Dikan'ny teny : randrana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fanamboarana-4' ny volo lava ho misy ampehezany telo avy, izay ampidipidirina ho toy ny kofehy, ka ireo indray dia ampifamatorina hanana endrika samihafa araka ny karazany tiana hatao: randra-madinika, randran-telo an'ila... na randranampanga, randravonkalana... - t.i.f : Randranina, arandrana, voarandrana / mandrandrana, fandrandrana, mpandrandrana / andrandranana, fandrandranana / mirandrana, firandrana, mpirandrana / irandranana, firandranana I maharandrana I randrandrandrana. - Randram-bao mahataitra: izay rehetra vao manaitra ny maso avokoa. / Manao randran-tarihina: manaraka ny efa fanao teo aloha ihany. / Mitomany randrana manendrika ny sasany: tsy mitsapa raha manendrika ny tena izay atao na tsia, fa ataon'ny hafa ka dia mba a-tao koa. Karazan-drandrana sy taovolo hita amin'ny foko sasantsasany: Antaimoro: Lafitriakondro, Ny telo an-kila, Tsitombotomboka, Vakimanasa — Betsileo: Bango, Ban-go anakova, Bango tsotra, Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel