Teny nampidirina farany

Ritsiritsy
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Tsiatsiaka. Ahitsio
Ritra
[admin]
: p.t.: Enti-milaza rano lany tsy misy intsony, tankina, sy maina: Ritra ny loharano ka tsy mahita hantsakana ny olona. ? Enti-milaza zavatra handroina ka mass-ka rehefa lasan-ko fofona ny rano nahandroana azy: Efa ritra ny vary ao am-bilany ka antsoy ny olona fa hisakafo isika. ? h.o.: Ringana, maty daholo, ripaka: Ritra tamin' ilay tondra-drano iny ny vorona nompianay teto. ? Lany, ringana, majifa, mafafa: Ritra tamin'ny loka ny hareny. * t.i.f.: Ritina, voaritra / mandritra, fandritra, mpandx?txa / andritana, fandritana / maharitxa, ridritra. - F.-p.: Hena ritra: henanohandroina ho ritra ny fahandroana azy. / Lany ritra: tapitra maty, fongana. / Loharano tsy mety ritra: enti-milaza zavatra nipoiran-iavatra hafa izay tsy mety ho lany fa miboiboika misy hatrany. / Manentan-tsy ritra: ilazana ny olona maimaika sy taitaitra, ka zavatra mbola tsy tonga amin'ny ilana azy akory dia lazaina fa vita, toy ny vary, na laoka mbola tsy ritra dia entanina na bataina hiala eo am-patana. / Ny ony aza manam-paharitana: entimilaza ny zavatra heverina haharitra mandrakizay, nefa dia mety hisy farany ihany. / Ri-drano: ilazana ny lohataona mahatankina ny rano any am-pantsakana. Ahitsio
Ritirity
[admin]
: a.: Fandeha miridiridy maika, * t.i.f.: Miritirity, firitirity, mpiritirity / iritiritiana, firitiritiana / maharitirity. Ahitsio
Ritina
[admin]
: (ritra) mt. ih. (rito): Alana ny rano ao aminy: Tokony horitina ity farihy ity fa tsy mahasalama. ? Andrahoina amin'ny fanaovana izay hahalasa fofona ny rano andrahoana azy: Tsara ny hena ritina. Ahitsio
Ritika
[admin]
: ft. (t.tr.): Haja, voninahitra. * t.i.f.: Ritihina, mandritika. Ahitsio
Ritihina
[admin]
: (ritika) rnt. ih. (ria-ho): Hajaina. Ahitsio
Ritaka
[admin]
: ft.: Kibo be mirotarota; fahalehibiazan'ny kibo (toy ny an'ny bevohoka). i t.i.f• : Miritaka, firitaka. Ahitsio
Risoriso
[admin]
: (fit.-p.) a.: Enti-milaza varotra tsy an-karihary ka misy fanararaotana tsy anerany arnin'ny fanombanana ny vidin-javatra amidy; varomaizina. ¶ M.h.: Varo-maizina, sikisiky, varotra an-kobohobo. Ahitsio
Risika
[admin]
: a.: Zoto hanao zavatra; hafinaretana handray anjara amin'ny zavatra iray; zotompo sy havitrihana: Manàna risi-po rehefa miasa. * t.i.f.: Arisika, voarisika 1 mandrisika, fandrisika, mpandrisika 1 andrisihana, fandrisihana / maharisika / risidrisika 1 marisika 1 harisika, faharisika, harisihana, faharisihana. Ahitsio
Risarisa
[admin]
: a.: Aretina na havizanana tsy dia mafy loatra. ? Famindra miadana tsy ma-ka sarotra ary miretareta. * t.i.f.: Arisarisa, tafarisarisa / mirisarisa, firisarisa, mpirisarisa 1 irisarisana, firisarisana / mahar?sarisa /marias 1 marisarisa, faharisarisana, harisarisana 1 faharisarisa. Ahitsio
Riroriro
[admin]
: a.: Fararemotra sy fendrofendro toy ny hitomany; fidradradradrana sy menomenona etsy sy eroa. Ahitsio
Riritse
[admin]
: (Ski) a.: Roritra. ? Figohana ranon-javatra bebe indray mandeha tsy miato. * Fihetsiky ny zaza ateraka manetsika ny reniny hanena azy. Ahitsio
Riritra
[admin]
: sy Rirotra a.: Mitovy amin'ny Roritra. Ahitsio
Ririsana
[admin]
: (riry) mt. ih. (ririso): Enti-milaza ny zava-maniry izay alana ny raviny: Ririsan' ny fanala ny ravin'ny zauamaniry. ¶ M. h.: Orosana, na orotana. ? Ongotana, alana (ravina). Ahitsio
Ririnina
[admin]
: a.: Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan'ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin'ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan'ny ririnina. (Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany). * t.i.f.: Mandririnina, fandririnina. - F.-p.: Roui-damba ririnina: enti-milaza fahoriana faran' izay mafy, satria ny ririnina efa man gatsiaka ary amin'io indray no rovi-damba. * Ohab.: Mivadibadika ohatra ny andro ririnina: ilazana toetra mora miovaova toy ny andro ririnina, izay mafana kely dia tonga mangatsiaka indray avy eo. / Tay main-tsy lena toy ny andro ririnina: enti-milaza toetra tsy hita hatao tsara tsy hita hatao ratsy toy ny andro ririnina izay tsy maina mafana no tsy lena mandriaka fa manerika madinika lava. / Ririnin-dasa tsy tsaroana: nony sendra ny hatsiaka mamirifiry, dia toa hadino ny teo aloha ka milaza fa mbola tsy nisy hatsiaka ohatra izany. Ahitsio
Riry
[admin]
: sy Riririry ft.: Toetran'ny zavatra tsy misy raviny, ringitra. - t.i.f.: Ririsana, voariry, voariririry 1 mandriry, fandriry, mpandriry; mandriririry, fandriririry, mpandriririry / andririsana, fandririsana / mahariry, mahariririry / mariry. Ahitsio
Riry
[admin]
: a.: Zavatra na hanina heverina ho maloto. Ahitsio
Rirarira
[admin]
: Jer. Korira. Ahitsio
Ripaka
[admin]
: p.t.: Nahavoazana betsaka (voly na biby ompiana miampatrampatra noho ny aretina, na vono, na fikapana, na loza samihafa): Ripaky ny tafiodrivotra ny zanakazo betsaka tao an-tanimboiiko. * Maty daholo, lany ringana: Ripaky ny barika ny akohon' i Naivo ka nalahelo aoka izany izy. * t.i.f.: Aripaka, voaripaka 1 mandripaka, fandripaka, mpandripaka / andripahana, fandripahana / miripaka, firipaka, mpiripaka 1 iripahana, firipahana 1 maharipaka / ripadripaka. 'Rirana a.: Zorony mivohitra: Voun'ny riran-databatra ny takibako. ? Ny lafiny maranitra na ny ilany ihany: Te-Io rirana ny zozoro. * t.i.f.: Mandrirana / matira-na 1 marirandrirana. - F.-p.: Mandry an-driran' antsy: matory amin'ahiahy sy eritreritra noho ny tahotra sy ny fanahiana loza hitranga na mety hitranga. Ahitsio
Riotra
[admin]
: a.: Anaran-kazo tsy dia Inhibe loatra, karazana Mimoza. Ahitsio