Teny nampidirina farany

Rekany
[admin]
: Kianteny kely mety hanan-kevitra roa: 1) Manko: Eny rekany! 2) Re: Aiza rekany no halehako tsy hahitany ahy? Ahitsio
Rejisitra
[admin]
: (fr. registre) a.: Boky fitanana anarana. Ahitsio
Rehoka
[admin]
: a.: Zavatra maditidity avoaka avY any an-tenda, indrindra raha marary voan'ny kohaka: Tokony hangonina amin'ny tavy kely ny rehoky ny marary. ~ Ny fitronan' ny omby resy an'ady na ny omby vonoina ka efa voakenda. - t.i.f,: Rehofina, arehoka, voarehoka, tafarehoka J mandrehoka, fandrehoka, mpandrehoka / andrehofana, fandrehofana / mirehoka, fixehoka, mpirehoka / irehofana, firehofana I rehodrehoka. Ahitsio
Rehofina
[admin]
: (rehoka) mt. ih. (rehofy): Anipazana rehoka, andrehofana: Nahoana no rehofinao ny zanako? Ahitsio
Rehitra
[admin]
: a.: Fiveloman'ny afo; fahamaimaizana, hidihidy, fisafoahana tafahoatra. - t.i.f.: Rehetana, arehitra, voarehitra, tafarehitra J mandrehitra, fandrehitra, mpandrehitra J andrehetana, fandrehetana I mirehitra, firehitra, mpkehitra J irehetana, firehetana 1 maharehitra I rehidrehitra,forehitra. Ahitsio
Rehetra
[admin]
: p. mlk.: Tsy misy avakavaka, aby, jiaby: Tonga ny mpianatra rehetra. (Matetika no hamafisin'ny p. mt. daholo, avokoa, ny hevltry ny teny hoe rehetra: Tonga dahoio ny mpianatra rehetra na tonga daholo ny mpianatra (fotsiny). ¶ M.h.: Daholo, tsy vaky volo, poporohana, na iza na iza, na zovy na zovy, safobemantsina, manontolo, tsy ankanavaka, tsy misy avakavaka, faobe, tsy mifaka. Ahitsio
Rehetana
[admin]
: (rehitra) mt. ih. (reheto): Velomina (afo): Norehetako ny afo fa tsy nirehitra azon'ny terza ny kitay. 1 Asiana: Norehetany tehamaina ilay karilahy fa namitaka azy. Ahitsio
Rehefa
[admin]
: p. mt.: Raha afaka kelikely, rahariva: Ho auy aho, rehefa fa andraso, / ppt. feh.: (fihasimban'ny rahefa) Rehefa mandeha ianao, hidio ny uarauarana. Ahitsio
Rehareha
[admin]
: a.: Karazan-kazo (Colea); misy reharehalahy (Colea floribunda), ary reharehavavy (Colea). Ahitsio
Rehareha
[admin]
: a.: Fihetsika miavona sady tsy miraharaha; fianjonanjonana noho ny hery na ny harena na fahaizana... ananana: Reharehan'olona re izany! mba manana fiarakodia izy ka dia mianjonanjona er?. ~ Zavatra na olona mahatonga hanana hambo: Ianareo miaramila nandresy no reharehan'ny firenena. - t.i.f.: Reharehana, voarehareha, tafarehareha / mirehaxeha, firehareha, mpirehareha 1 ixeharehana, fireharehana / maharehareha. Ahitsio
Rehana
[admin]
: p.t. (t.tr.): Maro be, tsy tambo hisaina. Ahitsio
Rehaka
[admin]
: a.: Hadedahana, hakevohana, fiderana tena. - t.i.f.: Tafaxehaka I mirehaka, firehaka, mpirehaka J irehafana, firehafana f maharehaka J rehadrehaka. Ahitsio
Refotra
[admin]
: a.: Feon-javatra vaky na tapaka, ka miriatra, mitefoka, toy ny hazo maina voahitsaka, feom-basy mipoaka. 1 tif: Arefotra, tafarefotra 1 mandrefotra, fandrefotra, mpandrefotra J andrefotana, fandrefotana / mirefotra, firefotra, mpirefotra J irefotana, firefotana I maharefotra f refodrefotra. Ahitsio
Refona
[admin]
: p.t.: Valaka, reraka noho ny hanoanana: Refona aho ka nijanona nipetraka teo ambody hazo, nihinana iiay tapa-mofo farany tao anaty kitapoko. Ahitsio
Refo
[admin]
: ft.: Toetran'ny zavatra mora vaky, malia. - t.i.f.: Marefo I mareforefo I harefo, faharefo. Ahitsio
Refy
[admin]
: a.: Halavana mitovy amin'ny halavan'ny sandry roa mitsotra tsars (ny refy dia sahala amin'ny mamakitratra indroa, na zehy imbalo na tondro inenina amby sivifolo, ka mitovy amin'ny 1,75 metatra eo ho eo amin' ny fandrefesana ampiasaina ankehitriny). Halavana: Zahao kely ny refin'ity latabatra ity. - t.i.f.: Refesina, arefy, voarefy J mandrefy, fandrefy, mpandrefy J andrefesana, fandrefesana / maharefy. - F.-p.: Refy tsy miampatra: ilazana fandrefesan-javatra manambaka: tsy henjanina tsara hivelatra ny tanana roa hany ka tsy ampy reo fy. ~ h, o.: Faneriterena. f Refy miampatra: refy atao somary mihantsika kely any aoriana ny sandry anankiroa. 1 h.o.: Enti-milaza ny fahafahana malalaka. Ahitsio
Refesina
[admin]
: (refy) mt. ih. (refeso): 1) Jerena misy refy firy; 2) alaina refy, jerena ny halavany: Refeso kely ny lavan'ity efitra ity sy ny sakany. - F,-p,: Tsy refesi-mandidy: enti-milaza ny mpitondra manao jadona. ¶ M,h,: Mandidy tokana, tsy zehena, mpanao teniko fe lehibe, mpanao teny tsy valiana, mpanao teny jadona. Ahitsio
Refarefaina
[admin]
: (refarefa) mt. ih. (refarefao): Enti-milaza ny raharaha atao mitarozaka, ka manjary halavaina ny fotoana hamitana azy. Ahitsio
Refarefa
[admin]
: p.t.: Mitaritarika amin'ny tany. / a.: Toetran' ny zavatra lava miramborambo ka mitaritarika amin'ny tany, ny zavatra mitarozaka ela loatra, ny masoandro ma-diva hilentika, ny olona mitaredretra. - t.i.f.: Refarefaina, arefarefa, voarefarefa, tafarefarefa / mandrefarefa, fandrefarefa, mpandrefarefa I andrefarefana, fandrefarefana I mirefarefa, firefarefa, mpirefarefa I irefarefana, firefarefanalmaharefarefa. Ahitsio
Refaka
[admin]
: ft.: Toetran'ny zavatra mitaritarika mifafa amin'ny tany toy ny rambo, ny akanjo lava... - t.i.f.: Arefaka, tafarefaka I mirefaka, firefaka, mpirefaka J irefahana, firefahana ! refadrefaka. Ahitsio