Dikan'ny teny : bibilava

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Karazam-biby lavalava tsy misy tongony na tanany fa mikisaka amin'ny kibony no fifindrany toerana. — Misy karazany maro ny bibilava eto amintsika, izay tsy mba misy poizina ny ankamaroany: ny bibimora, ny do na dona, ny fanany, ny fandrefiala, ny mandopotsy, ny mandotra na ranimandotra, ny marolongo, ny menarana, ny renivitsika, ny tompondrano, ny tampontany. * Ohab.: Bibilava vonono: tsy tanan-kandrangotra na tongotra hitsipaka, fa Andriamanitra no andrasana: enti-milaza ny olona osa na madinika na mahantra izay tsy mba afaka hamaly amin' ny herin'ny tenany raha misy mamely azy fa Andriamanitra no antenainy hamaly izay mampahory azy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel