Teny nampidirina farany

Sinisika
[admin]
: (sisika) mt. ih, misy tsofoka in: Voasisika, sisihana, asiana sisika: Nosinisika fonjozoro io ondana io ka ratsy. Ahitsio
Sinisy
[admin]
: (sisy) mt. ih. misy tsofoka in: Voasisy, kikisana: Nosinisin'ny voalavo ilay mofo tao anaty harona. •Esorina ny mivohibohitra aminy (hazo fisaka): Efa nosinisinao ue ilay hazo fisaka? Ahitsio
Sinintona
[admin]
: (sintona) mt, ih. misy tsofoka in: Voasintona, sintonina, tarihina: Sininton' ny herin'ny tany ny zavatra ka tsy maintsy mianjera. Ahitsio
Siningotra
[admin]
: (singotra) mt. ih. misy tsofoka in: Voasingotra, singorina, fatorana: Nosiningotry ny vauany ihany Rabe. Ahitsio
Siningana
[admin]
: (singana) mt. ih. misy tsofoka in: Singanina, a-laina amin'ny maro: Nosiningan'ny mpampianatra I-sambilo haleta any an-tanàna, Ahitsio
Sinimba
[admin]
: (simba) mt. ih. misy tsofoka in: Voasimba, simbana, atao izay tsy hahatsara: Nosinimban'ny naman-dratsy ilay rasa ka nampalahelo. Ahitsio
Sinimaka
[admin]
: (simaka) mt. ih. tsofoka in: Voasimaka, simahina, nahafahana kely. Ahitsio
Sinily
[admin]
: (sily) mt. ih. misy tsofoka in: Voasily, silina, tsitsina, alaina ka kely dia kely no atao indray manao na ma-ka: Nosiniliny ny sira nomeny anay. Ahitsio
Sinilatra
[admin]
: (silatra) mt ih. misy tsofoka in: Voasilaka, silarina, esorina ny ilany kely: Hazo nosinilatra. Ahitsio
Sinilaka
[admin]
: (silaka) mt. ih. misy tsofoka in: Voasilaka, silahana, ahafahana kely. Ahitsio
Sinibe
[admin]
: a.: Siny makadiry atao fitahirizan-drano ao an-trano. - Sinibe manga roa: enti-milaza ny ray sy ny reny, na i dada sy neny, izay samy tiana ary tsy asiana tombo sy hala. / Siniben-drano: toerana iangonan'ny rano ao an-tanana alohan'ny hizarazarana azy isan-tokantrano. Ahitsio
Siniaka
[admin]
: (siaka) mt. ih. misy tsofoka in: Siahina, antsoina amin'ny siaka. Ahitsio
Siny
[admin]
: a.: Fitaovana fakana rano any am-pantsakana: Miloloha siny. / Rano intelon'ny siny. * Ohab.: Tokam-pilana ohatra ny siny: tsy manam-po afa-tsy ny rano: enti-milaza olona tsy manan-javatra kinendry afa-tsy zavatra toisa-na. / Miloloha rano roa siny: misahana asa maso ka tsy misy vita tsara tomombana. Ahitsio
Singotra
[admin]
: a.: Fanaovana tady vavarana ho fandrika sy hamatorana. ~ Fatotra manao amparapaingo. 4? Enti-milaza koa ny fanararaotana teny latsaka mba hamerezana ny sasany. ~ Teny misy fitaka atao mba hampahita loza. - t.i.f.: Singorina, asingotra, voasingotra, siningotra, tafasingotra ) maningotra, faningotra, mpaningotra / aningorana, faningorana / misingotra, fisingotra, mpisingotra /isingorana, fisingorana/ mahasingotra. - F.-p.: Singotr'aty: aretinjanak'omby na zanak'ondry vao teraka — fangozohozoana, tsy fahazoa-nofo. / Singo-boridamba: fitafiana lamba aman'akanjo rovitra sy maloto. Ahitsio
Singory
[admin]
: a.: Vona mivaha moramora raha vao voasintona ny laniny. Ahitsio
Singorana
[admin]
: (singotra) mt. ih. (singory): Samborina amin' ny tady vavarana, amin'ny teny feno fitaka: Singory io vorona manidintsidina io fa ho voa rehefa ela ny ela. Ahitsio
Singanina
[admin]
: (singana) mt, th. (singano): Enti-milaza ny iray na ny sasany ihany izay alaina amin'ny maso: Ny fotsy ihany singanina, hoy i Nenibe tamin'i Soa naka ny volofotsiny. ~ h.i.: Avahana ka marhina: Miteny aminareo mpianatra jiaby aho, ary singaniko manokana ny kilasy fahatelo. Ahitsio
Singam-peo
[admin]
: a.: Ny feo mande-ha tsirairay amin'ny rafitry ny teny araka ny ava-peo. Misy singany telo ao anatin' ny teny hoe vao: v,a,o. Ahitsio
Singa
[admin]
: Singana na Singany a.: Irery: Nahoana no mandeha singany izato izy? fa nankaiza Ramatoa? ? Ny ilanY, ny iray amin'ireo zavatra iray aman'olona na iray lomisy: Ento at? ny singan-kiraroko ao ambany farafora ao. ? Enti-milaza ny tenan-javatra a-laina tsirairay: Hakako afokasoka tranony iray ve ianao? — Tsia, singany iray ihany entina. - t.i.f,: Singanina, asingana, voasingana, siningana / maningana, faningana, mpaningana / aninganana, faninganana / manasingana, fanasingana, mpanasingana ( anasinganana, fanasinganana / misingana, fisingana, mpisingana / isinganana, fisinganana / mahasingana / singantsingana. • F.-p,: Singam-ba, singan-kiraro: ny ilam-ba na ny ilankiraro ihany fa tsy izy roa. / Singam-bolo: tahom-bolo iray monja. / Singan-drofw: anankiray amin'ny tsiratsiraky ny rofia. / Singan'olona: enti-milaza olon-drery, tsy manan-kavana na namana miaraka amin'ny tena. * Ohab.: Singambolo manda-vo ny vositra: enti-milaza zavatra kely mety hanimba za-'va-dehibe. ¶ M.h.: Singan'olona, honjohonjon'olona, manirery, irery tena, mijongijongy, manjenjena, misiontsiona, tsy amboa tsy lambo, borlbory, tsy ary ambony tsy ary ambany, tokan-tena, tsy mananamana, milalao vovoka irery, mamikitra ahitra irery, akanga sisa nanamborana, tapa-porohana sisa tsy may. Ahitsio
Sinevotsevo
[admin]
: (sevosevo) mt. ih. misy tsofoka in: Natao amin' ny hamaikana. Ahitsio