Teny nampidirina farany

Sioka
[admin]
: a.: Famoahan-drivotra amin'ny molotra na ny nify sy ny lela ka mahatonga feo mifioka; siaka. - t.i.f.: Siohina, voasioka / misioka, fisioka, mpisioka / isiohana, fisiohana / siotsioka. Ahitsio
Sintonina
[admin]
: (sintona) mt. ih. (sintony): Tarihina hankany amin'ny tena: Sintony ny uatasarihana. ~ Sarihana: A-xa mbola sintonina ny harato.,e Roritina: Sintony mafy ny tady ho henjana. ~ Tarihina amin'ny zorony, amin'ny laniny iray, vivitina: Sintony ny sofin'io zaza io fa mandainga. ~ Avadika ho ratsy, hararaotina mba hanorisorenana olona, vivitina: Aza sintontsintonina tahaka izany ny teniko. Ahitsio
Sintona
[admin]
: a,: Tarika, sarika, roritra; enti-milaza koa ny fanararaotana teny latsaka mba hanorisorena olona; zana koa ny fihemoran'ny lamba rehefa misasa ary ny fihenan'ny rano tondraka. - t.i.f.: Sintonina, asintona, voasintona, sinintona, taf asintona i manintona, fanintona, mpanintona / anintonana, fanintonana / misintona, fisintona, mpisintona ) isintonana, fisintonana / mahasintona / sintontsintona. - F.-p.: Sinto-mahery: fakana zavatra eny amih'olona a-tao an-kery s? ?m-pireharehana. / Sinton-toho: fisarihana am-batravatra tsy misy ahotrahotra. Ahitsio
Sintaka
[admin]
: a.: Fialan'ny vehivavy amin'ny vadiny sy ny tokantranony hisara-panambadiana. - t.i.f.: Asintaka / manintaka, fanintaka, mpanintaka / anintahana, fanintahana / misintaka / isintahana, fisintahana j mahasintaka j sfntantsintaka. Ahitsio
Sintaina
[admin]
: (sinta) mt. ih.: Ampahararina: Nosintain'ilay dia an-tongotra tany Ambohimanga ny foto-peko ato. Ahitsio
Sinta
[admin]
: a.: Fahatsiarovana maharary na torovana avy amin' ny hasasarana na fibatana zava-mavesatra. 6 t.if.: Sintaina ) maninta, faninta, mpaninta. Ahitsio
Sinosoka
[admin]
: (sosoka) mt. ih. misy tsofoka in: Voasosoka, sosohana, asiana kofehy mba hitovy tantana: Ba efa nosinosoka ity ka rats y. Ahitsio
Sinosa
[admin]
: (sosa) mt. ih. misy tsofoka in: Voasosa, nasosa handeha milamina tsara, misonenika: Nosinosa ny lakana namakivaky ny farihy ka finaritra izahay. Ahitsio
Sinorona
[admin]
: (sorona) mt ih. misy tsofoka in: Voasorona, soronina, ampirehetina, velomina: Afo efa nosinorona ka hataonao inona indray? Ahitsio
Sinoroka
[admin]
: (soroka) mt. ih. misy tsofoka in: Voasoroka, sorohana, diovina amin'ny angady: Hanaouan-trano angaha io tany nosinoroka io? Ahitsio
Sinoritra
[admin]
: (soritra) mt. ih. misy tsofoka in: Voasoritra, soritana: Efa nosinoritra ao ampon'ny olo-marina ny fanaouana ny rariny. Ahitsio
Sinoratra
[admin]
: (soratra) mt. ih. misy tsofoka in: Voasoratra; soratana, asiana soratra: Nosinorany tsipitsipika ny tarehiny. Ahitsio
Sinongona
[admin]
: (songona) mt. ih. misy tsofoka in: Voasongona, songonana, ihoarana: Nosinongon-jandriny lahy ilay zokiny! Ahitsio
Sinolo
[admin]
: (solo) mt. ih. misy tsofoka in: Soloana, ovana; Nosinolo itay mpampianatra. Ahitsio
Sinolatra
[admin]
: (solatra) mt, ih. misy tsofoka in: Voasolatra, solarana, voasafo: Nosinolatry ny bala, hono, ny sofiny. Ahitsio
Sinola
[admin]
: (soia) mt, ih. misy tsofoka in: Voasola, solaina, a-tao tonga sola, tsisy volo: Nosinolan'ny ankizy ilay akoholahin'i zoky. Ahitsio
Sinokatra
[admin]
: (sokatra) net. ih. misy tsofoka in: Voasokatra, nosokafana, novohaina hahitana ny ao anatiny: Nosinokatra ny uata ka inona no tao? Ahitsio
Sinoa
[admin]
: (fr. chinois) a.: Ny tire-nana tompon-tany any amin'ny tany midadasik'i Si-na: Ny Sinoa no be indrindra amin'ny mponina eto ambonin'ny tany. Ip.t.: Mikasika an'i Sina, an'i Sina na avy any Sina: Anisan'ny sarotra amin'ny fiteny rehetra ny teny sinoa. Ahitsio
Sinivana
[admin]
: (sivana) mt. ih. misy tsofoka in: Voasivana, sivanina, ampandalovina amin'ny sivana na makarakara hanintsanana tany na fasika: Sinivana ny tany alohan'ny hampifangaroana azy amin 'ny fasika mba handalorana. Ahitsio
Sinitrana
[admin]
: (sitrana) mt. ih. misy tsofoka in: Sitranina, asiam-panafody mba tsy harary intsony: Nosinitran'ilay mpitsabo ny aretiny. Ahitsio