Teny nampidirina farany

Silisily
[admin]
: (Ski) a.: Rojom-batofantsika. Ahitsio
Silina
[admin]
: (sily) mt. ih. (silio): Enti-milaza zavatra izay tsy anomezana betsaka fa sombiny kely foana: Efa silinareo izaitsizy ity siramamy! Nahoana moa raha dia tsy ornenareo mihitsy izahay? ? A-midy na vidina lafo dia lafo. Ahitsio
Silianina
[admin]
: (fr. chilien) a.: Ny firenena monina any amin'ny tanin'i Silia (Amerika atsimo). ? p.t.: Momba an'i Si-lia, an'i Silia na avy any Si-lia. Ahitsio
Sily
[admin]
: a.: Lamba na kofehy landy mena mivaivay sy midorehitra. ? Halafosan-javatra. 1 p.t.: Lafo. 1 Enti-milaza zavatra izay tsy anomezana afa-tsy sombiny kely dia kely. - t.i.f.: Silina, voasily, sinily 1 silisily 1 manilisily, fanilisily, mpanilisily / anilisiliana, fanilisiliana 1 misilisily, fisilisily, mpisilisily 1 isilisiliana, fisilisiliana / mahasilisily. Ahitsio
Silatra
[admin]
: a.: Poti-javatra nihelaka tamin'ny vatan-javatra lehibe. ~ p.t.: Nahafahana kely, dimbana. - t.i.f. : Silarana, asilatra, voasilatra, sinilatra, tafasilatra 1 manasilatra, fanasilatra, mpanasilatra / anasilaxana, fanasilarana / manilatra / misilatra, fisilatra, mpisilatra 1 isilarana, fisilarana / mahasilatra 1 silatsilatra. Ahitsio
Silarana
[admin]
: (silatra) mt. ih. (silaro): Analana sombiny kely: Nosilarany ilay koban-dravina nomeny an'i Lita zanany. Ahitsio
Silantsilana
[admin]
: p. t.: Pilaka sy maimay, jef(jefy, mitrafantrafana: Mahasosotra ahy ny toetran'ilay zazavavy silantsilana iny. - t.i.f.: Misilantsilana, fisilantsilana, mpisilantsilana 1 isilantsilanana, fisilantsilanana 1 mahasilantsilana. Ahitsio
Silamo
[admin]
: a. sady p.t.: Olona anisan'ny antokom-pivavahana miozolimanina, naorin'i Mahometa. Ahitsio
Silamo
[admin]
: (fr. islam) a.: Antokom-pivavahana naorin'i Mahometa, mirlo an'Andriamanitra tokana antsoiny hoe Allah, ary ny foto-pampianarany dia ao anatin'ny boky iray atao hoe Coran. Ny silamo dia miely eran'i Afrika (indrindra amin'ny Bany avaratra), any amin'ny tanin' ny Arabo, Tiorka, Irakianina, Iranianina...; tsy antokom-pivavahana fotsiny ihany ny silamo, fa mbola fitsipika iompanan'ny lalàm-panorenan'ny fanjakana misy azy avy. Ahitsio
Silaka
[admin]
: a.: Ny potiny na sombiny avy amin'ny zavatra novakina na vaky: Sila-mo fo. ¶ M.h.: Potika, sombina,vaky, tapaka. Triatra, na vaky: Silaka ny nifiko. 1 Menatra: Silaka aho notenenin'ny lehibe teo imason'ny mpiara-miasa. i t. if.: Siiahina, asilaka, voasilaka, sinilaka, tafasilaka / manilaka, fanilaka, mpanilaka I anilahana, fanilahana 1 manasilaka, fanasilaka, mpanasilaka / misilaka, fisilaka, mpisilaka J isilahana, fisilahana 1 mahasilaka J silatsilaka. Ahitsio
Silaka
[admin]
: a.: Hazo na vy asisika eo amin'ny hazo efa natomboka hotsofaina mba tsy hanery ny tsofa, na tsofoka eo anelanelan'ny vato ka velezina mba hahavaky ilay vato. Ahitsio
Silahina
[admin]
: (silaka) mt ih. (silaho): Anendahana sombiny kely: Silaho io hazo io. Ahitsio
Sikisiky
[admin]
: a: Anaran-kafa ilazana ny varo-maizina. ¶ Varo-maizina, sikisiky, varotra an-kobohobo. Ahitsio
Sikinana
[admin]
: (sikina) mt. ih. (sikino): Hodidinina sikina: Sikino lamba izy. 1 Forana: Nosikinana omaly ny zandrinay faraiahy. Ahitsio
Sikina
[admin]
: a.: Lamba ahodidina ny tena ka midina hatreo amin'ny lohalika: Naka lamba hataony sikina Rasoa dia lasa nanome hanina ny akoho amam-borony. • Fanodidinana lamba ny tena, ka ho an'ny lehilahy, eo amin' ny valahana no fatorana ilay lamba, fa eo ambany helika kosa ho an'ny vehivavy. 1 h.i.: a) Famorana na hasoavana: Sikin-jaza. b) Hafanam-po, faharisihana amin' ny asa. - t.i.f.: Sikinana, asikina, voasikina, tafasikina 1 manasikina, fanasikina, mpanasikina / anasikinana, fanasikinana 1 manikina, fanikina, mpanikina 1 anikinana, fanikinana / misikina, fisikina, mpisikina / isikinana, fisikinana 1 mahasikina / sikintsikina. - F.-p.: Sikim-balaka: lamba ahodidina ny valahana, ary asikina fotsiny fa tsy migehy mafy. J Sikim-bavy na sikin-tratra: lamba ahodidina ny tena ka hatreo arnin'ny helika no angiazana azy mafy. / Sikim-ponitra: lamba angiazana mafy ny valahana mba tsy hivaha eo am-panaovana raharaha. / Misikim-ponitra: miasa amin-kerimpo mafy. / Sikin-dahy: lamba ahodidina ny valahana rehefa miasa. Ahitsio
Sikilaonina
[admin]
: (fr. cyclone) a.: Rivo-mahery avy amin'ny tsindrin'ny atmosfera amin' ny toerana iray ka mampisondrotra ny rivotra manodidina azy, izay misangodina mifindra hatrany manaraka ilay toerana mifindrafindra koa; manimba izay rehetra sendra azy ilay rivotra mitambolina; rivo-doza. Ahitsio
Sikidy
[admin]
: a.: Fahaizana mampahalala ny ho avy na manazava ny antony nisian-javatra iray amin'ny alalan'ny fandaharana voan-tsaramaso na voan-kily, izay sarotra dia sarotra ho an'ny tsy niofana amin'izany. (Misy karazany roa ny sikidy, dia ny sikidy joria ary ny sikidy alanana: amin'ny sikidy joria, dia roa karazana ny fipetraky ny voan-javatra, na jama na taraiky, ka apetraka amin'ny laharana roa mifanao ambony sy ambany ny voa ao anaty kitranotrano valo valo avy; ny sikidy alanana kosa, izay sarotra noho ny joria, dia misy kitranotrano 36, izay manao toa sarina efamira telo, fa jama sy taraiky ihany koa no fipetraky ny voa; rehefa voalahany amin' ireo kitranotrano ny voa, ka eo no mahasarotra azy, dia vakin'ny mpisikidy eo ny valin'ny fanontaniana natao taminy). Ahitsio
Siky
[admin]
: t.p.: Teny fandroahambiby. - t.i.f.: Misiky, fisiky, mpisiky / isikiana, fisikiana. Ahitsio
Sikajy
[admin]
: a.: Anaram-bola izay lasiroa sy ilavoamena no sandany (0Fr 60): Sikajy telo (1Fr 80), sikajy dimy (3Fr 00). Ahitsio
Sihanaka
[admin]
: a.: Foko kelikely manodidina ny farihin'Alaotra, izany hoe amin'ny tany voafaritry ny renirano Benrarivo ambony sy Tampoketsa atsimo (avaratra), ny renirano Mahajamba ambony (andrefana), ary ireo havoana bezanozano sy ny ala (atsinanana). Renivohiny: Ambatondrazaka. Ahitsio