Teny nampidirina farany

Rongotra
[admin]
: a.: Zavamaniry. Ahitsio
Rongotina
[admin]
: (rongotra) mt. ih, (rongoty): Enti-milaza zavajavatra betsaka entina mima-ka amin'ny tena ka somary manahirankirana: Norongotiny daholo ny akanjony sy ny lam ban y. Ahitsio
Rongonimbazaha
[admin]
: a.: Karazankazo madinidinika anaovana lamba malefadefaka tsara tarehy. Ahitsio
Rongony
[admin]
: a.: Zavamaniry misy kirany azo tenomina ary fifohan'ny olona sasantsasany ny voany, izay atao koa hoe maosy, na katrinia: Mahalasa adalaladala sy mahabibibiby ny fifohana rongony. Ahitsio
Rongoana
[admin]
: (rongo) mt. ih. (rongoy): Ravahana (vakana) ny sisiny. Ahitsio
Rongo
[admin]
: a.: Izay rehetra atao amin'ny sisin-damba, eo amin'ny lohany roa, toy ny kofehy, vakana, sns... * t.i.f.: Rongoana, arongo, voarongo, tafarongo / mandrongo, fandrongo, mpandrongo / androngoana, fandrongoana 1 mirongo, firongo, mpirongo / irongoana, firongoana / maharongo. Ahitsio
Rongirongy
[admin]
: a.: Kiry, di-doha, tohika, fanaovana am-botraika na an-ditra. * t.i.f. : Tafarongirongy / mirongirongy, firongirongy, mpirongirongy 1 irongirongiana, firongirongiana 1 maharongirongy. Ahitsio
Rongatra
[admin]
: ft.: Fivoahana indray miaraka, fitroarana hivoaka ny vala, fihoarana ny fefy. * t.i.f.: Arongatra, voarongatra, tafarongatra 1 mandrongatra, fandrongatra, mpandrongatra I androngatana, fandrongatana 1 mirongatra, firongatra, mpirongatra / irongatana, firongatana / maharongatra / rongadrongatra / misarongatra. Ahitsio
Rongaronga
[admin]
: a.: Fitomboana haingana, faharorohana ao anatin'ny fotoana tsy ela. • t. t. f. : Arongaronga / mirongaronga, firongaronga, mpirongaronga. Ahitsio
Rondrorondro
[admin]
: a.: Fivindimbindina, fibinabinaky ny tarehy aman'endrika. * t.i.f.: Mirondrorondro. Ahitsio
Rondrona
[admin]
: a.: Jer. Teko. Ahitsio
Rondro
[admin]
: a.: Zavamaneno kilalaon'ankizy tanala izay tsotra dia tsotra: tapa-kazo fisaka apetraka eo ambony lao-na ka velesina amin'ny fipehana hazo anankiroa. Ahitsio
Rondrika
[admin]
: (Btl) p.t.: Karazantandrok'omby miolaka amin'ny andanin'ny sofina roa. Ahitsio
Rondrarondra
[admin]
: a.: Toetran'ny zavatra mirazorazo, toy ny volon-doha lava, ny hazo be ravina sy maro rantsana milonjehitra... * t.i.f.: Arondrarondra / mirondrarondra, firondrarondra. Ahitsio
Rondra
[admin]
: ft.: Fahatezerana tafahoatra, tsy fahatsindrian-tsaina miteraka fahadalana; filazana na fanaovana fahadaladalana, teny na zavatra tsy voahevitra. - t.i.f.: Mandrondra, fandrondra, mpandrondra / androndrana, fandrondrana / maharondra. Ahitsio
Rondra
[admin]
: a.: Zavamaniry manitra (Hydrostachys imbricata). Ahitsio
Ronaka
[admin]
: p.t.: Resim-pitiavana tafahoatra ka malemy sy manaiky lembenana tsy afa-manohitra, renoka amin'ny fitiavana. - t.i.f. : Ronahina, aronaka, voaronaka / mandronaka, fandronaka, mpandronaka 1 andronahana, fandronahana / mironaka, fironaka, mpironaka / ironahana, fironahana / mahaxonaka 1 ronadronaka. Ahitsio
Ronahina
[admin]
: sy Aronaka (ronaka) mt. ih. (ronaho, aronahy): Tiana aoka izany. Ahitsio
Rona
[admin]
: a.: Firaikana mankany aloha na aoriana, mitongilana miankavia na miankavanana. è t.i.f.: Arona, voarona, tafarona / mandrona, fandrona, mpandrona / andronana, fandronana / mirona, firona, mpirona 1 ironana, fironana / maharona 1 rondrona. Ahitsio
Rompotra
[admin]
: a.: Fanorosana ankeriny amin'ny tanana ny ravin-javamaniry toy ny ravimboangahazo. • Anaram-bosotra iantsoana koa ny ravimboangahazo na ravintoto. - t.i.f.: Romposana, voarompotra 1 mandrompotra, fandrompotra, mpandrompotra / andromposana, fandromposana 1 mahaxompotra / rompodrompotra. Ahitsio