Teny nampidirina farany

Sady
[admin]
: Sady... No ppt.: Ary koa: Tsara sady mafy ity hazo ity. / Sady tsara no mafy ity hazo ity. • Fanampin' izany, tsy izany ihany fa...: Mahafinaritra ahy ny uolon' io hazo io, sady mora ny uid in y. Ahitsio
Sadaraitra
[admin]
: (angl. side right) a.: Baiko-miaramila enti-milaza manendro havanana. Ahitsio
Sadalefitra
[admin]
: (angl. side left) a.: Baiko-miararnila enti-milaza manendro havia. Ahitsio
Sadakely
[admin]
: a.: Angaka madinika. Ahitsio
Sadaka
[admin]
: Sadakadaka p. t.: Jar. Dakadaka. Ahitsio
Sadaika
[admin]
: na Sadaikatra p. t.: Misalasala sy mihazohazo eo am-panaovan-javatra na eo am-pitenenana, sanganehana: Sadaikatra aho ity fa handroso, maty raibe, hihemotra maty renibe. • TsY mahita izay hatao, misalasala noho ny henatra na tahotra: Sadaikatra aho hiteny eo imason'ireo olona betsaka ireo. - t.i.f.: Mahasadaikatra. Ahitsio
Sada
[admin]
: p. t.: Enti-milaza loko roa volo ka ny iray fotsy: Sa-da mainty: fotsy sy mainty; soda mena: fotsy sy mena. * Ohab.: Vangauanga mana-na endrika, sadasada manantsoratra: enti-milaza olona tsy dia marin-toetra loatra (lazaina hoe sada roa volo, nefa manan-tsoratra betsaka lavitra). Ahitsio
Sabotsy
[admin]
: na Asabotsy (izaymarimarina kokoa) a.: Andro fahenina amin'ny herinandro, manaraka ny zomà ary mialoha ny alahady; andin fahatelo kosa izy teo amin' ny ntaolo malagasy. Ahitsio
Sabotrika
[admin]
: ft.: Asa ataon'ny reny mambomba na mandrotsirotsy na manolokolo ny zanany. - t.i.f.: Sabotrehina / manasabotrika, fanasabotrika, mpanasabotrika / anasabotrehana, fanasabotrehana 1 misabotrika, fisabotrika, mpisabotrika / isabotrehana, fisabotrehana 1 mahasabotrika 1 sabotribotrika. Ahitsio
Sabotrehina
[admin]
: (sabotrika) mt. ih. (sabotreho): Mbombana tsara, kobonkobonina fatratra, rotsirotsina. Ahitsio
Sabotraka
[admin]
: a.: Ahitra maniry any anaty rano, fanao rary tsihy na harona na satroka. Ahitsio
Sabora
[admin]
: Mitovy amin'ny Jabora. Ahitsio
Saboimaro
[admin]
: a.: Loza na voina lehibe. Ahitsio
Sabohaka
[admin]
: a.: Fitomboana, fibontsonana. Ahitsio
Saboha
[admin]
: a.: Karazana lefona fohifohy sy tsotsotra, vita vangovango. Ahitsio
Sabodika
[admin]
: a.: Fanakorontanana, fikorontanana; fanodinkodinana amin'ny teny na amin'ny fanaovan-javatra mba hampifamadika sy hampifandiso amin'izay tena izy sy marina; fifandisoana sy fifangaroan'ny teny sy ny zavatra atao. - t.i.f. : Sabodehina, asabodika, voasabodika, tafasabodika / manasabodika, fanasabodika, mpanasabodika / anasabodihana, fanasabodihana / misabodika, fisabodika, mpisabodika / isabodihana, fisabodihana. Ahitsio
Sabodehina
[admin]
: (sabodika) mt. ih. (sabodeho): Saritahina, korontanina. Ahitsio
Saboboka
[admin]
: p. t.: Mivonto be, mibibaka sahala amin'ny zavatra vonto rano, bobo-drano; enti-milaza koa ny zavatra nosesehana rivotra na rano ka niavovona sy tonga lehibe. ¶ M. h. : Mizihitra, mivozihitra. Ahitsio
Sabobaka
[admin]
: p. t.: Mivonto be, mizihitra — Enti-milaza koa ny faty efa mivonto ka mangonahona. - t.i.f. : Misabobaka, fisabobaka, mpisabobaka. Ahitsio
Sabilaka
[admin]
: p.t.: Tsy mahitsy tsara fa misompirana sy vilambilana, enti-milaza zavatra mifaraingo na mibaraingo ary tsy mahitsy (jar. Bilaka, sobilaka). - t.i.f. : Sabilahina, voasabilaka, tafasabilaka 1 manasabilaka 1 misabilaka 1 mahasabilaka / aabilabilaka. Ahitsio