Dikan'ny teny : nofo

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Tenan-javatra misy tsiratsiraka izay mandrakotra ny taolana amin'ny tenan'ny olomtielona sy ny biby: Malemilemy ny nofon' ny zazakely. • Hena: Tsara nofo ny amalona. • h,i.: Ny vatana (miolotra amin'ny fanahy): Malemy ny nofo. 1 Ny faty: Ny nofon'Itompokolahy dia hoentina ao amin' ny eglizin'Ambozontany. 1 t.i.f.: Nofosana, - F.-p,: Ny filan'ny nofo, ny filan-dratsin'ny nofo: ny fitarihan'ny vatana amin'ny hafaliana tsy voafehin'ny saina amam-panahy ka mampitovy torosy azy amin'ny biby. / Lali-nofo: enti-mllaza ny tany matevina tsy misy vato. / Nofon-tany: ny hatevin'ny tany azo asaina. / Vory nofo: hita ho mahazo aina ka mirongaronga er$ ny nofony. / Modia nofo, modia sandry: firariana ataon'ny trompon-trano amin'ny sakafo arosony ho an'ny vahiny, ka ny heviny dia hoe "enga anie ka hahasoa sy hahatsara anao iny sakafo vao naroso iny". / Mahazo no fo: ilazana ny olona nahia na avy narary ka mihavaventy sy matavy. * Ohab. sy fiten.: Nofonkena mitam-pihavanana: fanomezana ifanaovan'ny mpifankatia ka mahatonga ny fihavanana ho mafimafy kokoa. / Nofon-kena mby antanan-tsaka: zavatra lasan' olon-dratsy ka tsy azo antenaina hiverina intsony. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel