Dikan'ny teny : fotsiny

Hampiditra dikany vaovao
1 p.mt.: Tsy misy fanampiny tsy misy fangarony: Vary fotsiny no haniny isan'andro (tsara homarihina fa na mitovitovy hevitra amin'ny Ihany sy ny Monja aza ny Fotsiny dia misy maha-samy hafa azy amfn'ireo ihany: ny fotsiny dia manantitrantitra momba ny tsy fisiana fanampiny, fangarony: Vary fotsiny no haniny; ny ihany, momba ny maha-irery ilay voalaza: Rakoto ihany no mpampianatra azoazoko; ary ny monja kosa, fampiasa indrindra miaraka amin'ny teny milaza Mpianatra telo monja no tonga). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel