Seminera [admin] | : | (fr. séminaire) a: (Fiv. kay.) Toerana anomanan'ny Eglizy ny tanora manam-pikasana ho pretra. / Fiofanan'antokon'olona miaraka, amin'ny toarana iray, ara-pirehan-kevitra na arateknika. Ahitsio |
Seminarista [admin] | : | (fr. séminariste) a.: Tanora mlkasa hanao pretra ka miomana amin'ny toerana fanofanana amin'izany. ? Ireo antokon'olona miofana ara-pirehan-kevitra na arateknika. Ahitsio |
Sembo [admin] | : | a.: Akanjo betsimisaraka vita amin'ny lamba izay zairina atohy amin'ny ambainy roa ka lasa toa lasaka misy vavany roa. Ahitsio |
Sembanina [admin] | : | (sembana) mt. ih. (sembano): Sakanam-tsampona tsy nampoizina, tsy nahina. Ahitsio |
Sembana [admin] | : | a.: Aretina tampoka tsy nampoizina, tsy nahina: Voan'ny sembana ny zaza 1 p, t.: Azon'aretina tampoka: Sembana ny zanako halina. 1 Azon-tsampona, azon-javatra manampontsampona: Sembana ny dianay. / Semban-drahona ny volana. - t.i.f.: Sembanina, asembana, voasembana 1 misembana, fisembana, mpisembana 1 isembanana, fisembanana 1 sembantsembana 1 manembantsembana, fanembantsembana, mpanembantsembana 1 anembantsembanana, fanembantsembanana 1 mahasembantsembana. Ahitsio |
Selotselotra [admin] | : | a.: Fisalovanana ny raharahan'ny hafa, fisosasosana. - t.i.f.: Miselotselotra, fiselotselotra, mpiselotselotra 1 iselotselorana, fiselotselorana 1 mahaselotselotra. Ahitsio |
Selontselona [admin] | : | sy Selintselina a.: Serantserana, fanelingelenana na fisalovandovanana olona tokony hohajaina. - t.i.f.: Aselontselona, voaselontselona, sinelontselona, tafaselontselona 1 manelontselona, na manaselontselona, fanelontselona na fanaselontselona, mpanaselontselona na mpanelontselona J manelintselina na manaselintselina, fanelintselina na fanaselintselina, mpanelintselina na mpanaselintselina / anelontselonana, fanelontselonana 1 miselontselona, fiselontselona, mpiselontselona 1 iselontselonana, fiselontselonana J mahaselontselona. Ahitsio |
Selisely [admin] | : | na Seloselo a.: Faneraserana na fandalondalovana na fipetrahana eo anoloan' olona. - t.i.f.: SeBselena, na seloseloina, aselisely na aseloselo, voaselisely, sinefisely, tafaselisely / manelisely, manaselisely, manaseloselo, fanelisely..., mpanelisely... 1 aneloseloana, faneloseloana 1 miselisely na miseloselo, fiselisely na fiseloselo, mpiselisely na mpiseloselo 1 iseloseloana na iseliselena,•fiseliselena na fiseloseloana J mahaselisely. Ahitsio |
Seliselena [admin] | : | na Seloseloina (selisely) mt. ih (seliseleo, sebseloy): Helingelenina amin' ny fandalovana na fipetrahana eo anoloana: Mbelà ianao fa aza seliseleninao eo i Dadatoanao. Ahitsio |
Selatra [admin] | : | a.: Fitsoriahan-javatra haingana, toy ny baolina, vorona...; fisehoan-javatra mihelatra vetivety, toy ny hazavana. - t.i.f•: Selarana, aselatra, tafaselatra 1 manaselatra, fanaselatra, mpanaselatra J anaselarana, fanaselarana 1 miselatra, fiselatra, mpiselatra J iselarana, fiselarana J mahaselatra 1 selatselatra. Ahitsio |
Selarana [admin] | : | (selatra) mt. pdr. (selaro): Ampandalovana zavatra haingana dia haingana toy ny tselatra: Noselaran' ny namany baolina teo anoioany tsara ka saika fanina izy. 1 Asiana ka haingana dia haingana no fandehan'ny famelezana: Noselarako tehamaina ilay zaza tsy vaiahara. Ahitsio |
Selaka [admin] | : | a.: Silaka, lanin-kazandrano, elakelaka miendaka amin'ny zavatra iray. - t.i.f.: Selahina, aselaka, voaselaka, sinelaka, tafaselaka 1 manelaka na manaselaka, fanaselaka, mpanaselaka 1 anaselahana, fanaselahana J miselaka, fiselaka, mpiselaka 1 iselahana, fiselahana 1 mahaselaka J selatselaka. Ahitsio |
Selahina [admin] | : | (selaka) mt. ih. (selaho): Endahina isan'elakelany, silahina: Selaho io hazo io. Ahitsio |
Sela [admin] | : | a.: Fitsinjarana bitika indrindra amin'ny manana ai-na; mizara telo ny sala iray: ny vihy (zavatra kiboribory eo afovoany), ny sesitsela, manodidina azy, ary ny fonontsela izay mamaritra ny sala tsirairay avy. Ahitsio |
Sekoly [admin] | : | (angl. school) a.: Trano fianarana: Misy sekoly telo ao an-tanànanay. Ahitsio |
Sehotra [admin] | : | p. t.: Maika te hanao zavatra, liana: Sehotra er? ny anao hanala fanadinana kanefa tsy niomana firy akory. - t.i.f.: Misehotra, fisehotra. ¶ M.h.: Liaka, litika, liana, seriny, saliadiaka, salitika, sedika. Ahitsio |
Seho [admin] | : | a: Tranga, posaka, fitrangana, fiposahana. i Aseho, voaseho, tafaseho l maneho, faneho, mpaneho 1 anehoana, fanehoana 1 miseho, fiseho, mpiseho 1 isehoana, fisehoana J mampiseho 1 mahaseho J sehoseho. ¶ M.h.: Jer. Tranga. Ahitsio |
Sehatra [admin] | : | a.: Toerana voafefy voatokana handihizana: Halalaho ny sehatra! 1 Toerampisehoana eo anatrehan'olona maro: Aza menatra mise-ho sehatra. Ahitsio |
Sehatra [admin] | : | ppk.: Tojo, sendra: Sehatra ny matanjaka noho izy Rakoto ka nanaiky. - t.i.f.: Asehatra, voasehatra, tafasehatra / manehatra, fanehatra, mpanehatra J misehatra, fisehatra, mpisehatra / mahasehatra. Ahitsio |
Sehaseha [admin] | : | a.: Hasahisahiana, fiandranandranana mampiseho avona, ajokajoka sy rehareha. - t.i.f.: Asehaseha, tafasehaseha / misehaseha, fisehaseha, mpisehaseha 1 isehasehana, fisehasehana / mahasehaseha. Ahitsio |