Dikan'ny teny : manenjika

Hampiditra dikany vaovao
1 (enjika) mt p. (manenjeha): Manaraka: Sasatra aho ka nanenjika an-dry zalahy moramora avy aoriana. • Mihazakazaka avy aorian'ny olona ixay ka manao izay hahatratrarana azy: Nanenjika ny zanakao aho mba hohafarako. 1 lao.: Manaraka hatrany: Loza Ramatoa iny raha hanenji-damaody. • Mihaza: Lasa nanenjika lolo any an-tsaha any izy. • Mamely an-kolaka na mivantana izay tsy azoazo: Tsy fantatro izay anenjehan' ny lehibeko ahy, nefa tsy misy ratsy nataoko. • MamPijalijaly olona, izay trandrahina hatraiza hatraiza: Nanenjika ny kristianina Ranavalona reniny. - F.-p.: Manenjika alika: enti-milaza olona adala. JManenji-damaody: fatra-panaraka ny fomba fiakanjo na ny fomban'ny didy akanjo isaky ny misy vaovao miseho. J Manenji-dresy: enti-milaza ny olona mahita ny fahavoazan'ny hafa ka manararaotra izany hanampiana trotraka. J Manenjika ora: manao asa na zavatra haingana mba hahavitana azy ara-potoana. * Ohab.: Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny fieritreretana: entimilaza ny hamafin'ny fanjohian'ny eritreritra raha toa ka aisy ratsy nataon'ny tena. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel