Teny nampidirina farany

Sakelidalana
[admin]
: a.: Lalan-kely mivily amin'ny lalam-be. Ahitsio
Sakelehina
[admin]
: (sakelika) mt. ih. (sak leho): Entina ao ambany hlika: Inona iny sakelehinao iny? Ahitsio
Sakefaka
[admin]
: a.: Elanelan-javatra roa. ? Ny ao anaty kitrony amin'ny tongotr'omby. - F.-p.: Antsakefaka: halavan-drefy hatreo amin'ny tendron'ny fanondro ka hatreo amin'ny lempona anelanelan'ny fanondro sy ny ankibe (voatondro efatra). Ahitsio
Sakatavilotra
[admin]
: na Sakatavilona a.: Zavamaniry sahala amin' ny dingadingana, izay mangidy er? ny raviny ary fanao fana fo dy. Ahitsio
Sakarivo
[admin]
: a.: Anaran-kafa ilazana ny sakamalao. Ahitsio
Sakanomby
[admin]
: na Mamitolahy (Btl) a.: Ilazana ny ombikely rehefa sahabo ho voatondro iray ny halavan'ny tandrony. Ahitsio
Sakanana
[admin]
: (sakana) mt. ih. (sakano): Fefena: Nosakanan' ny tompony uato be ny fidirana ao anaty sahany. ? Tohanana tsy avela handeha, tsy avela hiditra: Nosakanan' ny polisy tsy hiditra ny ankizy latsaky ny telo ambin' ny folo tanna. ? Rarana: Nosakanan-drainy ny fanambadian'i Soa ka tsy raikitra. ? Tohanana, atao izay tsy haharaikitra: Nosakanan'i zoky ilay tranonay eny Ambohimanarina saika hamidy. ? Ajanona: Nosakanany teny an-dalana aho mba hilazany izany uaouao izany. Ahitsio
Sakana
[admin]
: a.: Fefy, gadra: Tokony hasiana sakana eto tsy hidiran'ny alika. ? Sampona, tambana: Ho tonga aho rahampitso raha tsy misy sakana. - t.i.f.: Sakanana, asakana, voasakana, tafasakana / manakana, fanakana, mpanakana 1 anakanana, fanakanana 1 manasakana, fanasakana, mpanasakana 1 anasakanana, fanasakanana / misakana, fisakana, mpisakana / isakanana, fisakanana 1 mahasakana / sakantsakana. - F.-p.: Sakam-barauarana: tsivalan-kazo anamafisana ny hidim-baravarana. / Sakandrambo: ilay hoditra amin' ny lamboridin-tsoavaly eo amin'ny feny. / Sakan-tratrany: ilay hoditra amin'ny lamboridin-tsoavaly eo amin' ny tratrany. Ahitsio
Sakambositra
[admin]
: na Andranary (Btl) a.: Teny ilazana ny omby rehefa miofo fanindroany ny tandrony. Ahitsio
Sakambinina
[admin]
: (sakambina) mt. ih. (sakambino): Hodidinina ny sandrin-tanar}a avy any an-damosina ny valahan'ny olona iarahana. ? h. o. : Arovana, tahina: Sakambino izy amin'ny diany, Andriamanitra ô! Ahitsio
Sakambina
[admin]
: a.: Fiaraha-mamindra amin'ny olona iray ka ny sandrin-tanana alefa avy any an-dam osina eo amin'ny valahana ka samy mamihina toy izany ny vatan'ny an-daniny avy. - t.i.f. : Sakambinina, asakambina, voasakambina, tafasakambina 1 manakambina, sy manasakambina, fanakamb?na sy fanasakambina, mpanakambina, mpanasakamb?na 1 anakambinana, fanakambinana, anasakambinana, fanasakambinana 1 misakambina, fisakambina, mpisakambina 1 mifampisakambina 1 isakambinana, fisakambinana / mahasakambina l sakambinkambina. Ahitsio
Sakamandimby
[admin]
: a.: Hazo lehibe mitondra ny rairain-drihana. Ahitsio
Sakamalao
[admin]
: a.: Zavamaniry masiaka mafanafana ny vodiny, latsadatsaka kely noho ny sakay. * Ohab.: Sakamalao sy hauozo: samy mitondra ny hanitra ho azy: enti-milaza zavatra na olona anankiroa samy manana ny hatsarany ka tsy azo atao hoe "itsy ambany noho iroa", fa "angady mondro sy reniakoho ka izay mananda no resy". ¶ M. h. : Sakarivo, sakaitany. Ahitsio
Sakamaina
[admin]
: a.: Tanimbary ambony toerana ka saro-drano ary tsy azo volena raha tsy tonga ny orana. Ahitsio
Sakalava
[admin]
: a.: Anaram-poko le• hibe monina amin'ny tany anelanelan'Ampasimena, a. varatra, hatrany Toliary, a• tsimo, ary ny atsinanana, voafaritry ny tandavan-ten• drombohitra mamaritra ny tanin'ny Marina. Azo zarai• na ho faritra efatra lehibe ny Sakalava, izay ireto avy raha asesy avy avaratra: i Boina (reniv. Mahajanga), Am bongo (reniv. Besalampy), i Menabe (reniv. Morondava), ary i Fiherenana (reniv. Toliary). Ahitsio
Sakalahimpeo
[admin]
: a.: Feo salasa la, tsy avo tsy iva. Ahitsio
Sakaka
[admin]
: p. t. : Adaladala, don• drondondrona, midraho• draho. Ahitsio
Sakaizaina
[admin]
: (sakaiza) mt. ih. (sakaizao): Alaina ho sakai• za. Ahitsio
Sakaiza
[admin]
: a.: Namana mifankazatra sy mifankatia amin'ny tena ka amborahana izay ao am-po sy izay manjo ny te-na: Miaraka foana Ibalita sy Isambilo sakaizany. ? Entimilaza koa lehilahy sy vehivavy mifangala-pitia any amin'ny takona (matetika, amin'ity hevitra ity, dia ampiana ny mpamaritra hoe ratsy: sakaiza ratsy). - t.i.f. : Sakaizaina, asakaiza, voasakaiza, tafasakaiza / manakaiza sy manasakaiza, fanakaiza, mpanakaiza / anakaizana, fanakaizana / misakaiza, fisakaiza, mpisakaiza / isakaizana, fisakaizana / mahasakaiza / sakaizakaiza. - F.-p.: Sakaiza manody: enti-milaza olona nitokiana izay manao ratsy ny tena any amin'ny takona. / Sakaizam-bilany uy: ilazana ireo ankizy tokony handeha hilalao, nefa tsy miala eo amorom-patana, miandry ny fahamasahan'ny sakafo noho ny hatendana. / Sakaizampatana: entina milaza ireo efa zokiolona izay mila hafanana eo amin'ny afo am-patana, — indraindray koa ilazana ireo tendan-kanina tsy miala eo akaikin'ny fatana miandry ny sakafo. / Sakaizam-patsa: anarana omen'ny olona ny hen'omby akaikin' ny sorony noho izy tsara rony, andrahoina miaraka amin'ny patsa. / Sakaizan-kauitra: ilazana ny akoho tanora izay tsara raha atsatsika amin'ny afo. * Ohab.: Ataouy maro ny sakaiza, fa iray ihany no itokisana: ohabolana mampahatsiaro fa na maro aza ny namana, vitsy no tena azo itokisana. / Manakaiza vahiny; mbola tia ka ilaozany: enti-milaza fa tsy tokony hiraiki-po amin'izay olona tsy manao afa-tsy mandalo. ¶ M. h.: Tapaka, namana, mpifankatia, mahatoky, rano sy vary, fatidra, longo, tanan-kavia sy havanana, trano atsimo sy avaratra, mpirahalahy mizara dian'omby, mifampihinana ny manta sy ny masaka. Ahitsio
Sakaitany
[admin]
: (Btm) a.: Sakamalao. Ahitsio