Teny nampidirina farany

Sahomborera
[admin]
: a.: Karazana sahona maitsomaitso volo fahita eny ambony hazo. Ahitsio
Sahoina
[admin]
: p. t.: Be dia be, raofim-potsiny, alaina araka izay tiana: Sahoina ny mananasy ambolenay er? andafy andrefana. • Amidy mora, a-tao varo-boba. Ahitsio
Sahoby
[admin]
: a.: Lanonan-dehibe misy hira sy dihy ifaninanana fanao hatry ny tamin'ny andro taloha ka nahatonga ny anarana hoe "sahobin'ny Ntaolo". Ahitsio
Sahobaka
[admin]
: a.: Karazan'angely, izay mitovy amin'ny angely tsotra na loha, na tongotra, fa ny elany no tapany kely, ary somary botabota matavy ilay izy, indrindra ny kibo lasa leminy. Ahitsio
Sahoahoa
[admin]
: a.: Kiakiaka, antso vonjeo tsisy antony. Ahitsio
Sahoa
[admin]
: a.: Resadresaka miankina amin'ny honohono; tsaho. - t.i.f. : Misahoa / sahoahoa / misahoahoa. Ahitsio
Sahiratsy
[admin]
: a.: Karazan' angady fa mivelatra kokoa ny lelany. Ahitsio
Sahiranina
[admin]
: (sahirana) mt. ih. (sahirano): Omena raharaha, ahiahy: Aza fady fa sahiraniko ianao. • Sampontsamponana, sakantsakanana: Tsy sahiranin'inona na inona izy. Ahitsio
Sahirana
[admin]
: p. t.: Be raharaha vonjena atsY sy ar?: Sahirana aho anio ka tsy afaka handray olona. / Sahirana be ihany ry zareo ato avaratra fa manana uahiny betsaka. ¶ M. h. : Miheninkenina, mipenimpenina. ? Be ahiahy, manahy, sanganehana, valsa: Sahiran-tsaina aoka izany izy amin'ilay ady lova tsy mety vita. • Sosotra, sorena: Sahirana ny anao fa tsy afa-panadinana. • Tsy manam-bola, ao anatin'ny tsy fisiana, haporetana: Sahirana mafy Ra-koto mianadahy avy hatramin'ny nahafatesan-drainy. ¶ M.h.: Poritra, tery,"poribola. • Mahatsiaro fahasarotana: Sahirana er? izy rehefa mandeha noho ilay vay ao amin'ny feny. - t.i.f. : Sahiranina / manahirana, fanahirana, mpanahirana / anahiranana, fanahiranana / misahirana, fisahirana, mpisahirana / isahiranana, f?sahiranana / sahirankirana / hasahiranana, fahasahiranana / mahasahirana. ¶ M.h.: Be raharaha, miheninkenina, mihenikenika, jambena, maro herehina, ma-ro sahanina, mipenimpenina, tominjana. — Sahirana, sahirankirana, mahantra. — Manahirana, sarotra, mafotaka, baodibaodika, anoin-tsarotra. Ahitsio
Sahindra
[admin]
: a.: Redon-javamaneno fandihizana. Ahitsio
Sahina
[admin]
: (sahy) mt. ih. (sahio): Ompana, tevatevaina. Ahitsio
Sahiaka
[admin]
: p. t.: Fisapisaka sady tsy lalina aty, talesaka mipelapelaka: Vil?a sahiaka. Ahitsio
Sahy
[admin]
: a.: Fanevatevana amin' ny teny ratsy sy ompa. - t.i.f.: Sahina, asahy, voasahy / misahy, fisahy, mpisahy / isahiana, fisahiana. - F.-p.: Misahy razana: maniratsira, manompa ny razan' ny sasany. Ahitsio
Sahy
[admin]
: p.t.: Manana herim-po hanao zavatra: Tsy sahy niady tamin'ny zanako Isambilo. • Afaka manao, manaiky: Tsy sahiko ny handray io olona io ao an-tranoko. • Tsy matahotra: Sahy anareo aho, hoy Rakoto tamin'ny lehiben'ny jiolahy. • Afakahividy: Tsy sahiko ariary zato akory io latabatra io fa ratsy. ? t.i.f.: Mahasahy na mahasaky / sahisahy / hasahiana, hahasahiana. - F.-p.: Angady sahy: angady miendrika famoalàka ny bikany. / Sahy lapa: azo aseho an-danonana. / Sahy latabatra: enti-milaza sakafo izay tsy mahamenatra ny mandroso azy eo ambony latabatra ho an'ny vahiny. /Sahy loza: tsy mataho-doza, mitsena loza. / Sahy rano: tsy matahotra ny hinona na ny hisotro tangena. J Sahy zauatra: fatra-panao an-kasahiana loatra. * Ohab.: Kely sahy lapa ohatra ny sotrobe: enti-milaza izay olona fatra-pihambohambo foana. ¶ M.h.: Sahisahy, mavany, misehaseha, sahy zavatra, sahy faty, tsy mivandy, tsy mivohovoho, bibin'olona, mosalahy, kimosamosa, misenasena, manao vy very, manao anjoria, mivarotra ai-na, mitsambiki-mikimpy, manaika loza, miseha-doza, mitsena loza, manaboha-maty, mankaha-paty, misotro ny aleoko maty, misotro tsilaky, minia maty ho maimbo, manehatra ny tandrok' omby maranitra, voalavo manaikiby, voalavo sasatry ny miaina, lolo fotsy mitono tena, atody miady amam-bato, basy maninana varatra. Ahitsio
Sahazany
[admin]
: (fr. sergent) a.: Anarana nentina nilaza ny miaramila telo voninahitra tamin' ny andro malagasy fahiny. Ahitsio
Sahaza
[admin]
: p. t.: Antonina, ampy: Sahaza hividianana ireto zavatra rehetra ireto ve ny vola any aminaoF ? Mifanandrify, mifanentana: Nahita raharaha sahaza ny zanakao aho. ? Antonina, mety: Sahaza ho an'ny faralahy tsara lahy ity pataloa ity. - t.i.f.: Manahaza. Ahitsio
Sahaza
[admin]
: a.: Tahona metaly, matsilotsilo ny lohany, izay manondro ny minitra (sahazabeny) ary ny ora (sahazakeliny) amin'ny famantaranandro: tafahodina tanteraka ny boribory amin'ny famantaranandro ny sahazabeny no mikisaka mahavita ny ampaharoa ambin'ny folony ny sahazakeliny. Ahitsio
Sahatra
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Fampanonona. Ahitsio
Sahatra
[admin]
: a.: Karazandrazan'ody mahery famosaviana. Ahitsio
Sahatoina
[admin]
: (sahato) mt. ih. (sahatoy): Ozonina. Ahitsio