Dikan'ny teny : fitia

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fomba entina mitia: Aza atao fitia varavarana, tiana ihany ka atositosika. ? Fahazoana mitia: Atao ahoana na fitia olona toa an'io. ? Fitiavana: Tsy manam-pitia anao, hono, izy. / Bobongolo ilay fitia. - F,-p.; Fitia ketsa: enti-milaza fa ny fitiavana toy ny ketsa ka izay amindrana azy no aniriany. / Fitia mifono avona: fitiavana atao an-kif onofono toa mahamenatra ny mampiseho azy. / Fitiavandrenikely: fitiavana mihatsaravelatsihy. J Mahakelikely fitia: mahatonga ny fitiavana hihena, toy ny tsy fanotrahana firy izany raha ampisehoan'olona fitiavana. * Fiten.: Fitia mifamaly mahatsara fihavanana: mora rava ny fihavanana raha mandeha ila fotsiny. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel