Riotra [admin] | : | a.: Fandehanana mafy, hazakazaka na fimaonana mafy. i fi. f.: Tafariotra / miriotra, firiotra, mpiriotra 1 iriotana, firiotana / mahariotra / riodriotra. Ahitsio |
Riorio [admin] | : | a.: Fivezivezena eny rehetra eny; firenirenena foaana. ? Fitenitenenana na fanaovan-javatra kitoatoa, befahatany. - t.i.f.: Ariorio, voariorio, tafariorio 1 mandriorio, fandriorio, mpandriorio / andrioriovana, fandrioriovana 1 miriorio, firiorio, mpiriorio 1 irioriovana, firioriovana 1 mahariorio. Ahitsio |
Riorio [admin] | : | (fit.-p.) a.: Tady ampifamatorina hiarovana ny vorona tsy hihinana ny voly. Ahitsio |
Riona [admin] | : | ft.: Ny fifiokan'ny zavatra mandalo na nivily tsy lavitra loatra; fijery misompirana dia midify. - t.i.f. : Tafariona / mandrin-na, fandriona / miriona, firiona. Ahitsio |
Rintona [admin] | : | a,: Fandehanana miala tampoka noho ny hatezerana na hasosorana. - t.i.f.: Tafarintona 1 mirintona, firintona, mpirintona / irintonana, firintonana / maharintona / misarintona. Ahitsio |
Ringitra [admin] | : | sy Ringindringitra p. t.: Afa-dravina, bory ravina: Ringitry ny fanala ny voly rehetra. ? (volo) Fohy sy mikainkona, ngita: Olona ringibolo izay no nitondra an'ity taratasy ity. Ahitsio |
Ringiringy [admin] | : | a.: Toerana avo; ny eny an-kavoana misy hantsana. ? Teronterona. ? /.o.: Rehareha, avonavona. - t.i.f.: Aringiringy, voaringiringy, tafaringiringy / miringiringy, firingiringy, mpiringiringy / firingiringiana 1 maharingiringy. Ahitsio |
Ringanina [admin] | : | (ringana) mt. ih. (ringano): Fonganina, ravana, simbana: Noringanin'ny fahavalo ny zava-drehetra tamin'ity faritany ity. Ahitsio |
Ringana [admin] | : | p.t.: Tapitra voa, na maty avokoa, maty daholo, lany ripaka, fongana. * t. if.: Aringana, ringanina, voaringana / mandringana, fandringana, mpandringana / andringanana, fandringanana / miringana, firingana, mpiringana / iringanana, firinganana / maharingana. Ahitsio |
Ringa [admin] | : | a.: Toerana fanaovana ady totohondry, na rehefa mety ho ady kilalao samihafa: Miakatra ringa. Ahitsio |
Ringa [admin] | : | (Br) a.: Tolona fanaon' ny, Bara manaraka izao fitsipika izao: tsy voalaza resy raha tsy mianjera ka mitehika ~nin'ny tany ny soroka roa. Ahitsio |
Ringa [admin] | : | ft.: Fandeha (olona) na fipetraka (zavatra) mitongilana, tsy marina na mahitsy tsara, tolitsika. - t.i.f.: Mandringa, fandringa, mpandringa / andringana, fandringana / ringaringa. Ahitsio |
Rindrinana [admin] | : | (rindrina) mt. ih. (rindrino): Enti-milaza loaka na vava lavaka tampenana, tsentsenana. Ahitsio |
Rindrina [admin] | : | a.: Fefy biriky na vato atao vatan'ny trano: Manao trano ry Rakoto, ka efa mitsangana ny rindrina. / Fe-no sary ny rindrin-dry zareo ato avaratra. ? Fanakatonana varavarana: Tsy tsara rindrina ny varavarankely ka idiran'ny riuotra. ? Enti-milaza koa ny tsy fivohana. * t.i.f.: Rindrinana, arindrina, voarindrina, tafarindrina 1 mandrindrina, fandrindrina, mpandrindrina / andrindrinana, fandrindrinana 1 mirindrina, firindrina, mpirindrina / irindrinana, firindrinana / maharindrina. - Ilay mahia miankindrindrina: fampanonona fanaon'ny ankizy ka ny valiny dia hoe sahafa (noho ny maha-fisaka ny sahafa no ilazana azy ho mahia). / Manaradrindrina: ilazana ny zaza vao miana-mandeha ka mitehina amin'ny rindrina. / Mihomehy rindrim-baky: olona mihomehy foana tsy misy antony ka heverina ho simba saina. / Mpihady uodirindrina: ilazana ireo jiolahy na tontakely mihady rindrintrano hangalarany ny ao anaty trano. / Miankin-drindrina irery: enti-milaza ny vehivavy mihetsi-jaza izay tsy azon'ny hafa ampiana na dia misy maharary sy manaintaina aza — teny ent?-mahatsiahy ny fijaliana entin'ny reny rehefa miteraka. Ahitsio |
Rindran-kira [admin] | : | a.: Fampisehoana karazan-kira maro voarindra na voalamina tsara. Ahitsio |
Rindraina [admin] | : | (rindra) mt. ih. (rindrao): Amboarina hanana endriky ny saikirb. Ahitsio |
Rindra [admin] | : | a.: Ny hoditry ny zozoro anaovana tsihy. ? Zavatra natao ho afaka hiditra tsara ao anatin'ny zavatra iray hafa noho ny kinifinifiny afaka mikorisa amin'ny lavaka namboarina ho an' izany amin'ilay lavaka faharoa, saikirô: Tapaka ao anatin'ny ambaviny ny rindrankazo. ? Filantolantoana na fandaharana zavatra maro mba hifanaraka tsara. * t.i.f.: Rindraina, arindra, voarindra, tafarindra / mandrindra, fandrindra, mpandrindra / andrindrana, fandrindrana / mifandrindra / mirindra, firindra, mpirindra /irindrana, firindrana / maharindra 1 rindraxindra / rindran y. Ahitsio |
Rimorimoana [admin] | : | (rimorimo) mt. ih. (rimorimoy): Enti-milaza zavatra na olona anipazana zavatra mifofofofo, mimamam am a. Ahitsio |
Rimorimo [admin] | : | a.: Zavamaneno vita amin'ny silaka volotsangana sahabo ho vehana ny halavany ary voatondro roa ny sakany, ka maranitra toy ny loha lefona ary misy lavaka kely eo amin'ny tendrony iray mba hitsofohan' ny tady ifatorany; misy tahony hihazonana azy koa: ahodinkodina "mirimorimo" izy io ka arakaraka ny maha-mafy ny fanodinkodinana azy no ahazoana feo mafy kokoa. (Ny Tanala no mpampiasa azy indrindra; manarakaraka, ny Sakalava, izay manome anarana azy hoe: Tambovo). Ahitsio |
Rimodrimotra [admin] | : | a.: Fialana amin-katezerana sady mirintona. - t.i.f. : Mirimodrimotra, firimodrimotra, mpirimodrimotra / irimodrimotana, firimodrimotana / maharimodrimotra. ¶ M.h.: Romodromotra. Ahitsio |