Dikan'ny teny : tandroka

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavatra mafimafy toy ny taolana mipoitra eo an-dohan'ny biby sasantsasany toy ny omby, ny osy,... ka ataony fiadiana sy hiarovany tena amin'ny fahavalony. ? Olona ambony ara-pahaizana na ara-pahefana ka miahy sy miaro ny vahoaka ary mitsangana ho voninahiny: Ianareo foloalindahy no tandroky ny firenena. - Tandrohana, tandrohina, voatandroka / manandroka, fanandroka, mpanandroka / anandrohana, fanandrohana / miantandroka, fiantandroka, mpiantandmka / iantandrohana, fiantandrohana. Toetra amam-bikan'ny tandrok'omby araka ny fahalalan'ny foko sasantsasany azy: Biko na Bikoa (Ski): karazan-tandrok'omby namboarina hatramin'ny fitsiriany haka ny endrika itiavana azy, ka mety ho voa-Janahary ny bikany, mety ho nafaingoka kely, mety koa ho nafaingo-, ka hiolaka tanteraka mils hikasika ny loha; Kirongo na Korongo (Mer na Btl): tandrok'omby miendri-bolantsinana ary mifanatona ny tendrony roa; Lily (Br): tandrok'omby somary misabaka mitovy fandry nefa misompirana; Mamadika (Btl): tahaka ny korongo fa boribory antonony ny fiolany; Manofaka (Btl): ilazana ny tandrok'omby manomboka mitsefatsefaka na vakivaky; Molily (Btl): tandrok'omby solilahina ny ilany iray mba hitsirian'ny ilany iray; Monga (Btl): tandrok'omby zara raha misy ny ilany; Rondrika (BU): karazan-tandrok' omby miolaka amin'ny andanin'ny sofina roa; Salamaloha na Sapelatra (Btl): ilazana ny tandrok'omby mihamivelatra mahitsy miakatra; Salangalanga (Btl): toetandrok'omby mijoro mahitsy miakatra; Salandy na Bo-ri (vori) (Btl): tandrok'omby malemy fonosana ka mikiraviravy eo aloha; Sapapa (Br): tandroka mivolantsinana tonga lafatra ka tian'ny olona izaitsizy fa mahatsara bika ny omby; Sondenda (Mer) na Sondandy (Br): toe-tandrok'omby misabaka fitsiry ary miakatra nefa fohy; Tandrobalala (Mer sy Btl): tandrok'omby mahitsy somary miondrika er? aloha, miendri-tandro-balala; Tandrok'osy (Br) na Sakoloha (Btl): tandroka miendrika tandrok'osy; Teko (Br) na Rondrona (Btl): somary miondrika mankany anoloana ny tandroka; Tola (Btl): toetandrok'omby miolaka amin'ny an-daniny avy; Trea (Br): tandrok'omby misabaka tanteraka ka manao fandrin-drano ary somary mahitsy lava amin'ny ila sofina roa. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel