Dikan'ny teny : raharaha

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Asa andaniana ny andro: Mikarakara tokantrano no mazdna raharahan' ny uehivauy mandritra ny andro. • Anton'asa ivelomana: Manjaitra no raharahan-dRanaiuo. ? Asa, taozavatra, lahasa: Misy raharaha kely home/ta anao raha manam-potoana ianao. 1 Adidy: Aza miditra amin'izany ianao fa tsy raharahanao izany. - t.i.f.: Raharahaina, voaraharaha / mandraharaha, fandraharaha, mpandraharaha / andraharahana, fandraharahana / miraharaha, firaharaha, mpirahaxaha I iraharahana, firaharahana I maharaharaha. - F.-p.: Asa aman-draharaha: enti-milaza ny fitambaran' ny asa atao fivelomana sy ny adidy eo anatrehana avy. / Hahita raharaha amiko ianao: teny fandrahonana atao noho ny herim-pahefana na lonilony. I Manauin-draharaha: mandeha mamangy na mamotopototra raharaha izay heverina ho lehibe. /Mi-la raharaha: mitady fahasahiranana ho an'ny tena. / Misahana raharaha betsaka: miandraikitra asa maro loha isankarazany. / Raharaha manaraka ny arabe: raharaha betsaka sady manahirana. / Raharahan'i Mantasoa: fanompoana mafy aoka izany, ara-ka ilay ohabolana manao hoe: Raharahan'i Mantasoa: ny miera maty uenty, ny mangala-dia maty loso; ny mitoetra lany lamba amantsalaka. / Zokin-draharaha: ny tena ventin-draharaha voalohany, izay tsy maintsy atao mialoha. * Ohab.: ?za atao be ny raharaha ka ny voly vary indray no tsy efa: ilazana ny fanaovana an-tsirambina ny tena fototry ny aina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel