hatrany hatrany izay tsy tsara: Sivano tsara izay hosakaizainao. Ahitsio
Sivana
[admin]
: (angl. siève) a.: Fiasana misy loadoaka kely hanalana ny vato amin'ny vary, hifantenana voa, na hanintsanana ny tany malemy ialan'ny vongana mafy. I t.f.f.: Sivanina, asivana, voasivana, sinivana 1 manasivana, fanasivana, mpanasivana 1 anasivanana, fanasivanana I misivana, fisivana, mpisivana 1 mahasivana 1 sivantsivana. ¶ M. h, : Fanatantavanana, masoarivo. Ahitsio