Dikan'ny teny : rariny

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fitsarana araka ny tokony ho izy, izay mirary tsara, izany hoe miady masony tsara tanteraka: Tsy rariny raha karama varimasaka no omenao ny mpiasa, nefa miasa andro aman'alina izy ireo. (Tsara homarihina fa ny hitsiny dia fitsarana araka ny tokony izy, izay mahitsy tsy misy olakolaka, ary ny marina, fitsarana araka ny tokony ho izy, izay marin-tampona tsy misy avo sy iva). - F.-p.: Ara-drariny: araka ny fahamarinana. / Lavo andrariny: voaheloka araka ny fahamarinana. / Mangataka rariny: mangataka fitsarana na didim-pitsarana tsy mitongilana. / Manome rariny olona: manaiky fa manana ny rariny ilay olona. / Tsy an-drariny: tsy araka ny fahamarinana. / Vary rariny: lany fotoana foana. * Ohab.: Fisaka ny rariny ka saro-tadiavina: ohabolana ilazana fa ilaina ny fiheverana sy fandinihana mba hahitana ny tena marina, fa sarotra ny ahitana azy raha tsy fakafakaina fatratra. / Ny heloka ibabohana mody rariny, ny rariny itompoana mody heloka: ny fiekena ny heloka vita dia mendri-pamelana, fa ny tsy fandeferana kosa —na dia manana ny rariny aza ny tena, ka efa miaiky ny hadisoany ny an-kilany — dia tsy fitiavana fihavanana, ka mahatonga ny tena ho melohin'ny olona. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel