Teny nampidirina farany

Seranana
[admin]
: a.: Toerana natokana hitodiana sy hiaingan'ny sambo; fitodian-tsambo. • h. i.: Fiantsonan'ny mpandeha amin'ny fiara samihafa: Seranam-p iaramanidina. Ahitsio
Seranana
[admin]
: na Seranina (serana) mt, ih. (serano): Lalovana eo anoloana: Tsy tokony hoseranina ny zokiolona. 1 Hanina (fiteny amin'ny fanorona rehefa mipaika ka mihinana avy eo ant]aka no midina eo anoloana). Ahitsio
Serana
[admin]
: a.: Fandalovana haingana mihelina, ? Aretin-tampoka mahazo vetivety. - t.i.f.: Seranana, na seranina, aserana, voaserana na sinerana, tafaserana 1 manerana, fanerana, mpanerana 1 aneranana, faneranana 1 manaserana, fanaserana, mpanaserana J anaseranana, fanaseranana 1 miserana, fiserana, mpiserana 1 iseranana, fiseranana J mahaserana 1 serantserana. Ahitsio
Septambra
[admin]
: (fr. septembre) a,: Anaran'ny volana fahasivy amin'ny taona araka ny kalandrie, misy andro 30. Ahitsio
Sepo
[admin]
: (Br) a.: Lamba landihazo nasoka anaty ranon-doko angana antitra. Ahitsio
Sentsena
[admin]
: a.: Ady: Mila sentsena. Ahitsio
Sentoina
[admin]
: (sento) mt. ih. (sentoy): Tr'ohina amin'ny orona. Ahitsio
Santo
[admin]
: a.: Fisintonana sy famoahana fofon'aina mafy sady mitarika lavalava, ateraky ny alahelo na embona: Be sento io zaza io ka mety harary fo rehefa lehibe. ~ Alahelo: Mitsikia, atsaharo ny sento. ~ Fitrohana zavatra amin'ny orona. - t.i.f.: Sentoina, voasento J misento, fisento, mpisento / isentoana, fisentoana J mahasento J sentosento. Ahitsio
Senoka
[admin]
: Senotsenoka p.t.: Sahirana, mivezika atsy mivezika aroa, miheninkenina: Mbola senoky ny fanetsana izahay amin'izao fotoana izao. 1 Renoka fatratra aminjavatra iray: Senoky ny fitiavam-bola izy. ? Dibo-kafaliana, entanin-kafaliana: Senoky ny hafaliana ny fianakaviana noho ny nahatongavan-dRanaivo avy any andafy. - t.i.f.: Asenoka, voasenoka, senotsenokaJ misenotsenoka, fisenotsenoka, mpisenotsenoka / isenotsenohana, fisenotsenohana / mahasenotsenoka. Ahitsio
Sengisengy
[admin]
: (Btm) a.: Vady vazo. Ahitsio
Sendrasendraina
[admin]
: (sendrasendra) mt. ih. (sendrasendrao): Vinavinaina ara-keviny: Moa ve azo sendrasendraina fa ho avy ny zokinao. ? Enti-milaza akoholahy iray izay asiana akoholahy hafa eo anoloany mba hitsapana raha te hiady izy: Aza sendrasendraindRangahy ny akoholahiko. Ahitsio
Sendrasendra
[admin]
: p.mt. na a.: Tsy nampoizina, tsitointoina, zavatra tsy nampoizina: Sendrasendra no nahitako azy. / Misy tokoa ny sendrasendra. 1 Raha ohatra ka...: Sendrasendra, hono, ka mahita volamena iray kilao isik a... ¶ M.h.: Anjara, vintana, lakalaka, kendry tohina, tsitointoina, tsy satry, tsy nahy, tsy nampoizina, samba-samba, kisendrasendra, kinan ga, an-tsapaka, sendrasendra vary amin'ananana. — Sendrasendra, maty vavany, divi-janahary, avivitra, am bivitra, variraiventy. Ahitsio
Sandra
[admin]
: p.mt.: Tsitointoina, tointoina tsy nampoizina: Sandra nahita ny zandrinao aho anikeheo, ~ mt.: Mifanena tsy nampoizina: Sandra an-drainao tany an-tsena a-ho, ¶ M.h.: Tojo, sehatra, tohatra. - t.i.f.: Sendrasendra / sendrasendraina, asendrasendra / voasendrasendra, sinendrasendra / manendrasendra, fanendrasendra, mpanendrasendra J anendrasendrana, fanendrasendrana J misendrasendra, fisendrasendra, mpisendrasendra J isendrasendra-1 na, fisendrasendrana 1 mahasendrasendra. Ahitsio
Sendika
[admin]
: (fr. syndicat) a.: Fikambanan'olona iray asa na mitovy zo mijoro hiaro ny tombontsoany: Sendikan'ny Dokotera. / Sendikan'ny Mpampiasa. Ahitsio
Sendaotra
[admin]
: na Sendoatra p.t.: Mihoatra ny antonony; tafahoatra ny mety; tsy ara-drariny. ~ Tezitra misafoaka: Mora sendaotra loatra Rangahy iny ka sarotra iraisamonina. - t.i.f.: Asendaotra 1 mahasendaotra. Ahitsio
Sendaka
[admin]
: a: Fanendahana na fanesorana ny hodi-javatra, na fanalana ny lamba tanna. i t.i.f.: Sendahana, asendaka, voasendaka, sinendaka, tafasendaka 1 manasendaka, fanasendaka, mpanasendaka J anasendahana, fanasendahana 1 misendaka, fisendaka, mpisendaka 1 isendahana, fisendahana 1 mahasendaka 1 sendatsendaka. Ahitsio
Sendahana
[admin]
: (sendaka) mt, ih. (sendaho): Endahan-koditra, endahan-damba. Ahitsio
Senasena
[admin]
: a.: Zavamaniry fanao fanafody serin-jazakely (misy senasena lahy sy senasena vavy). Ahitsio
Sempotra
[admin]
: p.t.: Tsy afa-miaina noho ny hafanana be loatra: Sempotry ny hafanana aho izany. 1 Tsy avy miaina noho ny tsy fisian'ny rivotra na ny fibosesiky ny rivotra be loatra, misanehaka no-ho ny hazakazaka: Nihazakazaka aho ka sempotra. / Rehefa mandeha ny aotomobilina ka mivoha ny varavarana, mila ho sempotra ny zazakely. / Sokafy aho fa sempotra. • Be raharaha na ahiahy na alahelo ka toa tsy afa-miaina noho ny fahasahiranana: Sempotry ny volan' olona Rakoto. / Mbola sempotry ny fanadinana aho ka tsy afa-manoratra. - t.i.f.: Semporina, asempotra, voasempotra, sinempotra 1 manempotra, fanempotra, mpanempotra 1 anemporana, fanemporana J misempotra, fisempotra, mpisempotra1 isemporana, fisemporana J mahasempotra 1 sempotsempotra 1 hasemporana, fahasemporana. ¶ M.h.: Ana, tsy avy miaina, mikoika, mihehaka, misanehaka, misefosefo, misohika, any am-bolon-tsoflna ny aina, mitranga ny lela. Ahitsio
Semporina
[admin]
: (sempotra) mt. ih. (sempory): Atao izay hampisanehaka, hahasempotra. Ahitsio