Teny nampidirina farany

Rifatina
[admin]
: (rifatra) mt. ih. (rifato): Enjehina. rahonana. Ahitsio
Ridralava
[admin]
: p.t.: Miverimberina tsy misy fiovany, fa toy ny teo ihany: Mahasosotra izany hira ridralava izany fa ajanony. Ahitsio
Ridra
[admin]
: a.: Takela-by mihetsiketsika ka mamoaka feo marnpaneno ny zavamaneno sasany, toy ny klarinety. Ahitsio
Ridiridina
[admin]
: (ridiridy) rait. ih. (ridiridio): Henjanina. Ahitsio
Ridiridy
[admin]
: a.: Fihenjanana, fihinjirana tsy miketraka. ? Fijoroana. - t.i.f.: Aridiridy, ridiridina, voaridiridy, tafaridiridy I miridiridy, fkidiridy, mpiridiridy / iridiridiana, firidkidiana / maharidiridy. Ahitsio
Ridana
[admin]
: mt.: Lasa, mandositra haingana sy mafy, ka miarabe amin'izany: Iray no uoa tamin'ireo uorona, nefa dia ridana daholo izy rehetra. - t.i.f.: Axidana, voaridana. tafaridana / mandxidana, fandridana, mpandrldana / andridanana, fandridanana / miridana, firidana, mpiridana / iridanana, firidanana / maharidana / ridandxidana / miboridana. Ahitsio
Ribika
[admin]
: a.: Fitana rano, fitsobohana rano der. Roboka). i t.i.f: Miribika. - F.-p.: Ribik'ondry: fitana miara-be toy ny ondry. • h. o: Fiarahana mandeha na manao zavatra indray miaraka. Ahitsio
Ribariba
[admin]
: a.: Kibo be mirotarota; fandeha mikonesanesa noho ny hatavezana. Miribariba, firibariba / ramiribaka. Ahitsio
Ribà
[admin]
: (fr. ruban) a.: Tsoriadamba manify fanao hafngon'akanjom-behivavy na famatorana volo na famehezana amboaran-javatra mihaja. Ahitsio
Riba
[admin]
: a.: Fomba amam-panao: Tsy riba vao fa riba tranainy. Ahitsio
Riatra
[admin]
: mt.: Lasa, lasa nandositra, niparitaka: Vao nipoaka ny basy, dia riatra ny uorona teo ambony hazo. • h. o.: Mirintona, miala an-katezerana. i tif: Riatina, ariatra, voariatra, tafariatra / mandriatra / mampiriatra I ampttiatina / miriatra, fixiatra, mpiriatra / iriatana, firiatana I mahariatra / riadriatra I riadriatina I miriadriatra. Ahitsio
Riatina
[admin]
: (riatra) mt. ih. (riato): Ampandosirina, aparitaka: Riato ireo zaza ireo fa mahasosotra. • Rovitina ka heno mitsiaka ilay zavatra; tsiahina: "Noriatiny ny akanjony fa naneuateua an'Andriamanitra, hono, izy". Ahitsio
Riariavina
[admin]
: (riaria) mt. ih. (riariauo): Hetsiketsehina ao anaty rano. Ahitsio
Riandriana
[admin]
: a.: Vy bontolo, fisapisaka ny tampony, ametrahana ny zavatra hotefena izay kapohina amin'ny maritoa eo amboniny. Ahitsio
Rianaratra
[admin]
: a.: Onjan'aratra mitsoriaka amin'ny tari-barahina. Ahitsio
Rianana
[admin]
: (riana) mt. ih. (riano): Asiana mafy: Norianany ny tehamaina ilay zaza niteny ratsy. • Katrohina: Riano o. m in' izao. Ahitsio
Riaka
[admin]
: a: Rano avy amin'ny ranonorana mikoriana amin' ny tatatra: Nentin'ny riaka ny satrony ka tsy tratra intsony. • h.o.: Habetsahana. ? h.i.: Rano be;ranomasina: Aniuon'ny riaka no anarana niantsoana fahizay ny tanintsika. - t.i.f.: Mandriaka, fandriaka / miriaka, firiaka / riadriaka / miriadriaka, firiadriaka, mpiriadriaka / mahariadriaka I mariaka sy mariadriaka. - F.-p.: Aniuon'ny riaka: enti-milaza izay tany voahodidin'ny rano toa an'i Madagasikara, ka izany teny izany indrindra no nilazana ny Nosin'ny Malagasy fahizay. / Entin-driaka: paohin'ny rano mandeha amin'ny tatatra. min'ny toerana ambony, izay matetika avy amin'ny fahatapahan'ny lalan'ny renirano, ka tsy misononoka intsony fa midina tampoka manaraka laha-bato mikitoantoana; noho ny rano mianjera mafy, dia misy roatrany be ary mitalakotrokotroka ny riana sasany. - t.i.f.: Rianana / mandriana, fandriana / riandriana / miriandriana. - F.-p.: Riam-bato: enti-milaza ny rano mivarina amin' ny haram-bato. f Saobakaka ambody riana: fitenenana ilazana ny olona tsy milamintsaina fa voakorontana sy mitebiteby lava toy ny saobakaka voakotaban'ny fivarinan'ny rano mianjera ao amin'ny riana eo akaikiny. * Ohab.: Tsy misy uolo manoha randrana, na vato manoha riana: enti-milaza fa tsy misy manohitra izay atao sy heverina fa milamina tanteraka hatrany. Ahitsio
Riadriatra
[admin]
: a.: Anaran-kazo. Ahitsio
Riadriatra
[admin]
: a.: Fomba filalao amin'ny fanorona, mifanohitra amin'ny vela. Ahitsio
Riadriatra
[admin]
: a.: Hatezerana arahim-pihetsika mitefotefoka na mitrevatreva, tsy misy fitsitsiana na dia kely aza; fipoahana mahery setra. 1 Riadriatina, voariadriatra, tafariadriatra / miriadriatra, firiadriatra, mpiriadriatra / iriadriatana, firiadriatana. Ahitsio