Dikan'ny teny : lany

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Tapitra, tsy misy intsony: Lany ny vary ao antsompitra. ? Vary foana: Lany niandry anao teto ny androko, • Simba, levona, hanin-javatra: Lanin'ny fositra it? uoavahy • Ampiasaina: Ohatrinona ny vola laninao nanaovana it9 trano it?! • Tsy misy mijanona noho ny niasana taminy: Mahagaga raha lany sahady ilay pensilihazo novidiko ho anao. 1 Baboina: Lanin'ny fanjakana ny hareny. 1 Ekena, ankatoavina, azoazo, voafidy: Tsy lanin'ny be sy ny maro ny heuitrao. / Lany ho solombavambahoaka Ramasaka • Raisina: Lany ho miaramila ny rahalahiko. ? Ekena, raisina: Tsy lany intsony ny vo-la toy itony. • Atao mahita faisana, hanina: Raha misy tsy manaraka izany lalàna izany dia lanintsika. • Tapa-ka: Lanin'ny mpitsara fa hohelohina foin taona izy. 1 tif: Lanina / mandany, fandany, mpandany / andaniana, fandaniana / mahalany / ahalaniana / lanilany. - F.-p.: Lany andro: a) entimilaza ny zavatra efa tapitra ny fe-potoana nampahalaza azy, ka tokony hasiampanavaozana; b) mijanona maharitra amin'ny raharaha tsy misy antony firy, na variana amin'ny lalao sy korana / Lany haika: efa nanao izay azo natao rehetra. / Lany atrika: foana daholo ny toko anoloana amin'ny lalao katra, ilazana ny fahataperan'ny azo raisins eo anatrehana. / Lany ara: efanifanarahana sy nifanekena teo amin'ny dinidinika nifampiheverana. / Lany fatotra amampondrana: tapitra avokoa na dia izay nananana kely indrindra aza. / Lany karaoka: tena lany fananana tanteraka ary tsy manana afa-tsy ny e• ny an-koditra sisa. / Lany ron-doha: ilazana ireo nam piasa ny fahaizany sy ny herfn-tsaina nananany amin'izay nokarakarainy. / Lany henatra, lany hasina: nanimba ny voninahiny sy tsy nihevitra ny hajany tamin'ny fanaovan-dratsy. /Lany mondron-kery: lany harena sy fananana nanasoavana zanaka na zavatra hafa nilaina ho tsars. / Lany atody: ilazana ny akoho na vorona efa nanatody betsaka ka nitsahatra tsy nanana atody intsony (I-reo lany harena tsy mahazo vola intsony). / Tsy laniko oelively izany: tsy tiako, tsy ankasitrahako velively. / Tsy lany lanina: be dia be, azo anamparana amin'ny habetsahany. / Haren-danim-bazo: ilazana ireo harena na fananana nomena ny sakaiza ratsy ka verivery foana ary very tanteraka. / Lany uoamena zato: ilazana ny ray aman-dreny lany vola nitaizana sy namelomana ny zanany hatramin'ny fahakeliny. / Lany fanahy: very hevitra tsy mahita izay hatao intsony amin'ny fananarana na amin'ny fitadiavana zavatra tsy hita. / Lany zara: enti-milaza zavatra nozarazaraina ka tsy misy ambiny, na tovovavy nijanona tsy nahazo vady intsony. ¶ M.h.: Tapitra, ritra, majifa, mafafa, borona, levona, foana, goana, fongana, ringana, mangaka, jabolevona, makiky, ringitra, f oan-tanana, madiodio, mangadihady, tsy misy miangana, tsy misy horaotina. Lany be: Lany fatotra amam-pondrana, lany mondron-kery, manaraka mbamin'ny taninketsa, ny any an-tsalaka no miala, mitain-kidin-trano, lany karaoka, lany harena, ravaharena, botry, mitondra kitra, mikiky rindrim-baky, makiky. Ahitsio
2 a: Fofon'ny hazandrano: Maimbo lanin-trondro. • Ny kiran'ny hazandrano izay manarona ny tenany. *Bay zavatra maditidity amin'ny hoditry ny amalona. - t.i.f.: Malany. Ahitsio
3 a: Ny rirany amin'ny an-kilany sy ny an-daniny, ny lafiny: Maroni-dany roa io, lelan'antsy io. • Ny tendrony, ny tendrony farany: Mbola tsy miseho ihany ny lanin'ny tafika / Tsy hita lany ny ranomasina • Bans,: Ery an-dany andrefan'Ampamarinana no misy anay. i t. i f : Miandany, fiandany, mpiandany / iandaniana, flandaniana / an-daniny. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel