Dikan'ny teny : Mijery

Hampiditra dikany vaovao
1 (jery) mt. P. (mijere): Manatodika ny maso any amin'olona na zavatra iray mba hahita azy: Sady nijery ahy izy no niteny izany. * Mitazana: Aza mandany andro mijery eo am-baravarankely eo ianao. ? Mitandrina: Nahoana no tsy mijery izay ataonao akory ianao? * Mihevitra: Tsy mijery afatsy ny fahamendrehany aho, 1 Mikarakara: Rakoto ve hijery ny mahantra? ? Mahita ka tsy miraharaha, tsy milaza: Aza mijery arina an-tava. ¶ M. h.: Mitazana, mikandrana, mitanjo, manopy maso, mitsirika, manombana, mibandrina, mivandrina, mivandraka, mivandravandra, mibanjina. — Misy hevitra iraisana: Mitily, mitsikilo, mizaha taratra, manazangazana, manarangarana, mangarangarana, mitaratra, manompirana, mangala-pijery, manao jery vilana, manao very maso, mitsipalotra (ny maso), mitodika, miherika, mangarika, mandritika, mijery ambony, miandrandra, Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel