Dikan'ny teny : rindrina

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fefy biriky na vato atao vatan'ny trano: Manao trano ry Rakoto, ka efa mitsangana ny rindrina. / Fe-no sary ny rindrin-dry zareo ato avaratra. ? Fanakatonana varavarana: Tsy tsara rindrina ny varavarankely ka idiran'ny riuotra. ? Enti-milaza koa ny tsy fivohana. * t.i.f.: Rindrinana, arindrina, voarindrina, tafarindrina 1 mandrindrina, fandrindrina, mpandrindrina / andrindrinana, fandrindrinana 1 mirindrina, firindrina, mpirindrina / irindrinana, firindrinana / maharindrina. - Ilay mahia miankindrindrina: fampanonona fanaon'ny ankizy ka ny valiny dia hoe sahafa (noho ny maha-fisaka ny sahafa no ilazana azy ho mahia). / Manaradrindrina: ilazana ny zaza vao miana-mandeha ka mitehina amin'ny rindrina. / Mihomehy rindrim-baky: olona mihomehy foana tsy misy antony ka heverina ho simba saina. / Mpihady uodirindrina: ilazana ireo jiolahy na tontakely mihady rindrintrano hangalarany ny ao anaty trano. / Miankin-drindrina irery: enti-milaza ny vehivavy mihetsi-jaza izay tsy azon'ny hafa ampiana na dia misy maharary sy manaintaina aza — teny ent?-mahatsiahy ny fijaliana entin'ny reny rehefa miteraka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel