Teny nampidirina farany

Roranga
[admin]
: (Btm) a.: Tanety rakotra bozaka. RORANGA dia antsoina hoe CLAIRIERE . Toerana mangadihady amin'ny toerana Rakotra Ala mikitroka, no famaritana azy. Fahita any amin'ny faritra be ala mikitroka, toy ny amin'ny Tagnala. Toerana ao anaty ala mikitroka tsy misy hazo maniry voajanahary azon'ny mponina ampiasaina io toerana io. ohatra: Any Ifanadiana dia misy toerana antsoina hoe : ANDRORANGAVOLA. Mbola feno ala mikitroka tany taloha, asa ankehitriny. Very ny maha roranga azy rahefa ripaka ny ala manodidina azy. NB: Mety feno bozaka ny roranga fa tsy misy hazo mijoalajoala anatin'ny ala mikitroka. Matetika dia toerana mangadihady tsy misy bozaka. NB: ny tanety midadasika tsy tazamaso ,feno bozaka indray dia steppes. NB: raha toa ka efa tsy misy ala intsony manodidina ny roranga dia tsy antsoina intsony hoe roranga. Ahitsio
Rorana
[admin]
: (rora) mt. ih. (rorao): Tsipazana rora: Nororan'ilay mpanao fanafody ny fery dia toa maina. ? Atao tsinonts}-nona, tebahina, fotsifotsina, zimbazimbaina: Nororany ilay mpangalatra dia lasa izy. Ahitsio
Rorampiso
[admin]
: a.: Orana manify dia manify fahita matetika eny amin'ny toerana misy tendrombohitra avo; erika madinika. ΒΆ M. h.: Erikerika, laviana, amanimboalavo. Ahitsio
Roraka
[admin]
: p. t.: Tsy mifintina tsara fa mihamiletsy sy mitambotsotra. ? Kivy tsy afa-mioitra. - t.i.f.: Aroraka, voaroraka, tafaroraka / mandroraka, f androraka, mpandroraka / androrahana, fandrorahana / miroraka, firoraka, mpiroraka / irorahana, firorahana / maharoraka / roradroraka / mivaroraka. Ahitsio
Rora
[admin]
: a.: Tsiranorano miforona ao anaty vava, manampy amin'ny fitelemana ny hanina ary manova ny toetoetrany simika; iray amin'ny ivy ihany ny rora, saingy somary mandroatra ary iniana avoaka. - t.i.f.: Rorana, arora, voarora 1 mandrora, fandrora, mpandrora / androrana, fandrorana 1 maharora. - F.-p.: Fotsy rora: ilazana ny olona tsy ankatoavina ny anatra na torohevitra omeny: Aza atao fotsy rora ireo ray aman-dreninareo! / Miteiin-drora: mitsiriritra ny hihinan-javatra amin'ny fahitana azy fotsiny. / Mitsipy rora: mampiseho tsy fitiavana na fanivaivana zavatra na olona amin'ny fandefasana rora eo anoloany. / Roram-piso: a) ny roran'ny saka izay itsofany ny biby miady aminy; b) enti-milaza koa ny erika madinika mifafy, indrindra amin'ny ririnina. Ahitsio
Ropiropina
[admin]
: (ropiropy) mt. ih. (ropiropio): Atao tonga fadiranovana. Ahitsio
Ropiropy
[admin]
: a.: Fahantrana amim-pivelomana, fahoriana, fahadiranovana, filopilopiana. - t.i.f.: Ropiropina, aropiropy / miropiropy, firopiropy, mpiropiropy 1 maharopiro-PY. Ahitsio
Ropia
[admin]
: (angl. rupee) a.: Venty fototry ny vola any India. Ahitsio
Ropy
[admin]
: a.: Takoko, fipetraka m anj okaiky. * f. : Miropy. Ahitsio
Rope
[admin]
: (Ski) a.: Tady mahazaka. Ahitsio
Rontsonana
[admin]
: (rontsona) mt. ih. (rontsony): Kapohina (amin' ny karavasy, tahamaina). ? Tendrena, kitihina (valiha): Rontsony ny ualiha, kaloy ny hira. Ahitsio
Rontsona
[admin]
: a.: Kapoka karavasy na tahamaina. ? Fitendrena na fikitihana ny valiha. * t.i.f.: Rontsonana, voarontsona / mandrontsona, fandrontsona, mpandrontsona / androntsonana, fandrontsonana / maharontsona / rontsondrontsona. Ahitsio
Rontsina
[admin]
: Fihasimban'ny Rontsona. Ahitsio
Rontsana
[admin]
: Fihasimban'ny Ronjina. Ahitsio
Rontona
[admin]
: a.: Hafainganana, hazakazaka dodona. - t.i.f.: Mandrontona, fandrontona, mpandrontona / androntonana, fandrontonana / mirontona, firontona, mpirontona 1 irontonana, firontonana / maharontona / rontondrontona. Ahitsio
Rononomandry
[admin]
: a.: Ronono namboarina atao am-bifotsy ka azo tehirizina, atao koa hoe ronono amin'ny boaty. Ahitsio
Ronono
[admin]
: a.: Tsiranorano fotsifotsy amin'ny nonon'olona na ny tohatr'omby ka iveloman'ny zaza sy ny zanak' omby. * t.i.f.: Mandronono. - F.-p.: Hero-dronono: menaka azo avy amin'ny ronono. / Manao ronono an-tavy: enti-milaza ny fanomezantoky handroboana ny sasany; teny mamy manodoka, maharenoka sy mahafaly, saingy tsy azo vitaina sy tanterahina. / Rononomandry: ronono namboarina ary atao am-bifotsy azo tehirizina. / Misotro ronono, apetraka hisotro ronono: ilazana ireo mpiasa (indrindra ny mpiasam-panjakana) nahavita ny fe-potoana ilaina ka tsy miasa intsony, nefamandray vo-la noho ny taona maro niasany. / Ronono uelona: ny ronana noterena tamin'ny omby fa tsy namboarina. / Taidronono mandroatra: entimilaza ireo mora taitaitra ka zavatra tsy toy inona aza dia mampihendratra azy. / Tsitongandronono: aretina mahazo ny sofina izay misy na-na fotsifotsy mivoaka. / Vouo-dronono: ronono namboarina ho vovony. * Ohab.: Tranobongo misy ronono ka sarotra atao malahelo: enti-milaza fa na dia tsotsotra sy mahantrahantra aza ny an'ny tena, dia tiana ihany raha ahitana mamy. / Vary amin-dronono tondrahan-tantely ka tian-ko lalina indrindra: enti-milaza zava-tsoa mitontohitra ka tiana sy ankasitrahana fatratra. Ahitsio
Ronjina
[admin]
: a.: Tosika maherihery atao olona mijoro mba hampianjera azy. * t.i.f.: Axonjina, voaronjina, tafaronjina / mandronjina, fandronjina, mpandronjina / andronjenana, fandronjenana / mironjina, fironjina, mpironjina / ronjindronjina. Ahitsio
Ronjana
[admin]
: p.t.: Vizana tsy afamitraka fa vesaran'enta-mavesatra. * t.i.f.: Mandronjana I maharonjana. Ahitsio
Rongotra
[admin]
: a.: Fitondrana zavajavatra maro izay mampananosarotra ny tena; fiarahana amin'ny ankizy betsaka izay misarangodrangotra eny am-pandehanana. - t.i.f.: Rongotina, voarongotra / mirongotra, firongotra, mpirongotra / irongotana, firongotana 1 maharongotra / rongodrongotra. Ahitsio