Dikan'ny teny : efa

Hampiditra dikany vaovao
1 mt. s. : Vita, voafarana, tapitra : Efa ny asa vao tonga ianao. 1 Tontosa, lavorary : Efako ny asa nampanaouina ahy ka miadan-tsaina aho. 1 Voaloa : Efa ny trosako izao ka faly aho. ? Mety ho vita : Efako io fa aza manahy ianao. 1 Voaonitra, voaverina : Efany ny halatra nataony ha nolefahan'ny fanjakana ny saziny. 1 p.mt. : Fampiasa eo alohan'ny matoanteny milaza ny ankehitriny na ny lasa na ny ho avy, saingy samy hafa ny heviny amin'izany : Eo alohan'ny milaza ny ankehitriny, ny efa dia milaza fa eo am-panaovana ilay asa : Efa mihinana izahay. / Eo alohan'ny milaza ny lasa, milaza fa efa vita tanteraka ilay asa : Efa nihinana izahay. / Eo alohan'ny milaza ny ho avy, milaza fa antomotry ny hanao ilay asa ny olona miteny : Efa hihinana izahay. i Lit : Efaina, voaefa f manefa fanefa, mpanefa / ana-fana, fanefana / miefa, fiefa / iefana, fiefana / mahefa / fahefana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel