Dikan'ny teny : sahy

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Manana herim-po hanao zavatra: Tsy sahy niady tamin'ny zanako Isambilo. • Afaka manao, manaiky: Tsy sahiko ny handray io olona io ao an-tranoko. • Tsy matahotra: Sahy anareo aho, hoy Rakoto tamin'ny lehiben'ny jiolahy. • Afakahividy: Tsy sahiko ariary zato akory io latabatra io fa ratsy. ? t.i.f.: Mahasahy na mahasaky / sahisahy / hasahiana, hahasahiana. - F.-p.: Angady sahy: angady miendrika famoalàka ny bikany. / Sahy lapa: azo aseho an-danonana. / Sahy latabatra: enti-milaza sakafo izay tsy mahamenatra ny mandroso azy eo ambony latabatra ho an'ny vahiny. /Sahy loza: tsy mataho-doza, mitsena loza. / Sahy rano: tsy matahotra ny hinona na ny hisotro tangena. J Sahy zauatra: fatra-panao an-kasahiana loatra. * Ohab.: Kely sahy lapa ohatra ny sotrobe: enti-milaza izay olona fatra-pihambohambo foana. ¶ M.h.: Sahisahy, mavany, misehaseha, sahy zavatra, sahy faty, tsy mivandy, tsy mivohovoho, bibin'olona, mosalahy, kimosamosa, misenasena, manao vy very, manao anjoria, mivarotra ai-na, mitsambiki-mikimpy, manaika loza, miseha-doza, mitsena loza, manaboha-maty, mankaha-paty, misotro ny aleoko maty, misotro tsilaky, minia maty ho maimbo, manehatra ny tandrok' omby maranitra, voalavo manaikiby, voalavo sasatry ny miaina, lolo fotsy mitono tena, atody miady amam-bato, basy maninana varatra. Ahitsio
2 a.: Fanevatevana amin' ny teny ratsy sy ompa. - t.i.f.: Sahina, asahy, voasahy / misahy, fisahy, mpisahy / isahiana, fisahiana. - F.-p.: Misahy razana: maniratsira, manompa ny razan' ny sasany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel