Dikan'ny teny : Mirava

Hampiditra dikany vaovao
1 (rava) mt. s. (miraud): Mivoaka ny fianarana, ny trano fiasana: Amin'ny dimy no miraua ny mpiasa. 1 Miparitaka, mihahaka: Miraua ny uahoaka. ? Vita, mifarana: Miraua ny fiangonana. 1 h.o.: Tsy tanteraka: Miraua ny fitsangantsanganana rahariva fa ratsy ny andro, - F.-p.: Mirava maina: entimilaza fivoriana izay nifarana tsy nisy hevitra tapaka na nahitam-bokatsoa. J Miraua samy marina: zava-niseho tamin'ny andron-dRanavalona II no nahatonga an'io fitenenana io: somary sahala amin' ny didy manko, hono, ny miangona tamin'izany, ka tonga tao am-piangonana ny olona nefa tsy nisy mandrakariva ny mpitari-pivavahana; koa rehefa nirava ny olona, dia samy nirava samy marina, hono, satria samy tao am-piangonana nefa tsy niasa alahady. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel