Teny nampidirina farany

Mianjady
[hery]
:(anjady) mt. s,: Ma. naram-po sy miala liana amin'ny sakafo, ~ h,o,: Ma. mely mafy: Tay tambo isaina ny fahortana mianjady amin' ny olombelona, Ahitsio
Mianina
[hery]
:(anina) mt, s,: Miato kely, mitsahatra tsy mandroso: Tsy nandeha adiny iray akory Izahay dia nianina teo ambody hazo midoroboka iray, 1 Mijanona tsy mande-ha fntsony, tsy avy intsony (orana): Tamin'ny telo ma_ raina vao nianina ny orana sy ny rlvotra, ? Mifaly, afapo amy,.,: Tsy tokony hianina amin'ny fahafzana efa azo fa tokony hanitatra ihany, Ahitsio
Mianika
[hery]
:(anika) mt, p, (mianiha): Miakatra eny ambony: Loza raha hianika hazo io zaza to ka rovitra daholo ny ahanions,. Ahitsio
Mianiany
[hery]
:(aniany) p.t.: Mibontsina, mihalehibe noho ny fivontosana, Ahitsio
Mianiana
[hery]
:(aniana) mt, s.: Manambara ampahibemaso fa: 1) hilaza izay fantatra ho marina: Mianiana izy fa hilaza ny marina ary ny mari-na ihany, 2) Hanome lzay nampanantenaina: Mianiana aho fa hanome vola azy raha uao manana, 3) Hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny andraildtra takin'ny asa aman-draharahan'ny te-na: Nianiana ireo mpitsara vao nandray raharaha fa hanao araka ny rariny mandrakariva, Ahitsio
Miangoty
[hery]
:(angoty) mt, s,: Manambitamby olona fatratra mba hanaovany ny sitrapon' ny tena, Ahitsio
Miangongo
[hery]
:(angongo) p.t.: Miavovona, mitoby. Ahitsio
Miangona
[hery]
:(angona) mt,s,: Mivory amin'ny toerana iray: Niangona tao an-tokotanibe ny fokonolona 1 Mihandro. na, mikambana: Miangona eto amin'ity lempona ity ny rano, 1 Mivavaka any am-piangonana: Lasa niangona i dada sy i neny, Ahitsio
Miangola
[hery]
:(angola) mt, s, (mi. angotd): Mihantahanta aseho amin'ny fiteny sy ny fihetsehana. - F,-p,: Miangolavaitra: mi. hanta fatratra, Ahitsio
Miangoango
[hery]
:(angoango) p.t.: Miavoavo, feno mitafotafo na miavovona be: Iza no ni. tondra ireto vato miangoan. go ireto? 1 Te-hatao ho ma-nana ka miaingitraingitra sy mihaitraitra, tsy manao ny raharaha fanaon'ny mpiasa an-trano: Miangoango aoka izany iny zazauauy iny fa tsy mandray ravin-deno, hono, izy. Ahitsio
Miangitrangitra
[hery]
:(angitra) mt s.: Manda tsy hanao na ma. nao an-kalainana, Ahitsio
Miangiangy
[hery]
:(angiangy) mt. Manao valavala ratsy ka tsy menatra akory eo imasombahoaka: Miangiangy aoka i. zany amin'ny sakalzany io tovolahy lo. ? M.h.: Tsy mahalala menatra, sahy loatra, tsy vaky aty, tsy vaky afero, tsy vaky atatra, tsy valahara, Ahitsio
Miangeso
[hery]
:(angeso) mt, s.: Miseho ho fatra-panao mihoatra ny mety, amin'ny fiteny na amin'ny fihetsika na aamin'ny fita$ana, Ahitsio
Miangentsana
[hery]
:(angentsana) mt. s.: Miseho ho sarotiny ka mi. aingitraingitra, mihaitraitra, tsy mandray ravin.deno, Ahitsio
Miangavy
[hery]
:(angavy) mt, p. (miangavia): Mangataka zavatra am-panajana: Mlangavy angady aminao re aho fa tapaka ny ahy. 1 Mangataka olona am-panajana mba hanampy ny tena na hanao asa ho an' ny tena: Andeha miangavy ny sakalzanao hamita ilay ra_ haraha fa marary ity fanai>. Ahitsio
Miangatra
[hery]
:(angatra) mt, p, (miangara): Tsy manao araka ny rariny amin'ny fizarana tombon-tsoa na amin'ny fitsarana: Mahagaga fa misy ray aman-dreny miangatra amin'ny zanany sasany, ka manome azy ireo betsaka no-ho ny hafa, amin'ny fizarampananana. ? M.h.: Mifidy tavan'olona, manao mizana tsindriana ila, manao mpitsara be kibo, manao zanaka anaty fo maharary, manisy hodi-tsirany sy hodi-peny, manao loa-bary mitahy vady, manisy tombo sy hala, manao atody mafana ila. Ahitsio
Miangano
[hery]
:(angano) mt, s,: Milaza angano. 1 Mihaitraitra, Ahitsio
Miangana
[hery]
:(angana) At,: Sisa mijanona na tafajoro: Loza fa tamin'ny vola eninjato nentiko tany an.tsena, roa. polo sisa no niangana, - F.-p,: Tsy misy miangana: lany tanteraka daholo, Ahitsio
Mianefitra
[hery]
:(efitra) mt. s,: Mandeha mamaky ny tanY efitra, * Ohab.: Aleo maty olo.malaina toy izay vaky viiany mianefitra: entimilaza ny fa. hatsinontsinon'ny olo-malaina, kamo (ny fahafatesany dia tsy mitondra fahavoazana firy miolotra amin'ny fa. havakisam-bilany any an'efitra, izay mafy tokoa satria tsy ahitana na nions na inona horaisina hahandroan-kanina any), * Fiten,: Raha tsy manantena ho lahy ve hianefitra?: enti-milaza fa raha tsy mana-na fahavononana, tsy tokony handray adidy. Ahitsio
Miandrovondrovo
[hery]
:(androvondrovo) mt, s.: Miaraka na mikambana amin'ny androvo na mpangalatra, Ahitsio