Dikan'ny teny : kamo

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Tsy manana faharisihana hanao fa toa valabalaka ny saina na ny tena: Matetika mitana ny laharana farany ny mpianatra kamo. (Tsy dia azo lazainamandrakariva ho malaina ny kamo, satria mety mba tahanao asa ihany izy, saingy tsaroany sasatra na trotraka ny tenany). i t.i.f: Kamoina / manakamo, fanakamo, mpanakamo 1 anakamoana, fanakamoana / mahakamo / kamokamo. - F.-p.: Kamo be kibo, kamo be tenda: tsy tia asa nefaloia raha hihinana.JKamo maso: malefa-pijery. / Kamo reraka: kamo fatra-panambitamby, manolikoly fa tsy mahita hohanina. ¶ M.h.: Kamo velona, kalaina, malaina, benamboka, kisinina, lava lamosina, mpitango lalitra, mpanao lalimanga, kamo be kibo, kamo be tenda, manao afo am-bilanikely, manary andro foana, miriorio, mirendrena, mitonantonana, mitanina andro tsy manavy, midonana-poana, mitoe-poana, mitoe-poana toa volon'orona. — Kamokamo: Tsikamokamo, malaindaina, malaholaho, malazolazo, marezodrezoka, marisarisa, sorisorena, somazotsazoka, manaran-daina, tsy rototra, milasilasy. Ahitsio
2 na Kamoladina a: Bozaka aolanolana atao toa mahazaka makadiry manefitra ny vary tsy hikasika ny aty rindrin'ny lavabary. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel