Dikan'ny teny : kamboty

Hampiditra dikany vaovao
1 a sady p.t: Maty ray sy reny na ny iray amin' ireo. ? h.i.: Entina milaza ny oriory sy osaosa ara-pivelomana. 1 tif: Mikamboty, fikamboty, mpikamboty J ikambotiana, fikambotiana J mahakamboty I kambotimboty / fahakambotiana. - F-p,: Kambotim-bola aman-karena: mahantra arabola fa manan-tany na zavatra hafa mety hahazoam-bola. / Kamboty oelon-dreny: zaza maty ray fa ny reniny mbola velona; (ny zazamaty reny mbola kely kosa dia a-tao hoe somony). / Mangahazo kamboty: enti-milaza ny mangahazo maniry izay nofolonana na maina ny tahony. / Tsy kamboty kely fa kamboty lehibe: ilazana ny zaza efa lehibe vao kamboty; — na ny olona mahalala ny lovantsofina navelan'ny razana. ¶ M.h.: Somony, maty dovy, asorotany tsy satry, lasa olo-malala, folaka andry niankinana, toro vato nandiavana, maty kiady sy voninahitra, resy olo-narahina, resy tondromaso. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel