Teny nampidirina farany

Riadriatina
[admin]
: (riadriatra) mt, ih. (riadriato): Atao amin-katezerana arahim-pihetsika mitrevatreva; apoapoaka mafy. Ahitsio
Riadriaka
[admin]
: a.: Hafaliana noho ny fiarahana amin'ny hafa. Ahitsio
Ria
[admin]
: sy Riaria a.: Fandehanan' ny rano izay mafy firiotra; fanetsiketsehana zavatra ao anaty rano; fandehandehanana ets? er9 amin-kafaliana. - t.i.f.: Riariavina, ariaria, voariaria / mandriaria, fandriaria, mpandriaria / andriariavana, fandriariavana I miriaria, firiaria, mpiriaria / iriariavana, firianiavana I maharfarfa / maria. Ahitsio
Ry
[admin]
: p.a.: Izay amplasaina raha olona maro no tondroina: Efa tonga oe ry Rakoto mianakauy? / Tsy fantatro ny nalehan-dry zalahy. Ahitsio
Ry
[admin]
: Jer, Ray. Ahitsio
Ry
[admin]
: Kianteny kely: a) atao eo alohan'ny anaran'olona antsoina: Ry Koto o! ento aty ny solomasoko; b) atao eo alohan'ny anaran'olona itenenana am-pitiavana: Ry hava-na, aoka isika hifankatia fa ny maty aza, hono, te ho maro; d) atao eo alohan'ny Riana a.: Rano mianjera avy a-an aran ' olona an gatahan-javatra amim-pitalahoana: Ry Tompo ô, mamindrà fo aminay! Ahitsio
Rezoka
[admin]
: Mitovy amin'ny Razoka. Ahitsio
Rezatra
[admin]
: a.: Fofona mivoaka avy ao am-bava, avy amin'ny sakafo nohanina tsy levona. ? Fantsika lehibe. - t.i.f.: Rezatina, arezatra, voarezatra / mandrezatra, fandrezatra, mpandrezatra / andrezatana, fandrezatana / mirezatra, firezatra, mpirezatra I irezadrezatana, firezadrezatana I maharezatra. Ahitsio
Rezatina
[admin]
: (rezatra) mt. ih. (rezato): Fantsihana amin'ny fantsika vaventy. Ahitsio
Rezarezaina
[admin]
: (rezareza) mt. ih. (rezarezao): Enti-milaza ny valiha kitikitihina amin'ny fomba toa valabalaka. Ahitsio
Reza
[admin]
: sy Rezareza a.: Fandeha valabalaka tsy maka sarotra; famindra miadana sy feno filaminana toy ny mitaritaritongotra. - t.i.f.: Rezarezaina, arezareza, tafarezareza 1 mandrezareza, fandrezareza, mpandrezareza 1 andrezarezana, fandrezarezana l mirezareza, firezareza, mpirezareza / irezarezana, firezarezana 1 maharezareza. Ahitsio
Revoina
[admin]
: (revo) mt. ih. (reuoy): Enti-milaza ny fotaka, honahona ilentehana. / Alentika ao anaty raharaha, fahasahiranana. Ahitsio
Revo
[admin]
: p.t.: Latsaka an-kona na anaty fotaka marihitra: Revo tao anaty fotaka ny ombinay. 1 h.o.: Revon'ny fitiavana io zazalahy io ka tsy nahatozo ny fianarany. 1 Variana manao zavatra ka tsy mahatsiaro ny manodidina intsony: Revon-daolao ny ankizy ka tsy mahatsiaro izay sakafo intsony na revo milalao ny ankizy... 1 Sahirana fatratra: Revon'ny trosan'olona izy. - t.i.f.: Revoina, arevo, voarevo 1 mandrevo, fandrevo, mpandrevo I andrevoana, f andrevoana 1 maharevo 1 revorevo. - F.-p.: Raha reuom-potaka, rano no manasa ; raha revonteny, vava no manala; raha revon'alahelo, havana no itarainana: fitenenana somary ohabolana enti-milaza fotokevitra iray, dia ny hoe: raha misy mahavoa ny tena dia any amin'ny havana no idodododoana. ¶ M.h.: Variana, sondriana, rendrika, renoka, jemby, senoka, rendrehana. Ahitsio
Revengo
[admin]
: na Reveno (Ski) a•: Anaran'ilay toa olona mitan-dry valiha eo amin'ny vola-na. Resaka dridralava. Ahitsio
Revaka
[admin]
: ft.: Haingo feno rentirenty manaitra ny maso; ravaka mambabo amin'ny fanjelanjelany. - t.i.f.: Arevaka, marevaka 1 harevaka Ifaharevaka. Ahitsio
Retsika
[admin]
: sy Retsidretika a.: Fahatsiarovana ho misy mamolivoly na mandehandeha any apatin'ny tena any. 1 Enti-milaza ny asa ataon'ny zavamananaina maro be indray mihetsika. 1 Aretina mitsakotsako malefaka amin' ny faritra iray na maro. - t.i.f.: Aretsidretsika, retsidretsehina 1 mandretsika, fandretsika, mpandretsika; mandretsidretsika, fandretsidretsika, mpandretsidretsika / miretsika, firetsika, mpiretsika; miretsidretsika, firetsidretsika, mpiretsidretsika 1 maharetsika, maharetsidretsika. Ahitsio
Retsidretsehina
[admin]
: (retsidretsika) mt ih. (retsidretseho): Atao mandre volivoly. ¶ M.h.: Aretsidretsika. Ahitsio
Retsy
[admin]
: sy Retsiana s.o.: Ifampiantsoan'ny vehivavy mitovy saranga: Auia, ray retsiana, fa raofim-potsiny ny trondro eto a! Ahitsio
Retika
[admin]
: sy Retidretika a.: Soratra mitsaporetika, mifotetaka, saro-bakina; fisomaradimbana. - t.i.f.: Aretidretika, retidretehina, voaretika, voaretidretika I miretika, firetika, mpiretika; miretidretika, firetidretika, mpiretidretika. Ahitsio
Retidretehina
[admin]
: (retidretika) mt. ih. (retidreteho): Fotetahana, tsy atao milamina tsara. Ahitsio