Dikan'ny teny : ray

Hampiditra dikany vaovao
1 sy Rairay a.: Kasika: Zozo tia rairay. 1 Fakana zavatra amin'ny tanana. • Fampidirana olona ao an-trano. - t.i.f.: Raisina, aray, voaray / mandray, fandray, mpandray / andraisana, fandraisana / maharay / rairay 1 mandrairay, fandrairay, mpandrairay 1 andrairaisana, fandrairaisana. Ahitsio
2 a.: Ny lehilahy manan-janaka tokana na maro: I Rainilita no rain'Ibalita; ilazana koa ny olona tokotokony ho ray na tsy niteraka aza, toy ny vadin'ny reny niteraka (raikely), lehilahy nihahy sy nitaiza (ray mpitaiza), ny lehilahy nanangana ho zanaka (ray nanangana), ny raY tampo amin'ny ray aman-dreny (ireo dadatoa isan-kolafiny). ? F.-p.: Ray aman-dreny: ny ray sy ny reny niteraka. • h. i.: enti-milaza ireo mpiton- - dra na ara-nofo na ara-panahy. J Ray nanangana: lehilahy niseho teo anatrehan'ny fokonolona sy ny fanjakana ho nanjanaka zaza iray izay ho afaka handova azy. J Ray mpitaiza: ray tsy niteraka fa niantoka ny famelomana. / Tsy manan-dray: enti-milaza ny zaza tsy fantatra ny ray niteraka azy. ¶ M.h.: zazasary, zaza tsisy ray, zanadranitra, zanaka an'elakelatrano. / Rain-janaka: enti-milaza vady tsy ara-dalàna na sakaiza fotsiny niterahana zaza. / Rain-jaza: enti-milaza a) ny lehilahy manao hasoavana ny zazalahy iray (ka nanangana azy mihitsy tamin' ny andro taloha); b) ny rain' ny zazavavy ampakarina. ¶ M. h.: Aba, baba, ikaky, lany voamena zato, lany sikajy arivo, kiady sy voninahitra, haja sy voninahitra, an-dry iankinana, vato nandiavana. Ahitsio
3 na Ry: Tenim-piontanana fanao eo alohan'ny olona itenenana raha maro: Henoy izao teny izao, ray uahoaka. Ahitsio
4 Fanononana haingana ny Iray. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel