Teny nampidirina farany

Sehaka
[admin]
: a.: Fakana fofon'aina mafy rehefa avy nihazakazaka na nisy asa mafy natao. I t.i.f.: Misehaka, fisehaka, mpisehaka / isehafana, fisehafana J mahasehaka J sehatsehaka. Ahitsio
Sefosefo
[admin]
: a.: Fiainana manano sarotra fa toy ny tampina ny lalan-drivotra; fahasemporana noho ny tena misanehaka. - t.i.f.: Misefosefo, fisefosefo, mpisefosefo / isefosefoana, fisefosefoana. Ahitsio
Sefaka
[admin]
: a,: Elanelana, triatra: Misy ahitra maniry eny antsefa-bato. - t.i.f.: Sefahana, asefaka, voasefaka, tafasefaka J manasefaka, fanasefaka, mpanasefaka J anasefahana, fanasefahana J misefaka, fisefaka, mpisefaka 1 isefahana, fisefahana 1 mahasefaka 1 sefatsefaka. Ahitsio
Sefahana
[admin]
: (sefaka) mt.pdr. (sefaho): Tsofohana, sesehana: Sefahana hena ny mofo dipaina dia tonga sakafo tsara tokoa. Ahitsio
Sedraina
[admin]
: (sedra) mt ih. (sedrao): Andramana: Efa nosedrainao ve io fiara kasainao hovidina io? 1 Tsapaina mba hanamarinana ny maha-izy azy marina, ny maha-tsara azy: Sedraina ny volamena sao tsy izy fa sandoka. Ahitsio
Sedra
[admin]
: a.: Andrana, fitsapana zavatra mba hanamarinana ny maha-izy azy marina, ny maha-tsara na maha-sarobidy azy. - t.i.f.: Sedraina, asedra, voasedra 1 misedra, fisedra, mpisedra 1 isedrana, fisedrana 1 mahasedra. Ahitsio
Sedika
[admin]
: p.t.: Maimay, mihoalahoala tsy hahandry, maniry fatratra, mitady fatratra. ΒΆ M.h.: Jer. Sehotra. Ahitsio
Sedy
[admin]
: sedisedy p. t.: Maika, may, - t.i.f.: Asedisedy, tafasedisedy J misedisedy, fisedisedy, mpisedisedy / isedisedena, fisedisedena / mahasedisedy. Ahitsio
Sebiseby
[admin]
: a.: Selontselona, fivezivezena amim-pirotorotoana. - t.i.f.: Sebisebena, asebiseby, voasebiseby, sinebiseby, tafasebiseby J manebiseby, fanebiseby, mpanebiseby / anebisebena, fanebisebena / misebiseby, fisebiseby, mpisebiseby J isebisebena, fisebisebena / mahasebiseby. Ahitsio
Sebisebena
[admin]
: (sebiseby) mt. ih. (sebisebeo): Ajanona amin' ny fivezivezena. Ahitsio
Sazoka
[admin]
: a.: Fihamboana ho tompon-javatra, fanarahana zavatra tsy an'ny tena, sandoka. - t.i.f.: Sazohina, asazoka, voasazoka, sinazoka J misazoka, fisazoka, mpisazoka 1 isazohana, fisazohana / mahasazoka J sazotsazoka. - Tsy sazoka: tsy satry. Ahitsio
Sazohina
[admin]
: (sazoka) rnt, (sazohy): Alaina tsy an-drariny: Nosazohin'ilay kary ny bokiko. Ahitsio
Sazina
[admin]
: (sazy) mt. ih. (sazio): Omena famaizana: Nosazin' ny mpampianatra ny mpianatra rehetra tsy nanao ny entimody. 1 Helohina handoa sazy vola: Nosazin'ny fitsarana ariary iray alina ilay olona nisando-tsonia. Ahitsio
Sazina
[admin]
: p.t.: Sahaza, antoniny, mifanentana: Sazina anao tsara io raharaha io ka mahareta eo. Ahitsio
Sazy
[admin]
: a.: Fampangirifiriana ny vatana, atao amin'ny olona iray nanao hadisoana mba hamaizana azy; famaizana; vola ampandoavin'ny fitsarana olona iray voaheloka.I Sazina, asazy, voasazy 1 manasazy, fanasazy, mpanasazy ) anasaziana, fanasaziana 1 misazy, fisazy, mpisazy 1 isaziana, fisaziana / mahasazy J sazisazy. Ahitsio
Sazy
[admin]
: p.t.: Sahaza, tandrify, tiana: Sazinao ue ity satroka ity houidiko ho anao? Ahitsio
Saza
[admin]
: a.: Ahiahy, fiahiahiana. - F.-p.: Miala saza: manandrana kely amin'ny hanina aroso eo imason'ilay olona omena azy, toy ny fanalana ahiahy eo aminy. Ahitsio
Savovona
[admin]
: a.: Antontan-javatra miavosa. - t.i.f.: Asavovona, voasavovona, tafasavovona / manavovona, na manasavovona, fanavovona, na fanasavovona, mpanavovona, na mpanasavovona 1 anasavovonana, fanasavovonana / misavovona, fisavovona, mpisavovona / isavovonana, fisavovonana / mahasavovona 1 antsavovona 1 miantsavovona. Ahitsio
Savovoka
[admin]
: a.: Fifololoran'ny vovoka, fanidinan'ny vovoka misafotofoto betsaka. 1 Antontany. - t.i.f.: Asavovoka, voasavovoka, tafasavovoka / manasavovoka, fanasavovoka, mpanasavovoka 1 anasavovohana, fanasavovohana / misavovoka, fisavovoka, mpisavovoka 1 isavovohana, fisavovohana 1 mahasavovoka / antsavovokal miantsavovoka. Ahitsio
Savorovoroina
[admin]
: (sauorouoro) mt. ih. (sauorouoroy): Safotofotoina, korontanina. Ahitsio